Fiovan'endriky Ny Kianja Mena: Veloma Ry Lenin. Arahaba Ry Louis Vuitton!

Louis Vuitton's Red Square installation, 26 November 2013, YouTube screenshot.

Fametrahana ny Kianja Mena Louis Vuitton, 26 Novambra 2013, Dikasary YouTube.

Tsy ny fasan'i Lenin intsony no ho tsangambato hijoalajoala ao amin'ny Kianja Mena any Maosko. Manomboka izao ka hatramin'ny 19 Janoary 2014, lasan'ilay dokambarotra Louis Vuitton manana haavo fito metatra izany voninahitra izany — famerenana ny vatabe iray amin'ny endriny tena izy [ru] novokarin'ilay Printsy Rosiana Wladimir Orlov, zato taona laza izay. Araka ny nambaran'ny lehiben'ny Louis Vuitton Eoropa Avaratra, fanantenan'ilay [ru] trano mpanao lamaody frantsay ny “haneho ny fihetseham-po lalina mampifamatotra ny LV sy Rosia.”

Kanefa, fihetsehampo amin'ny endriny azy manokana no namalian'ireo Rosiana bilaogera azy io, maneso ilay asa fanorenana ho toy ny tsy misy ‘tsirony’ no sady manao vazivazy ratsy hoe i Vladimir Putin—izay efa teo amin'ny fitondràna an'i Rosia hatramin'ny 1999 – no farafaharatsny efa eo “ampangoronana ny entany” ary miomana ny hanolotra ny fitondràna. Nivezivezy ety anaty aterineto ihany koa ireo fanontaniana mikasika ny hetra alaina amin'ny dokambarotra [ru] sy ny anjara toerana maha-manan-tantara ny Kianja Mena ary toerana hamoriana vahoaka hankalazana ny Taona Vaovao.

Ny tsy fahazàrana mahita valizy goavana be mijoro eo afovoan'ny Kianja Mena dia mazava ho azy fa nanome aina ireo sangy/tsaho maro isankarazany. Sary iray namboamboarina ary malaza, ny fasan'i Lenine notemerin'ireo bilaogera ny fango famantarana ny Louis Vuitton,  nanaingoany ilay Mozole ho toy ny valizin'ny Printsy Orlov.

Sarin'ny fasan'i Lenine, nampiasàna photoshop, noravahana ho toy ny valizy Louis Vuitton an'ny Printsy  Wladimir Orlov.

Vazivazy ratsy

Amin'ny fanesoana ilay fifanarahana fifampizaràna fahefana misy amin'ny “tandem” Putin sy Dmitri Medvedev, nivazivazy [ru] ao amin'ny Facebook ilay mpikatroka mafàna fo avy amin'ny mpanohitra, Olga Romanova :

Говорят, Владимир Путин строит на Красной площади новый мавзолей, в котором он и Дмитрий Медведев будут лежать по очереди.

Lazain-dry zareo fa nanangana mozole vaovao eo amin'ny Kianja Mena i Vladimir Putin, ka hifandimby hampiasa azy izy sy Dmitri Medvedev.

Ny hafa nahita ny hoe ireo kojakoja fitondra mandeha lavitra dia manambara ny fiheveran'i Putin hametra-pialàna amin'ny maha-filoha.

Ilay valizy ngezabe ao amin'ny Kianja Mena dia fanambaràna avy hatrany ny tetika atsy ho atsy avy amin'ireo mipetraka ao amin'ny Kremlin.

Efa manomboka mampirina ny valizin'i Putin ry zareo. Hatreto, mbola eo amin'ny Kianja Mena no natao. Amin'ny manaraka, hotarihan-dry zareo ho any amin'ny tobin'ny fiarandalamby.

Maro amin'ireo olona manoratra ety anaty aterineto no mbola mahatadidy ny tantara ratsin'ny hetsi-panoherana Petr Pavlensky teo amin'ny Kianja Mena tany ampiandohan'ity volana ity,  fony namàntsika ny kitapom-bihiny teo amin'ny rarivato ity artista niboridana ity. Tao anaty lahatsoratra iray ao amin'ny LiveJournal, nitanisa [ru] hirahiran'ankizy nalaina tany amin'ny vanim-potoana faha-Sovietika ilay voaiben'ny Aterineto Anton Nosik, niaraka amin'ny fanamarihana hoe mampihena lanja ny fampisehoan'i Pavlensky ilay valizy Louis Vuitton :

Так что, видимо, при решении вопроса о благоустройстве Красной площади размер имеет значение.

Araka izany dia tahàka ny tsy dia olana loatra ny habeny, raha vao resaka fanomezana endrika ny Kianja Mena no resaka.

Tamin'izay nosoratany tao amin'ny Twitter, Mark Feygin mpisolovavan'ny Pussy Riot teo aloha dia niampanga ny manampahefana ao Rosia ho mihatsaravelatsihy amin'ny fanenjehan-dry zareo ny Pussy Riot sy Pavlensky, efa hita izao fa tsy manintona ny endrika anànan'ilay zavatra nataon'ny Louis Vuitton :

Ny olona mametraka valizy eo amin'ny Kianja Mena dia ireo izay milanja izany ihany mba hanomezana moraly mikasika ny fandihizana any anaty Katedraly sy ny vihy mifantsika amin'ny làlana vita rarivato.

