- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARIPIKA: Tsinjaka sy Ankona Amin'ny Fiadian-Toerana Mondialy Ho Any Brezila

Sokajy: Afrika Mainty, Eoropa Andrefana, Alzeria, Borkina Faso, Cote d'Ivoire, Frantsa, Kamerona, Senegal, Tonizia, Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka

Notanterahina tamin'ny herinandro lasa teo [sy tamin'ity herinandro ity] ny lalao fanintsanana maharendrika na mahatafita ho any amin'ny Mondialy 2014 ho an'ny faritra Afrika sy Eoropa. Na dia averimberina matetika aza fa lalao fotsiny ihany ireny lalao ireny, ny fihetsika ataon'ny olona aloha sy aorian'ny lalao sasany no maneho fa misy zavatra hafa kokoa tian'ny rehetra hametrahana azy ireny.

Indreto ny fihetseham-po voarakitra amin'ny filma amin'ny efatra amin'ireo lalao maharendrika na mahatafita ireny, izay nampihinjakinjaka tanteraka an'i Alzeria, Côte d'Ivoire, Kamerona ary Frantsa, raha levona tanteraka niaraka tamin'ny kiririoka farany kosa ny fanantenan'i Burkina Faso, Senegal, Okraina ary Tonizia hitodi-doha ho any Brezila.

Alzeria vs. Burkina Faso

Tafita i Alzeria noho ny baolina farany tafiditra tamin'i Burkina Faso nandritra ny ora fanampiny.

Tratran'ny fintaintainan'ny Mondialy ny tangoron'olona tao Algers, araka ity sary hita ao amin'ny kaonty Twitter an'ny mpisera Bilel. ity :

Sary noraisina tao Alzeria, niroboka tanteraka izahay #AlgeriaanyBrezila lety a!

Nasian'ny bilaogera Alzeriana siran'hatsikana tamin'ny hafaliana tafita ho any amin'ny mondialy any Brezila:

Ny fifanenjanana nandritra ny lalao mandroso notanterahina tamin'ny 12 Oktobra no nitarika ireo mpanohana sasany namoaka ompa fanivaivana ara-poko tamin'ilay mpitsara mainty hoditra, araka ny hita amin'ireto pikantsarin'i Paulin Diasivi ireto:

Nandritra ny lalao nifanandrinan'i Burkina sy Alzeria, siokam-panavakavaham-bolonkoditra nataon'ny mpanohana Alzeriana

Côte d'Ivoire vs. Senegal

Tafiditra tao amin'ny lalao an-tsehatra ihany koa i Côte d'Ivoire rehefa nahavita nanakenda an'i Senegal tany Dakar 1-1 mba hahatafita azy. Nivandravandra tamin'ny alalan'ny dihy ny hafalian'ny ekipa rehefa nifarana ny lalao:

Vita, naharombaka ny fahatafitàny i Côte d'Ivoire taorian'ny lalao mampitaintaina 90 minitra, hizotra ho any Brezila ny Elefanta

Brezila, ho avy izahay

Kamerona vs. Tonizia

Tsy nampitaintaina loatra ny lalao nifanaovan'i Kamerona nandresy an'i Tonizia tamin'ny isa 4-1. Na izany aza, mbola misy ihany ny fifandirana kely raha nilaza i Tonizia fa misy Kameroney roa tsy tokony hilalao [13]. Fa mbola heniky ny rehareham-pandresena ihany i Yaoundé, renivohitra ara-toekaren'i Kamerona, taorian'ny fandresena:

Mizotra ho any amin'ny Fiadiana https://mg.globalvoicesonline.org/wp-admin/post.php?post=54612&action=editny amboara erantany i Kamerona

Noho ny fisian'ny fisintahana ara-politika misy any Tonizia, mety ho tsy dia malahelo loatra araka ny iheverana azy ny fihintsanan'ny ekipam-pireneny ny mpanohana sasany. Tsy tian'ny olona loatra ny governemantan'ny firenena any amin'ny fiarahamonina lahika ao an-toerana noho ny fepetram-pivavahana henjakenjana ao aminy, ka mety ho lasa jerena ho fandresen'ny governemanta ny fandresen'ny ekipam-pirenena eo amin'ny football : 

Kamerona 4-1 Tonizia, ny mpihatsara-velatsihy ao amin'ny “Twitter” mody malahelo nefa “ao an-trano”, falifaly…LOL 

Frantsa vs. Okraina

Frantsa no tanaty hantsana lalina indrindra hanihina mba hahatafitany taorian'ny fahareseny 2-0 nanoloana an'i Okraina tamin'ny lalao mandroso. Tao anaty fahagagana no nandresen'i Frantsa 3-0 tamin'ny lalao miverina, nitraka horakora-pifaliana tamin'ny mpanohana an'i Frantsa sy fahadisoam-panantenana teo amin'ny mpanohana Okrainiana:

Androany alina, nihovotrovotra ny Kianjabe! Saripika teny amin'ny mpijery #Brezila

Sarin'i Rueter izay namoaka azy teo anilan'ireo mpanohana Okraina nidona tamin'ny volamena