- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihaonan'ny Global Voices Any Phnom Penh, Kambodja

Sokajy: Kambodza, Mediam-bahoaka, Rising Voices

gv-meetup-logo-gvmeetup-400Taorian'ny fihaonana nahitam-pahombiazana nokarakarain'ny Global Voices tao Karachi [1], Kairo [2]ary Kampala. Faly izahay manambara ny fihaonana manaraka izay hotontosaina ao Azia Atsimo-Atsinanana amin'ny 1 Desambra 2013 manomboka amin'ny 9 ora maraina ka hatramin'ny 1 folakandro. 

Hampiantranon'ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices Sopheap Chak (@jusminesophia [3]) sy Ramana Sorn (@ramanasorn [4]) ny fihaonana ka ao amin'ny Sithi Hub [5], #6, Lalana 264, Sangkat Chatumuk ao Phnom Penh no hanatontosana izany.

Hiarahana amin'ireo mpanoratra sy mpandika teny avy ao amin'ny fiarahamonina GV ihany koa ny Fihaonana. Maniry ny hizara ny traikefany izy ireo sy hihaino tolo-kevitra hanaovana tetikasa avy amin'ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana. Fanampin'izany, hifantoka amin'ireto ny hetsika:

Raha liana te-handray anjara ianao, mifandraisa amin'i Sopheap na i Ramana, satria voafetra ny toerana. Afaka mandefa mailaka ihany koa ianao any amin'ny: rising [at] globalvoicesonline.org. Araho ny teny ifankafantarana #GVMeetup [6]mikasika izany sy ireo fihaonana hafa manerantany.