
Ireo ankizy ao amin'ny sekolin'i Jesús María Olaso ao Caracas, Venezoelà. Sary an'i Marino Gonzalez ao amin'ny Flickr, nampiasàna ny Creative Commons (CC BY-NC-ND-2.0)
Nanambara [es] ny fananganana Minisitra Lefitra iray misahana ny Hasambarana Faratampon'ny Vahoaka Venezoeliana ny Filoha Nicolás Maduro. Mandrindra ireo asa ara-piarahamonina maherin'ny 30 izay niforona hatramin'ny nakan'ny filoham-pirenena teo aloha, Hugo Chávez, ny fitondrana no tanjon'ny Minisitra Lefitra. Nanazava [es] koa i Maduro fa nomeny anarana hoe “ho voninahitr'i Chavez mpitarika anay sy ho an'i [Simón] Bolívar“, izy io.
“Paikady marobe mirona amin'ny fiantohana ireo zo fototry ny vahoaka no sahanin'ireo Asa Ara-piarahamonina ireo ao Venezoela, izy manome lanja ireo sehatra ara-piarahamonina sy ara-toekarena natao tsinontsinona fahizay”, araka ny nazavaina tao amin'ny vohikalan'ny PDVSA (Petróleos de Venezuela, S.A., na ny Solitany ao Venezoelà amin'ny teny Anglisy), fikambanana iray izay manohana ara-bola ny maro amin'ireo asa ireo.
Andro vitsy lasa izay, nanadihady [es] ny Sosialy sy ireo Asa sosialy any Venezoelà i José Luis Tapia Sandoval tao amin'ny bilaogy Práctica Democrática (Fampiharana ara-demôkratika). Araka ny voalazan'i Tapia, “mizotra aminà làlana fifamenoana ireo asa ireo, farafaharatsiny eo amin'ny sehatry ny rafitra, ary baikoin'ny fotokevitry ny fahamarinana, ka mikatsaka ny hamaha ny tsy fitoviana hatrany ifotony”:
Por lo que se ha discutido e investigado hasta el momento de las misiones sociales, por sus metodologías de abordaje, por la forma del financiamiento, y por la edificación de estructuras institucionales paralelas, pareciera que no es objetivo de las misiones resolver los problemas sociales del país en forma estructural, sino avocarse a las desigualdes más acuciantes de la población durante el tiempo que así lo exija, mientras se ejerce un esfuerzo simultáneo de mejoras en la cobertura y la calidad de las prestaciones sociales desde otras instancias del Estado y desde las políticas tradicionales.
Avy amin'izay niadiana hevitra sy nokarohana hatreto momba ireo iraka sosialy, avy amin'ny fomba metodolojikan-dry zareo, ny fomba hamatsiany vola azy io, ary avy amin'ny fananganana ireo fotodrafitrasa miray zotra aminy, dia tahaka ny tsikaritra ho tsy ahitàna fomba manaraka rafitra ho entina mamaha ny olana ara-tsosialin'ny firenena ny tanjon'ireo iraka ireo, fa toa mametraka ny tsindrim-peo ho amin'ny tsy fitoviana mianjady mafy manindry ny vahoaka mandritra ny fotoana takiany, raha ezaka iray indray mientana no natao mba hanatsaràna ny fandrakofana sy ireo tolotra ara-tsosialy avy amin'ireo masoivohom-pirenena hafa sy ireo politika nentim-paharazana
Fifangaroana ahiahy, esoeso ary fanambaniana no fanehoan-kevitra mikasika io asa notanterahana io ao amin'ny Twitter:
Viceministerio para la suprema felicidad de la bla bla bla bla bla (a.k.a Burocracia parasitaria)
— Emilia Lobo (@emilialoboq) October 24, 2013
Minisitra Lefitry ny Hasambarana Faratampon'ny blah blah blah blah blah (a.k.a. fitantanan-draharaha katsetsitra)
Crean un viceministerio para la suprema felicidad social… así de difícil es ser feliz en este país, que crean un organismo para eso
— Angie Contreras (@angie_contreras) October 24, 2013
Manangana minisitra lefitry ny hasambarana fara-tampony ara-tsosialy iray ry zareo… tena sarotra ny ho faly ato amin'ity firenena, ka dia manangana fikambanana iray ho azy io ry zareo
Un país donde la Guardia Nacional resguarda la venta de pollo, y se crea un “Viceministerio para la Suprema Felicidad Social del Pueblo”.