Nahita fomba iray ilay mpampiasa Twitter, VRebyata, hampifandraisana ilay valizy LV amin'ireo hetsi-panoherana vao haingana tao Kiev, toerana nifamorian'ireo Okrainiana maherin'ny 100.000 tao tsy ela akory izay mba hanohitra ny fanapahan-kevitry ny filoha Viktor Yanukovich hisintona amin'ny fifanarahana iray hirosoan'i Okraina lalindalina kokoa ao anatin'ny fiombonambe Eoropeana. Mivazivazy momba ny fandrebireben'i Putin an'i Okraina mba hialàna amin'ilay fifanarahana Eoropeana, nibitsika i VRebyata hoe :

Noho ny fangatahan'i Vladimir Putin dia efa nandany iny herinadnro lasa iny tao anatin'ilay valizy be Louis Vuitton tao amin'ny Kianja Mena i Viktor Yanukovich, namerimberina sahady ny fampisehoana nataon'ilay artistaPavlenski..

Tsy misy tokony hihomehezana

Ao anatin'ny gazety mivoaka ety anaty aterineto, Slon.ru, Ekaterina Vinokurova, mpanao gazety dia nanoratra lahatsoratra fanehoankevitra amin'ny fomba feno eso [ru] mikasika ilay dokambarotra LV, saingy natontony ho any amin'ny Facebook ny tena hatezerany. Lotika amin'ny hoe fanomezana natolotr'ireo manampahefana ao Kremlin ho an'i Antoine Arnault, filohan'ny Louis Vuitton, ilay asa fanorenana manontolo, dia nanoratra [ru] i Vinokurova hoe :

[…] Оказывается, что всесильный ГУМ согласовал все с ФСО и управдлами президента. Для чего это надо? Для того, чтобы 29 числа приехал жирный боров Арно из холдинга, к которому LV относится и с 15 другими жирными боровами там поужинал. То есть наша власть разрешила испоганить главную площадь страны на неделю ради 15 жирных боровов, чтобы они с помпой трюфелей пожрали. […]

[…] Toa sahala amin'ny hoe nankatoavin'ny GUM [ilay toeram-pivarotana goavana sy matanjaka] , niaraka tamin'ny  Sampan-draharaha Federaly misahana ny Fitandroana Filaminana ary ireo manampahefana mpanatanteraka ao amin'ny fiadidiana lapam-panjakana. Fa inona àvy no nilàna an'io? Dia ny mba ho, amin'ny 29 Desambra, hahatongavan'ilay rangahy vondraka be Arnault avy ao amin'ny Louis Vuitton aty [Maosko] ary hiara-hisakafo miaraka amin'ireo 15 hafa, vondraka toa azy. Midika hoe, neken'ireo mpitarika antsika ny hanimbazimbàna ilay kianja masin'ny firenena mandritra ny herinandro, noho ny tombontsoan'ireo 15 vondraka ireo, mba hahafahan-dry zareo mihinana holatra mainty amim-piravoravoana sy tsy ankitsitsy  ..

Ho an'ny Maoskovita sasany, tsy dia misy atahorana loatra ho an'ny kolontsaina Rosiana ny fametrahana io Louis Vuitton io raha oharina amin'ny resaka demaografika/isan'ny mponina ao amin'ny firenena, izay tato anatin'ny taona vitsivitsy dia nanova endrika ny fomba fihaingon-drazana rehefa fotoanan'ny fankalazàna Taona Vaovao eo amin'ny Kianja Mena.

Sary maneho olona avy ao Azia Afovoany mankalaza ny Andron'ny Taona Vaovao tao Vladivostok, 1 Janoary 2013..

Nanoratra tao amin'ny Facebook, nitaraina i [ru] Alexey Prikhodko hoe efa ‘navelan'ireo’ Rosiana sahady ho an'ireo Tajik mpifindra monina ny renivohitry ny fireneny:

[…] Защитники же детей и исторического облика столицы – лицемеры […]. Какие дети его там могут увидеть в Новый Год? Таджикские разве что. […]

[…] Mpihatsaravelatsihy ireo mpiaro ny ankizy sy ny fomba fiseho nentim-paharazana […]. Zaza manao ahoana no afaka hahita [ilay valizy be] amin'ny alina mialoha ny Taona Vaovao? Ireo Tajiks irery ihany. […]

Tsy Prikhodko no voalohany tao amin'ny RuNet nimonomonona mikasika ny fitomboan'ny isan'ireo tsy Rosiana manatrika ny fety fankalazana ny Taona Vaovao. Amin'ity taona ity, efa nahasarika mpitsidika marobe sy fifantohan-tsaina amin'ireo fety fankalazana ao Maosko sahady ireo asa fanorenan'ny Louis Vuitton ao amin'ny Kianja Mena. Tamin'ny taona lasa, nampirehidrehitra adihevitra tao amin'ny Livjournal ny fankahalàna vahiny nahazo ireo Ozbeka sy ireo hafa avy ao Azia Afovoany, mikasika ny fahatongavan'ireo mpifindra monina mankalaza fety erak'ireo tanàna hatrany amin'ireo lavitra toa an'i St. Petersburg sy Vladivostok [ru]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.