Tantara tamin'ny 29 Novambra 2013
Kolikoly Ao Rosia Tazanina Avy Eny Ampisidinana

Namelively indray ireo mpanao politika rosiana dimy tafakatra ambony indray ilay bilaogera Alexey Navalny, tamin'ny fiampangana azy ireo ho mandray kolikoly tamin'ny tsy filazana ny fananana midadasika ahitana trano goavana miorina ivelan'i Moskoa.
Miaraka Aminay Eny Foana Ny Aterineto N'aiza N'aiza Alehanay

Vao nampahafantarina vao haingana ny fitaovana fisintonana ny onjan'ny zanabolana, ka ny Rising Voices no ho afaka hitondra ny aterineto any amin'ny faritra maro, izay tsy dia ahitàna na tsy misy fomba ahazoana aterineto, ka manokatra làlana sy fahafahana vaovao hampianatra sy hizara ao amin'ny aterineto izany.
Alaa Abd El Fattah , Ejiptiana Mpikatroka Mafàna Fo Nosamborina — Indray

Ny alin'ny Alakamisy teo, tao Kairo, nosamborina tao an-tranony i Alaa Abd El Fattah ilay Ejiptiana mpikatroka mafàna fo sady bilaogera manana ny toerany. Ahian'ireo mpanohana azy ho natao ho fampiharana ilay lalàna vaovao mandràra ny hetsi-panoherana eny an'arabe ao Ejipta ny nisamborana azy
Nankatòavin'ny Antenimieram-pirenena Ny Volavolan-dalàna Mikasika Ny “Tsiambaratelom-panjakana” Ao Japana

Nankatòavin'ny Antenimieram-pirenena ao Japana ny volavolan-dalàna mampifanditra momba ny Fiarovana ny tsiambaratelom-panjakana tamin'ny Talata 26 Novambra na dia teo aza ireo tsikeran'ny mpanao gazety sy ny mpiaro ny zon'olombelona.
Nahazo Loka Momba Ny Zon'Olombelona Ny ‘Las Patronas’ Noho Ny Famahanana Ireo Mpifindra-monina
Natolotra an'i Norma Vázquez Romero ny Loka Meksikana momba ny zon'olombelona 2013 noho izy ireo manome sakafo ho an'ireo mpifindra-monina avy ao Amerika Afovoany sy Meksika Atsimo handeha hoany Etazonia.
Afaka Miaina Fahantràna’ Anaty Sarintsarin-tanàna Mahantra Ao Afrika Atsimo Ireo Mpanankarena Mpizaha tany
82 dolara Amerika monja dia afaka "miaina" fahantràna anaty sarintsarin-tanàna mahantra iray ao Afrika Atsimo ianao, ny hany tokana eto an-tany manana fanafanàna voaleviana ao ambanin'ny tany sy fampiasàna aterineto tsy misy tariby
Mangina Tamin'ny Fipoahana Nahafatesan'Olona Tao Qingdao Ny Fampahalalam-baovao Shinoa
"Mbola hisy hatrany ny sivana, saingy ny tena toetran'ny media indray ny mahita hatrany ny fomba hanehoany hatrany ny herimpo sy ny fahatsiarovan-tenany."