— Guillermo Amador (@modulor) October 24, 2013
Firenena iray izay hiarovan'ny Tafi-panjakana ny varotr'akoho, ary dia natsangana ny “Minisitra Lefitra misahana ny Hasambarana Faratampony Ara-tsosialin'ny Vahoaka”.
Pare de sufrir, que ahora tenemos un Viceministerio Para La Suprema Felicidad Social… A la medida de la Izquierda Disney, pues
— Sandra Caula (@scaula) October 24, 2013
Aza miferin'aina intsony, satria ankehitriny efa manana Minisitra Lefitra Ara-tsosialy msahana ny Hasambarana Faratampony isika… Hetsika Disney an'ireo antoko politika ankavia
“Alo? Viceministerio de la suprema felicidad? Estoy muy triste porque todos los dias los precios suben y matan a mas venezolanos cada dia”.
— Marco (@MarcoCFC) October 24, 2013
“Manao ahoana? Minisitra Lefitry ny Hasambarana Farantampony ve io? Tena malahelo be aho satria tsy mitsahatra miakatra isanandro ny vidin-javatra sady betsaka ireo Venezoeliana misy mamono isanandro”.
Imagino que la sede del Viceministerio de la Suprema Felicidad quedara en otro pais. #aquipensando
— enriqueta sanz (@arqsanz) October 24, 2013
Azoko sary an-tsaina fa ho an'ny firenena hafa ny biraon'ny Minisitra Lefitry ny Hasambarana Farantampony.
Amin'ny lafiny iray, tsy azo ialàna ireo fampitahana misy eo amin'ny boky Nineteen Eighty-Four an'i George Orwell :
Maduro crea el Viceministerio de la Suprema Felicidad del Pueblo (nombre como sacado de un libro de Orwell). Como no se nos ocurrió antes!? — LuisFelipe SanMartín (@sanmartinLF) October 24, 2013
Manangana Minisitra Lefitry ny Hasambarana Farantampony ho an'ny Vahoaka i Maduro (anarana iray izay mampitambolona ny bokin'i Orwell). Nahoana isika no tsy nieritreritra io taloha!?
En neolenguaje de régimen totalitario vzlno creado Minfel (ministerio de la felicidad). Próximos: Minver (de la verdad); Minamor (del amor)
— Johnny Romero G. (@jorogom) October 25, 2013
Amin'ny fiteny vaovaon'ny fitondrana Venezoeliana mpanao didy jadona, natsangana ny Minihap (minisitry ny hasambarana) Manaraka: Minitrue (ho an'ny fahamarinana); Miniluv (ho an'ny fitiavana)
El órgano estatal que regulará la escasez y la pelazón en Venezuela se llamará “VICEMINISTERIO DE LA SUPREMA FELICIDAD” .. Orwell lo predijo
— Arimeu Qojole (@ChapulinND) October 25, 2013
Ny masoivohom-panjakana izay handrindra ny tsy fahampiana sy ny fahantrana any Venezoela dia ho antsoina hoe “MINISITRA LEFITRY NY HASAMBARANA FARANTAMPONY”.. Efa voalazan'i Orwell io
Fanampin'izany, nanambara [es] ny anaran'ireo olona ho tompon'andraikitry ny Asa ara-piarahamonina ankehitriny ny Filoha Maduro, sady nanendry an'i Rafael Ríos izay mpikambana fahiny tao amin'ny kaongresy ho Minisitra Lefitra.