
Rahona fotsy mirirandrirana eny amin'ny lanitra. Misy vorona tokana manidina. Sary avy amin'i Ashraful Alam, Baily Road, Dhaka. Nahazoan-dalana ny sary.
Manana vanim-potoana enina ny alimanaka Bengali, ka roa volana isaky ny vanim-potoana. Vanim-potoana Hemonto (হেমন্ত) no iainana amin'izao fotoana izao na fotoanan'ny maintany. Mandritra ity vanim-potoana ity, manana loko mihovitrovitra ny lanitra, manga ny faratampony ary loko fotsifotsy no manaloka ny hariva somambisamby, ary manafàna ny rivotra ny masoandro.
Toy izao no zava-nisy tamin'ny 17 Novambra 2013, hatsaran'ny lanitra mahavariana mandrakotra ny faravodilanitra eo ambonin'ny renivohitr'i Bangladesh, Dhaka. Nihanaka tahaka ny afomanga tao amin'ny media sosialy ny resaka mikasika izay hitan'ny maso ka nizara ireo sariny mahafinaritra tao amin'ny Facebook sy Twitter avokoa ny mpiserasera, ny sasany nampiasa teny ifankafantarana #Dhakasky. Na dia ny gazety aza mba nanasongadina ireo sary ihany koa.
Mpanao gazety sady bilaogera Simu Naser (@simunaser) nanoratra hoe:
বাপরে, নিউজফিড দেখে মনে হচ্ছে আজকাল সবাই কাজ কাম ফেলে আকাশের দিকেই তাকিয়ে থাকে। এটা ভালো।
— Simu Naser (@simunaser) November 17, 2013
Oay e. Mijery ny rojom-baovao, toa mivoaka mijery lanitra avokoa ny tsirairay ka mandao ny asany rehetra. Mahafinaritra izany.
Torongo (@ttorongo) nilaza hoe:
আকাশ দেখে মুগ্ধ হয়েছিলাম বিকেলে, নীল সাদার সুষম কম্বিনেশন পুরো আকাশ জুড়ে।এখন দেখি ব্যাপারটা অনেকেই দেখছে,#ঢাকাস্কাই হ্যাশট্যাগও দেখলাম
— Torongo M (@ttorongo) November 17, 2013
Gaga aho nahita ny lanitra androany atoandro, misy loko manga sy fotsy misoriadriaka eny amin'ny faravodilanitra. Toa nahamarika izany avokoa ny tsirairay. Nahita ny teny ifankafantarana #Dhakasky koa aza.
Shafiul Alam (@shafiulnub) nankafy ny volana ihany koa:
দিনের বেলায় জিরাম এট্টা আকাশ ছিল, এখন সিরাম এট্টা চাঁদ উঠছে।
— Shafiul Alam (@shafiulnub) November 17, 2013
Nandritra ny tontolo andro, mahafinaritra ny lanitra, amin'izao fotoana izao, ny volana indray no mangalatra manao fampisehoana.
Atif M Safi nisioka sary masoandro mody Instagram:
The beautiful #sky today at #sunset #cloud #skyviewers #dream_sunset #lifeisgood #godhuli @ Dhaka | ঢাকা http://t.co/2lXbtcz3CW
— Atif M Safi (@Atif_Safi) November 17, 2013
Ny hatsaran'ny #lanitra androany #masoandromody #rahona tao Dhaka
Nizara sarin'ny lanitra tao amin'ny Twitter ihany koa ny sisa hafa:
#Dhaka landscape #Bangladesh pic.twitter.com/yPvGOjxUME
— Ahmede Hussain (@ahmedehussain) November 17, 2013
Talaky mason'i #Dhaka
Bird of prey… Dhaka Sky #dhakasky (at Nitol-Niloy Tower) [pic] — https://t.co/2ewwpn7CvN
— Simon Templer (@thewickedsaint) November 17, 2013
Vorona fihaza…Lanitra ao Dhaka #dhakasky (ao amin'ny tranobe Nitol-Niloy)
Mpiserasera maro nandrakitra sary #Dhakasky. Navoakan'ny Global Voices indray ny sary sasany izay nahazoan-dalana:

Rahona manify mahafinaritra, tsara hanaovana papango taratasy. Sary avy amin'i Tanmoy Kairy, Dhanmondi, Dhaka.
Tao amin'ny YouTube, nizara lahatsary ahitana lanitra i Abhie Zibran:
http://www.youtube.com/watch?v=7aChOm691w8