- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihamafy Ny Fihenjanana Diplaomatika Ao Amin'i Indonezia sy Aostralia Vokatry Ny Fihainoana Resaka An-telefaona

Sokajy: Azia Atsinanana, Oseania, Aostralia, Indonezia, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
Indonesian activists hold a demonstration denouncing the alleged wiretapping conducted by Australia in Indonesia. Photo by Akbar Gumay, Copyright @Demotix (11/21/2013)  [1]

Nanao fihetsiketsehana ireo Indoneziana mpikatroka mafàna fo hiampangàny ny antsoiny hoe fihainoana resaka an-telefaona ataon'i Aostralia amin'i Indonezia. Sary an'i Akbar Gumay, Fizakàmanana @Demotix (11/21/2013)

Nipoaka ny disadisa diplaomatika eo amin'i Aostralia sy Indonezia taorian'ny namoahan'ilay mpanome vaovao avy ao amin'ny  NSA , Edward Snowden, ho fanta-bahoaka fa nanara-maso ireo “proxy” sy findain'ny filoha Indoneziana Susilo Bambang Yudhoyono ny Sampandraharaha misahana ny Fiarovana ny Fifandraisana ao Aostralia (DSD) efa ho 15 andro raha kely indrindra tamin'ny 2009.

Ho setriny, hatsahatr'i Indonezia ny fiaraha-miasa ara-tafika sy fitsikilovana manomboka amin'ny taona hoavy ankoatry ny fampodiana ny masoivohony any Aostralia. Endrika fiaraha-miasa diplaomatika iray hafa voakasika amin'izany ny fisamborana ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna [2] avy any Aostralia sy ny famotsorana arahana fepetra an'i Schapelle Corby [3], Aostraliana iray voampanga noho ny fanapariahana zavamahadomelina any Bali.

Tato anatin'ny andro vitsivitsy dia lasibatr'ireo mpanao hetsi-panoherana ny Masoivoho Aostraliana ao Jakarta, dia ireo izay manameloka ny fanaraha-maso nataon'ny governemanta Aostraliana [4] ho toy ny fihetsika manohintohina ny fiandrianam-pirenen'i Indonezia. Nodoran'ireo mpanao hetsi-panoherana ny saina Aostraliana sy ny sarin'i Tony Abbott praiminisitra.

Nampiasain'ireo fikambanana Silamo ihany koa ilay olana mba hanamafisan'izy ireo ny fanakianany an'ireo hery Tandrefana. Ohatra, maro ireo Indoneziana mpampiasa ny “Path” no nanaparitaka fanambatambarana sary ho entina mandravaka ny hadrohadron'ireo mpanao hetsi-panoherana

demo kedubes australia

Fanambatambarana sary iresahana fakàna an-tsaina ny mety ho resaka nifanaovan'ny filoha Amerikana Barrack Obama sy ny PM Aostraliana  Tony Abbot mikasika ilay fandoroana saina teo anoloan'ny Masoivoho Aostraliana tao  Jakarta. Avy amin'i Wasis Gunarto, mpampiasa Path.

Nanafika [5] tranonkala maro an'ny governemanta Aostraliana ihany koa ny andianà mpijirika antsoina hoe “Anonymous Indonesia” tamin'ny herinandro lasa iny ka tafiditra tao anatin'izany ny Australian Federal Police (AFP), ny Royal Australian Air Force, ary ny Australian Reserve Bank (ARB).

Mandritra izany, nisy hafatra iray nivezivezy tao Jakarta naely tamin'ny alàlan'ny Blackberry Broadcast Message izay niantsoana irao mpitaingina moto mba hampaneno ny anjomarany in-telo rehefa mandalo eo anoloan'ny Masoivoho Aostraliana ho mariky ny fanoherana:

“Untuk menujukan Protes terhadap Australia yang telah melakukan penyadapan kepada Pemerintahan Indonesia mari kita lakukan protes kepada mereka dengan MEMBUNYIKAN Klakson Mobil atau Motor anda 3 X jika melintas di depan KEDUTAAN BESAR AUSTRALIA …”

Ho fanehoana ny fanoherantsika an'i Aostralia izay nihaino ny antso an-telefaon'ny governemantantsika, aleo hampahafantarintsika azy ireo amin'ny alàlan'ny fampanenoana in-telo ny anjomaran'ny fiara na moto rehefa ilay ianao mandalo eo anoloan'ny Maosivoho Aostaliana iny indrindra

Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ireo fanehoankevitra tao amin'ny Twitter mikasika ilay tantara ratsin'ny fihainoana antso an-telefaona:

Tsy hoe fotsiny mila arovana amin'ny resaka fihainoana antso an-telefaona ny findain'i Susilo Bambang Yudhoyono (SBY). Ny tsirairay mihitsy no mila manana ny fiainany manokana amin'ny resaka fifandraisana. Na iray aza amintsika tsy misy te-hohainoana, sa tsy izany?

Tsy azo lavina koa ny mety haha-karazan-dalao an'ity resaka fihanoana an-telefaona iarahana amin'ny Aostralia ity an, mba hampakarana ny lanjan'ny fitantanan'i SBY alohan'ny hahataperan'ny fotoam-pitondràny

Mitory tahotra sy sahotaky ny mpiasan'i SBY ity (tantara ratsy ity), satria isan'ny olona arahana maso ny Vehivavy Voalohany, Ani Yudhoyono, vadin'ny filoha.

Tsy maintsy inaoantsika fa handresy ny marina. Ny fotoana no hilaza izany. WikiLeaks: SBY manararaotra ny fahefany http://t.co/97KGWPI0JL [11]

Mandritra izany, Mark Textor mpanao tetikady fampielezankevitra sady mpanolotsain'i Tony Abbot, nibitsika fanehoankevitra iray mirefarefa amin'ny tany mampitaha ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Indoneziana, Martin Natalegawa, amin'ilay kintan'ny filalaovana sarimihetsika vetaveta tamin'ny taona 1970. Nandefa fialantsiny [14] iray noho io bitsika manafintohina nalefany io i Textor ary nanakatona ny kaontiny Twitter avy eo.

Nanaraka ny fanamarihan'i Textor, nandefa  fitsampankevitra [15] ny tranonkala Filipiana Interaksyon hanontaniana ny olona hoe iza ilay Filipiana kintan'ny sarimihetsika ho an'olon-dehibe tamin'ny 1970 mitovy amin'Atoa Natalegawa.