An'aliny Tao Amin'ny Facebook Nitehaka An'i Javad Zarif Ilay Mpanao Fifanarahana Momba Ny Niokleary Tao Iran

Javad Zarif's Facebook profile

dikasary avy amin'ny mombamomba an'i Javad Zarif, Minisitry ny Raharaham-Bahiny

Iraniana an'aliny no nandefa fanehoankevitra fiderana tao amin'ny pejy Facebook-n'i , Javad Zarif, Minisitry ny Raharaham-Bahiny Iraniana androany nisaotra azy nahavita fifanarahana iray momba ny niokleary.

Ela ny ela, taorian'ny folo taona nanaovana fifampiraharahana, tonga taminà fifanarahana vonjimaika mikasika ny fandaharan'asa niokleary Iraniana i Iran sy ireo matanjaka erantany ny Alahady 23 Novambra 2013. Mamerina ny fahafahan'i Iran hiasa hanamboatra baomba niokleary ilay fifanarahana manankery mandritry ny enina volana, raha hohalefahana kosa ireo sazy ara-toekarena.

Representatives of Iran and 5+1 after striking a deal. on Sunday, November 24, 2013. Source: Irna

Ireo solontenan'i Iran sy ny 5+1 taorian'ny nahatongavana tamin'ilay fifanarahana. Ny Alahady 4 Novambra 2013. Loharano: Irna.

Na Tehran, na Washington dia samy nidera ilay fifanarahana avokoa, saingy nivoaka avy hatrany ny fahasamihafàna teo amin'ny fahatakaran'ny andaniny sy ny ankilany ny votoatin'ilay fifanarahana. Ny Sekreteram-panjakana Amerikana, John Kerry, niteny fa tsy milaza mihitsy ilay fifanarahana fa hoe afaka mampitombo hery ny uranium ampiasainy i Iran, raha i Hassan Rouhani, filoha Iraniana koa niteny fa eken'ilay fifanarahana ny “zo ara-nioklerain'i Iran,” tafiditra ao anatin'izany ny zo hampitombo hery ny Uranium.

Ety anaty aterineto, mifangaroharo ihany koa ny fanehoana fomba fijery an'ilay fifanarahana. Ary marobe ny Iraniana no tsy manadino ny fahaizany mihanihany any anatin'ireny fanehoankevitra ireny.

Ao anatin'ireny midera ilay fifanarahana ireny i Solmaz Naeemi izay nanoratra ho an'ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny ao amin'ny Facebook [fa]: “Hoy ianao hoe na isika miara-tafita, na isika miara-rendrika. Tafita niaraka isika.” Saffiye Noura niteny hoe [fa]: “Ity vaovao ity [fifanarahana niokleary] dia tsy maivan-danja noho ny fanafahana an'i Khormashar [tanàna iray voabodo nandritra ny ady teo amin'i Iran sy Irak, nafahan'ny Iraniana].”

Heverin'i Persain Banoo fa tsy maintsy hivalaketraka ankehitriny ireo fahavalon'ny Repoblika Islamika. Hoy izy nibitsika:

Azoko antoka fa nifamihina samy nitomany teo antsoroky ny andaniny sy ny ankilany i @netanyahu& MEK Maryam Radjavi filohanà sekta rehefa vita sonia ilay fifanarahana tao #Geneva #Iran

— Persian Banoo (@persianbanoo) 24 Novambra 2013

Behzad Parsa nibitsika [fa] tamin'eso hoe :

Na Uranium nampitomboina hery 5% aza tsy ahavitàntsika mandrehitra sigara akory, mainka fa hoe hanaovana baomba niokleary.

Saleh koa misalasala hoe ho afaka hampivoatra ny fiainan'ny vahoaka ilay fifanarahana niokleary ka nibitsika hoe [fa] :

Inona no tombontsoa ho an'ny Iraniana ao anatin'io fifanarahana io? [Tadidio] ahoana ny toeran'ny ara-toekarena talohan'ireo sazy

Tamin'ny fomba tsy dia misy fanantenana ihany koa, ilay bilaogera “Shahinsahr politik“, miteny hoe [fa] :

Dia inona izao no hataonao [Repoblika Islamika] amin'iny fifanarahana iny miaraka amin'ny vahoaka Iraniana….Heverinao ve fa noho io fifanarahana [niokleary] io, hanadino ny fitakiany sy ny heloka bevava nataon'ny fitondràna ny vahoaka ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.