Espaina : Nampihovitrovitra Ny Sisintany Espaniola Ilay Tetikasa Castor

Ny fahitana ilay toerana misy ny Castor avy eny ami'ny moron-dranomasin'i Vinaroz (Faritanin'i Castellón). Sary avy amin'ny lanoticia.cat, Ampiasàna ny lisansa CC 3.0
Firenena tsy dia misy horohorontany henjana loatra i Espaina. Ankoatra ireo tranga vitsivitsy toy ny horohorontany tany Lorca tamin'ny 2011, malefaka ny fihetsehan'ny tany ao amin'ilay firenena ary tsy dia manimba zavatra ny fihovitroviny.
Noho izany antony izany, raha toa herinandro vitsy lasa izay ka nisy horohorontany nitranga matetika – fihovitrovitra maherin'ny 350 tamin'ny iray volana lasa- tany amin'ny helodrano lehiben'i Valence mifanatrika amin'ny moron-dranomasin'ny faritanin'i Castellón, dia naneno ny anjomara fanairana, indrindra tamin'ny vao maraim-ben'ny 1 Oktobra, rehefa nisy horohorontany nahatratra 4.2 tamin'ny maridrefy Richter.
Angamba io horohorontany io mety ho vokatr'ilay fampidirana entona voa-janahary tao anatin'ny faritra manodidina ilay lavaka nisy tahirin-tsolika fahiny ary efa foana ankehitriny, izay any amin'ny 1750 metatra ny halaliny ary 22 kilaometatra avy any amin'ny faritr'i Vinaroz misy ilay tetikasa Castor, izay antenaina fa havadika ho fitobianà entona ny velarany :
de acuerdo a la regulación europea, los comercializadores (…) tienen la obligación de mantener unas reservas equivalentes a 20 días de ventas en firme del ejercicio anterior.
Araka ny fepetra Eoropeana, dia tsy maintsy manana fiandry mitovy amin'ny habetsahan'ny zavatra namidy 20 andro tamin'ny taon-dasa ny mpamatsy (…) .
Na dia efa misy karazan-javatra tahaka izany aza any Espaina dia tsy mbola mametraka olana izany hatramin'izao, any amin'ny faritra tsy marin-toerana loatra no misy ny tetikasa Castor. Mety ho vokatry ny fampidirana ilay antsoina hoe “entona lafika” ilay fihovitrivitry ny tany araka ny fanazavan'ny bilaogin'ny Hairaha, Fampitàm-baovao ary ny Hamehana [es], :
600 millones de m3 [de gas] (…) cuyas funciones básicas son rellenar espacios “muertos” de difícil drenaje del yacimiento, servir como aislamiento entre el Gas de Trabajo y el acuífero subyacente (para evitar la posible producción de agua libre) y, en menor medida, contribuir al mantenimiento de la presión del yacimiento.
[entona ] eninjato tapitrisa m3(…) izay ny asa fototra tena ilàna azy dia hamenoana ireo faritra “maty” sarotra itsofohana, sy natao ho fanelanelanana ny entona trabajo sy ny rano ambanin'ny tany ao ambany ao (mba hialàna amin'ny fisian'ny rano mikoriana malalaka) ary farafaharatsiny hanampy amin'ny fitazonana ny tsindrin'ilay toby.
Ankoatra izay, eo ambonin'ny vato mitriatr'i Amposta izay mitandavana 51 km manamorona ny sisin-dranomasina atsinanana ary mandrafitra ny sisin'ilay toby no misy ilay tetikasa Castor. Nazavain'i José Luis Simón, mpampianatra Jeolojia ao amin'ny Oniversiten'i Zaragoza (Saragosse) sady manam-pahaizana momba ny fandinihina ny fihetsehan'ny fanambanin'ny tany ao amin'ilay faritra tao amin'ny gazety mpiseho isan'andro Levante fa :
se inyecta gas a una presión bastante alta en un subsuelo submarino del que se conocen pocas cosas, pero una de las que se conocen es que justamente bajo el emplazamiento del pozo pasa una falla que se considera activa. (…) Las tensiones hubieran tardado cientos o miles de años [en producir un terremoto], pero al inyectar gas hacemos que se produzca ahora.
