- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Yemen: Fitiavana Anaty Fotoan'ny Safotofoto

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Zon'olombelona

Tato ho ato dia tantaram-pitiavana vaovaon'i Romeo sy Juliette amin'ny endriny maoderina no nanototra ny tontolon'ny Twitter Yemenita izay ny mameno azy raha ny mahazatra dia ireo vaovao manahirana miresaka vono olona, famelezan'ny ‘drone’ na savorovoro ara-politika. Kanefa somary sarotra raisina sy niolana naka endrika nasionaly ilay tantara. Huda Abdullah Al Niran, Saodiana 22 taona no i Juliette, izay latsa-pitiavana tamin'ilay Yemenita mpiasa mpifindra monina, Arafat Mohammed Taher Al-Qadhi, 25 taona.

Nihaona voalohany tamin'i Arafat i Huda fony izy nandeha nividy finday tao amin'ny trano fivarotana iray tao an-tanànany, izay toerana iasan-dralehilahy. Latsa-pitiavana ny roa tonta ary taorian'ny nandàvan'ny fianakavian-drazazavavy ireo ezaka maro hangatahana azy tamin'ny fomba ofisialy mba ho vady dia nanapa-kevitra ny handositra tokantrano amboarina an-terisetra i Huda. Nitsoaka nankany Yemen izy tamin'iny volana lasa iny mba hanorin-tokantrano miaraka amin'i Arafat, ilay Yemenita nandrian'ny fony. Na izany aza, voasambotra tany amin'ny sisintany izy ary naiditra am-ponja. Androany, miatrika ny fiampangana azy ho niditra tsy nahazo alàlana tao amin'ilay firenena izy ary toy izay ihany koa i Arafat  izay voampanga ho nanampy azy hanatanteraka izany, na dia ora sivy taorian-dravehivavy aza izy vao niampita ny sisintany.

Ao anaty rakipeo nitafatafàna taminy, nakarin'ilay Saodiana Okaz Alyoum [1]on ao amin'ny Youtube tamin'ny 3 Novambra 2013, mitantara ny fomba nihaonany tamin'i Arafat i Huda, ny nahababo fitia azy ary ny nanapahany hevitra hitsoaka taorian'ny nandavàn'ny fianakaviany ny fangatahan-dralehilahy ny tànany ho tokantrano – satria fotsiny hoe Yemenita ralehilahy.

Belkis Wille, mpikaroka ao amin'ny Human Rights Watch (fanarahana maso ny zon'olombelona) nibitsika hoe  :

Ny fampodian'i Yemen an'i Huda dia mety hitondra any amin'ny fahafatesan-dravehivavy, Tsy maintsy manao izay rehetra azony atao ny UNHCR hitafatafàna aminy mba tsy ho tara loatra – http://t.co/JtIXgsUhbA [2]

— Belkis Wille (@belkiswille)  21 Novambra 2013 [3]

Androany ny UNHCR dia nanaiky hanome fialokalofana ho an'i [4] Huda, izay tandindonin-doza avy amin'ny fianakaviany raha averina mody any Arabia Saodita sy mody an-trano indray. Nanemotra ny famoahana didy mikasika ny raharahany ny fitsarana Yemenita tamin'ny Alahady (24 Nov. ) mandra-pahatongan'ny 1 Desambra.
Betsaka ireo mpitsetra sy mpanohana azy taorian'ny sedra nolalovan'ireo mpifankatia tao Yemen, anisan'ireny i Carlos Lattuf, mpanao sariitatra, izay naneho ny fanohanany :

Ny firaisankinako amin'i Huda sy Arafat , Romeo sy Juliette amin'ny endriny Saodiana. #Yemen [5] @theyementimes [6] pic.twitter.com/Oel6z980bM [7]

— Carlos Latuff (@LatuffCartoons) 24 Novambra 2013 [8]

Mandritra izany, eny an-kianja, an-jatony maro ireo olona nitangorona teo ivelan'ny efitrano fitsaràna nihiaka ny hoe : “Fitiavana alohan'ny sisintany sy zom-pirenena”

Yemeni supporters of the couple gathered in front of the court room to show their solidarity [9]

Yemenita mpanohana ireo mpifankatia, nitangorona teo anoloan'ny efitrano fitsaràna mba haneho ny firaisankinany.

Nanao fihetsiketsehana ireo andian'olona hitakiany ny tsy hitsaràna ilay raharaha ary hamelàna ireo mpifankatia hivady. Pejy Facebook iray mitondra lohateny hoe ” Huda sy Arafat daholo izahay” [10], no noforonina ho fanerena ankolaka ho amin'ny tombontsoan'izy roa. Hatreto dia efa manana mpitia maherin'ny12.000 izy io. Notaterina [11] ihany koa fa nanome trano ho azy roa ny Sheikh iray avy ao Yemen ary iray hafa nanome fanaka vitsivitsy fanao an-tokantrano.

Hahita tantaram-pitiavana tsara fiafàra amin'ity tantaranà Romeo sy Juliette Yemenita ity ve isika? Sa ho fiafaràna iray hafa mampalahelo sy mahaontsa?