Fihaonan'ny Global Voices Any Phnom Penh, Kambodja

gv-meetup-logo-gvmeetup-400Taorian'ny fihaonana nahitam-pahombiazana nokarakarain'ny Global Voices tao Karachi, Kairo ary Kampala. Faly izahay manambara ny fihaonana manaraka izay hotontosaina ao Azia Atsimo-Atsinanana amin'ny 1 Desambra 2013 manomboka amin'ny 9 ora maraina ka hatramin'ny 1 folakandro. 

Hampiantranon'ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices Sopheap Chak (@jusminesophia) sy Ramana Sorn (@ramanasorn) ny fihaonana ka ao amin'ny Sithi Hub, #6, Lalana 264, Sangkat Chatumuk ao Phnom Penh no hanatontosana izany.

Hiarahana amin'ireo mpanoratra sy mpandika teny avy ao amin'ny fiarahamonina GV ihany koa ny Fihaonana. Maniry ny hizara ny traikefany izy ireo sy hihaino tolo-kevitra hanaovana tetikasa avy amin'ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana. Fanampin'izany, hifantoka amin'ireto ny hetsika:

  • Fanomezana topimaso amin'ny asa ataonay ao anatin'ny Global Voices, isan'izany ny Rising Voices, ny Advox, ary ny Lingua
  • Fizarana fomba ahafahan'ny vondrom-piarahamonina midadasika hifandray amin'ny Global Voices
  • Fampifandraisana ireo hetsika ho anaty tambajotra mba hahafahan'ireo mpandray anjara mizara vaovao mikasika ireo tetikasany manokana ara-dizitaly na hevitra ho aminà tetikasa
  • Firesahana izay dingana manaraka mba hanamoràna ny fampiasana tambajotra ao an-toerana an'olo-tokana sy fikambanana mampiasa fampahalalam-baovao an'olo-tsotra. Fampitomboana ny fampiasana ny media sosialy eo amin'ny asany, mifototra amin'ireo traikefan'ny mpanatrika hafa

Raha liana te-handray anjara ianao, mifandraisa amin'i Sopheap na i Ramana, satria voafetra ny toerana. Afaka mandefa mailaka ihany koa ianao any amin'ny: rising [at] globalvoicesonline.org. Araho ny teny ifankafantarana #GVMeetup mikasika izany sy ireo fihaonana hafa manerantany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.