Ampidirana entona amin'ny tsindry ambony be ao ambanin'ny tany ao ambany ranomasina ao, izay zara raha misy fantatra ny aminy, fa ny tena azo antoka dia misy fivakisana mandalo ao ambanin'ilay toby ary heverina fa mbola mety hihetsika.(…) Mila an-jato na an'arivo taona [ vao afaka miteraka horohorontany] ny tsindry, saingy amin'ny fampidirana ny entona dia isika no manao izay mety hisian'ny horohorontany iray hitranga amin'izao fotoana izao.
Nanome baiko hanajanonana ny asa [es] teo amin'ilay toerana ny minisitry ny asa vaventy ny 26 Septambra lasa teo ary nihevitra ny hanajanonana tanteraka ilay tetikasa ireo manam-pahaizana avy ao amin'ny ministera raha toa ka misy fifandraisana ny tetikasa sy ny horohorontany. Novelomin'ny governemanta mizaka tenan'i Katalaonia sy Valence ny drafitra momba ny fisianà horohorontany.
Hita ao amin'ny tambajotra sosialy izay ampiasaina ihany koa ny hanentanana ny fanoheran'ireo tanàna iharan'izany no nilazan'ny mponina ny ahiahiny. Tsara ho marihana ihany koa fa any amin'ny 100 km manodidina ny Castor no faritra natao ho an'ny mpizaha tany, toa an'i Salou sy ireo tranobe manan-tantara toa ny Peniscola ary sisan'i Tarraco, nefa misy ihany koa ny fanorenana ny orinasa fitrandrahana sy fanodinana Solika Tarragona sy ny vondrom-pihary herinaratra nokleary Ascó I sy II ary Vandellós[es].
Eo amin'ny lafiny ara-toekarena, nihoatra ny tetibolany ilay tetikasa- izay tsy hitan'ny maro izay ilàna azy. Tamin'ny faran'ny taona 2011 dia 1195,5 lavitrisa euros no efa nampiasaina, 89,54% ambonin'izay efa novinavinaina. Araka ny Confidencial, ilay tetibola nolazaina teo aloha ankehitriny dia
se ha disparado hasta los 1.700 millones. Todo un ejemplo emblemático de los modificados que han hecho de oro a las constructoras al calor de las vacas gordas.
(…) Un dinero que será sufragado por los usuarios del gas a través de la tarifa. (…) [Castor recibirá] En total, 250 millones de euros por ejercicio. Unos fondos que, como costes del sistema, se incluyen en el recibo [al consumidor].
[Solo podría] evitarse el impacto de esa instalación en los recibos del gas si puede demostrarse que ha existido una negligencia grave en el proceso de puesta en marcha.
tafakatra hatramin'ny 1.700 tapitrisa. Ohatra iray marika hamantarana ny fanovàna izay ahitan'ireo orinasa mpanorina ny tombontsoany.
(…) Vola izay averin'ireo mpanjifa ilay entona arakaraky ny vidiny. (…) [ Hahazo amin'izany ny Castor] Raha atambatra dia 250 tapitrisa euros isan-taona. Vola , izay amin'ny maha-tombam-bidy azy dia efa ao anaty faktiora [ an'ny mpanjifa].
Ny hany fomba azo ialàna amin'ny [voka-dratsin’] io asa io dia amin'ny alàlan'ny faktioran'ny entona raha toa ka voaporofo ny nanaovana tsinontsinona ny lalàna tamin'ny nanombohana azy.
