- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Dominikana 200.000 Taranaka Haisiana Nongotana Ny Zom-Pireneny

Sokajy: Haiti, Repoblika Dominikana, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Face

Ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Momba Ny Lalampanorenana Dominikana hanongotra ny zom-pirenen'izay rehetra teraka ao amin'ny firenena (nefa) nanana sata tsy ara-dalàna hatramin'ny 1929 no nahatonga farafahakeliny Dominikana 200.000 taranaka Haisiana ho tsy mizaka zom-pirenena na inona na inona [1].

Amin'ny GV Face amin'ity herinandro ity no hiarahanay miady hevitra momba ny didy navoakan'ny Fitsarana Dominikana izay nanakely lalana ny famaritana ny mahaolom-pirenena izay mahatonga fiantraikany henjana ho an'olona an'arivony.

Ny toniam-pandraharahana (managing editor) ato aminay, Solana Larsen, no niresaka tamin'i :

- Pamela Martínez Achecar [2] izay manoratra momba ny Repoblika Dominikana ato amin'ny Global Voices. Izy no hiresaka amintsika ny momba ny fivoaran'ny toe-draharaha eny an-kianja, sy ao amin'ny tambajotra sosialy.