- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vetivety Dia Manjavona Ireo Mpanao Tofu Mahaleotena Ao Japana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Sakafo, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina
Traditional tofu maker [1]

Magazain'ny mpanao tofu, izay sady mikarakara no mivarotra  tofu. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, sawako (CC BY NC ND 2.0)

Nitatitra [2] [ja] ny gazety Yomiuri ao Japana vao haingana fa eo an-dalam-paharinganana ireo mpanao tofu nentim-paharazana ao amin'ny firenena izay mamokatra tofu ao amin'ny magazainy sy mivarotra izany. Araka ny voalazan'ny lahatsoratra, mpanao tofu 5000 no nanakatona ny orinasany tao anatin'izay folo taona izay.

Nanazava ny gazetin'ny indostrian'ny Tofu Toyoshimpo [3] [ja] fa mihena isan-taona ny isan'ireo mpanao tofu, ary latsaky ny 10 000 sisa ireo mpivarotra tofu ao Japana ankehitriny.

Misedra olana ireo mpamatsy tofu tsy miankina noho ny fiakaran'ny vidin'ny sôzaha. Mitaky vidiny mora kokoa any amin'ireo mpanao tofu ireo magazay lehibe sy mpivarotra enta-madinika, ary mifaninana mamokatra tofu maro amin'ny vidiny mora ireo mpanao tofu mahaleotena ao anatin'ny tsy fisian'ny fitomboan-karena nefa fiakaran'ny vidin-javatra (stagflation) [4] ao Japana izao.

Nampisy akony tao amin'ny ​​Twitter izany vaovao izany, ka nahatsiahy ireo mpanao tofu any amin'ny fiarahamonina misy azy sy naneho hevitra momba ny toetoetry ny indostria ny mpiserasera.

Miahiahy ny Mpanao gazety Shoko Egawa teo ampanoratana izany vaovao izany:

Hoy ny tatitra: «Mitombo ny fifaninanana amin'ny vidin'ny tofu, ka misedra olana ireo mpanao tofu. Raha tsy mijery indray izay tokony ho vidiny ireo mpanao tofu na mivarotra izany eny amin'ny magazay lehibe dia ho ringana.” Olana izany ankehitriny! -Manakatom-baravarana ireo mpanao tofu, ary milaza fa tsy mahazo tombombarotra na dia mivoha 365 andro aza

Mpisera Twitter, Kiwi Shiroyama toa mahatsiaro miraviravy tanana, ary naneho hevitra anaty fangirifiriana fa na dia eo aza ny ezaka manokana nataony ho fanohanana ireo vondro-piarahamonin'ny mpanao tofu amin'ny alalan'ny tsy fividianana tofu any amin'ireo magazay goavana mivarotra tofu, dia tsy nisy akony akory izany:

Aleoko niezaka nitsidika ireo magazay kely ao an-toerana toy izay ireny magazay lehibe ireny, kanefa nanakatona ny orinasany ilay mpivarotra tofu ao an-toerana fividianako -Manakatona ny orinasany ireo mpanao Tofu, ary milaza fa tsy mahazo tombombarotra na dia mivarotra mandritra ny 365 andro aza-

Tofu seller [9]

Magazay mivarotra tofu, sary avy amin'ilay mpisera Flickr, vintagecat (CC BY-NC-ND 2.0)

Nanoro-hevitra i Hiroko Inagaki fa tokony hijery tsara ny voka-dratsin'ny tofu amin'ny vidiny mora ny olona:

Hafahafa tokoa ny mahita tofu mora vidy kanefa miakatra ny vidin'ireo vokatra sasany. Mety hitarika any amin'ny olana ara-tsakafo ny fampidinana vidin-javatra amin'ny tsy tokony ho izy. Mahafinaritra foana ny mahita vidin-javatra mora, saingy tokony ho afa-manopy maso lalina amin'ny mariky ny vidiny isika ary mijery izay ao  ambadik'izany. -Manakatom-baravarana ireo mpanao tofu, ary milaza fa tsy mahazo tombombarotra na dia mivoha 365 andro aza-

Home made tofu store [12]

Mpanjifa mitsidika mpanao tofu ao Tsukishima, Tokyo, mba hividy tofu. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr, urawa (CC BY 2.0)

Mpisera Twitter Don Uworry nangataka tamin'ireo mpanamboatra tofu mba hampiakatra ny vidiny:

Ry namana mpanamboatra tofu, ajanony ny mifaninana amin'ny vidiny mora ary manamboara tofy matsiro, mahasalama sy misy ronono sôzaha vokarina ao Japana amin'ny vidiny lafo kokoa. Mividy izany isan'andro aho. – Manakatona ny orinasa  fivarotany ireo mpanamboatra tofu, ary milaza fa tsy mahazo tombombarotra na dia mivoha 365 andro aza-

Tofu lined up in glossary store [15]

Hita eny amin'ny fivarotana enta-madinika ireo karazana tofu, saingy tsy hita intsony ireo fianakaviana mpivarotra tofu tsy miankina izay sady manamboatra no mivarotra. Sary avy amin'i shibuya246, mpisera flickr (CC BY-NC 2.0)

Atsuko Momoi mirary ny tsara indrindra ho an'ilay mpanamboatra tofu ankafiziny indrindra:

Mino aho fa hijanona ao amin'ity sehatra ity mandrakizay ilay mpanamboatra tofu ankafiziko indrindra. Mifahatra amin'izy ireo aho satria sady tsara no manam-panahy ny tofu ataon'izy ireo. -Manakatona ny orinasa fivarotany ireo mpanao tofu, ary milaza fa tsy mahazo tombombarotra na dia mivoha 365 andro aza-

Chieda Aritake nitantara olom-patany momba ny vaovao ratsy mahazo ireo mpanamboatra tofu:

Mpanamboatra tofu ny fianakaviako taloha, saingy nikatona avy hatrany raha  vao maty ny renibeko. -Manakatona ny fandraharahany ireo mpanamboatra tofu, ary milaza fa tsy mahazo tombombarotra na dia mivoha 365 andro aza-

tofu store owner [20]

Mpanamboatra tofu. Fitaovana fanamboarana tofu ireo aoriany ireo. Sary tao amin'ny Flickr, Morpheus (CC BY 2.0)

Mpisera ASTORA_11105 nanoro-hevitra ireo mpanjifa mba hitsinjara tsara izay omen-tsiny noho ny toe-draharaha mafy misy ireo mpanao tofu:

Mino aho fa diso ny olona satria nanome tsiny ny toekarena ratsy ary manao tsirambina amin'ny fandoavana ny vidiny sahaza. Mila mahafantatra ny olona fa raha tsy avelan'izy ireo hahazo tombony amin'ny zavatra ataony ny mpanamboatra tofu, dia hisampotina hanangatra any amin'ny mpanjifa indray. -Manakatona ny fandraharahany ireo mpanao tofu, ary milaza fa tsy mahazo tombombarotra na dia mivoha 365 andro aza-

Hajiantsarin'i Japanese tofu [23] (CC-BY 2.0) nalain'ilay mpisera Flickr, www.bluewaikiki.com