Be mpandalina be io resaka io ao amin'ny Twitter. I Andrea Lahoz, mponina ao Tarragona dia maneho ny ahiahiny momba ny fiantraikan'ny horohorontany eo amin'ny faritra iainany :
Vivo en una ciudad rodeada de fábricas y petroquímicas. Ahora gracias a #castor vivo acojonada esperando al próximo terremoto…
— Andrea Lahoz (@Andrea_Lahoz) October 2, 2013
Monina ao amin'ny tanàna voahodidina ozinina sy orinasa mpitrandraka sy mpanodina solika aho. Ary ankehitriny noho ny fisian'ny #castor dia mandry tsy lavo loha aho miandry ny horohorontany manaraka…

Ny toerana misy ilay tetikasa Castor sy ny foibe nokleary Vandellós sy Ascó I sy II. Sary avy amin'ny Google Maps.
Vatsian'ny ACS vola ny asa fanorenana ny Castor, izay i Florentino Pérez no filohany, sady filohan'ny ekipan'i Real Madrid F.C [es]. Asongadin'i Trapichaire[es] ireo fiangàrana ataon'i Pérez mba hanaporofony ireo fandaniana ataony :
#sismicat Castor (de Florentino Pérez) no realizó un estudio sísmico para ahorrar, pero compró a Bale x 100 kilazos. #terremoto #RealMadrid
— Trapichaire (@Trapichaire) October 3, 2013
#sismicat Castor (Florentino Pérez) tsy nianatra momba ny horohorontany mba hitehirizam-bola fa nividy Bale x 100 kilazos. #terremoto #RealMadrid
Notsorin'i Blanca Civit ny kabarin'ny ben'ny tanànan'i Madrid nanoloana ny COI mba hiarovana ny firotsahan-ko fidian'ny tanàna handray ny lalao Olaimpika, izay nahatonga ny fivatravatran'ireo tsikera miaro hatsikana tao amin'ny aterineto :
There is nothing like a relaxing #terremoto in the gulf de Valencia . #castor is not fun. #terremoto #terratremol
— Blanca Civit (@blancacivit) October 3, 2013
Tsy misy ohatra ny fialana sasatra #terremoto ao amin'ny helodrano lehiben'i Valencia . #castor Tsy kilalao ny #castor. #terremoto #terratremol
— Blanca Civit (@blancacivit) 3 Oktobra 2013
Tsy noraisin'i El buen progre ho tena izy ilay sangisangy :
No se pq tanto escándalo en castellón. Si llenas la tierra de gases es normal que se tire pedos. #Castor
— El buen progre (@Elbuenprogre) October 3, 2013
Aza matohotra ny amin'izay hitranga any castellón. Rehefa fenoina entona ny tany dia mamoaka rivotra izy. #Castor
Araka ny tatitra tao amin'ny El Periódico[es], ” Nanaiky hanao ny fanadihadiana momba ilay heloka bevava ny Mpitsara ao amin'ny faritanin'i Castellón ” mba nanazavana ny fototr'ilay horohorontany. Tamin'ny Zoma 4 Oktobra,
Sobre las dos de la tarde, miembros del servicio aéreo de la Guardia Civil, junto a varios agentes del cuerpo en Castellón, llegaron a la planta, situada a unos 23 kilómetros de la costa de Vinaròs. Según las fuentes, los agentes se trasladaron para “comprobar cómo se encuentra la plataforma y su funcionamiento”.
Tamin'ny 2 ora tolak'andro, tonga tao amin'ny ozinina, izay 23 km avy ao amin'ny sisin-dranomasin'i Vinaròs ireo mpikambana ao amin'ny sampan-draharahan'ny Fiarovana ny Olona, niaraka tamin'ireo mpiasa avy amin'ny vondrona any Castellón. Araka ireo loharanom-baovao dia nentina mba ” hanamarina ilay toerana sy ny fomba fiasany” ireo mpiasa.”
Voamarin'ireo mpiasa fa nijanona ilay ozinina. Ny tatitra avy amin'ireo manam-pahaizana mba hahalalàna ny fiafaran'ilay tetikasa Castor sisa andrasana.
Tantaran'ny Eoropa Andrefana farany
-
30 Desambra 2020Angletera
Noely COVID : Tena tsy nisy toa azy tokoa va re?
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...