Ho Avy Ny Fihodinana Faharoan'ny Fifidianana Nandrasana Hatry ny Ela Teto Madagasikara

Mizotra mankany amin'ny fihodinana faharoa ny fifidianana ho filoham-pirenena eto Madagasikara. Nitsitaitaika ny fivoahan'ny valim-pifidianana hatramin'ny 25 Oktobra 2013 -ny voalohany hatramin'ny nisian'ny fanonganam-panjakana notohanan'ny miaramila tamin'ny 2009- fa ny vokatra farany dia mampiseho fa ny kandidà Jean-Louis Robinson dia nhaazo ny 21,1 isanjaton'ny vato, ary i Hery Rajaonarimampianina kosa nahazo ny 15,9 isanjato.

Efa napetraka ho amin'ny 20 desambra ny fihodinana faharoa. Heverina ho akaiky iny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay nahongana tamin'ny 2009, sy Andry Rajoelina, izay filohan'ny tetezamita amin'izao fotoana izao ireo kandidà roa ireo. Na Ravalomanana na Rajoelina dia samy voasakana tsy nahazo nirotsaka tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Efa nandrasana fatratra ny fifidianana, ary “nilamina tamin'ny ankapobeny” ny fandrotsaham-bato ka nihazakazaka nilaza ny fizotrany ho “malalaka sy mangarahara” ny mpanaramaso iraisampirenena, maro tamin'ireo tokony ho mpifidy no tsy afa-nandrotsa-bato noho ny olona teo amin'ny lisi-pifidianana, hoy ny tatitry ny allAfrica.com.

The two candidates remaining in the run off JL Robinson (left) and H  Rajaonarimampianina. Photo via Ta Ramses on Facebook (with permission)

Ireo kandidà roa izay hizotra ho any amin'ny fihodinana faharoa: Jean-Louis Robinson (ankavia) sy Hery Rajaonarimampianina. Saripika avy amin'i Ta Ramses ao amin'ny Facebook (nahazoana alalana)

Naneho ny heviny tamin'ny valim-pifidianana ny bilaogera. Lalatiana Pitchboule, nanoratra tao amin'ny bilaoginy [fr]:

Au cœur d’un bureau populaire lors de la soirée électorale, je peux témoigner de l’enthousiasme de nos citoyens vis-à-vis du processus. Et de leur respect des résultats. Magnifique illustration de démocratie populaire ou chaque bulletin annoncé faisait l’objet d’une joyeuse approbation.

Afa-nanatri-maso ny hafanam-pon'ny olom-pirenena nanoloana ny fizotry ny fifidianana aho tao amin'ny biraom-pifidianana be mpifidy iray. Afa-nanatri-maso ny fanajan'izy ireo ny voka-pifidianana. Fanehoana mamirapiratry ny demokrasia izay ahitana ny faneken'ny rehetra am-pifaliana ny filazana isaky ny vato tokana

Ny lahatsary avy amin'ny Tossoa Bacca mandravaka izany rivotra niainana tao amin'ny biraom-pifidianana izany [mg]:

Ny hafa niezaka ny manombana ny ho vokatry ny fihodinana faharoa raha mifototra amin'ny voka-pifidianana fihodinana voalohany:

#mdg2013: Sarintanin'ny vokatra isaky ny distrika izay ahafaha-maminavina izay mety ho vokatry ny fifidianana fihodinana faharoa… http://t.co/X1FT6qzOEc

#Madagascar: Tsy manana herijika ny ho lany mihitsy i JL Robinson. Hanao ny fomba rehetra hitazonana ny fahefana ny HAT [Fahefana Avon'ny Tetezamita].

Efa milaza mialoha ny hisian'ny krizy hafa sahady ny fanehoan-kevitra sasany, araka ny notaterin'ny Radio France Internationale [fr]:

tous les ingrédients d’une nouvelle crise sont d’ores et déjà présents : des institutions peu fiables, une élection organisée à la va-vite sans le préalable d’un contexte apaisé… D’ailleurs, plusieurs candidats ont demandé l’annulation du premier tour. L’un de ses propres alliés a accusé le candidat d’Etat, Monsieur Hery Rajaornarimampianina, d’avoir enfreint les règles et a exigé sa disqualification ! Les exemples de contestation de la sincérité du vote sont légion. Dans ce contexte, si le candidat d’Etat devait remporter au deuxième tour, il n’aurait jamais la légitimité nécessaire pour asseoir son autorité présidentielle.

Il n’y a aucune chance que le candidat de l’opposition gagne les élections car ceux qui tiennent l’Etat aujourd’hui feront tout pour garder le pouvoir. Le « ni-ni » (ni candidature de Rajoelina ni celle de Ravalomanana) a été une énorme erreur, comme les résultats du premier tour le montrent. Les électeurs ont remis en selle les deux camps qui étaient responsables de la crise de 2009 et ont éliminé tous ceux qui se revendiquaient de la troisième voie

Efa vonona daholo indray ny pitsopitsony rehetra hahatongavana amin'ny krizy vaovao: andrim-panjakana tsy azo itokisana, fifidianana nomanina tao anaty fikoropahana tsy ao anaty toe-draharaha milamina… Efa hita rahateo fa maro ireo kandidà no mitaky ny hanafoanana ny fihodinana voalohany. Misy mpiara-dia aminy ihany no miampanga ny kandidàm-panjakana, Atoa Hery Rajaonarimampianina, ho mandika ny fitsipika ka mitaky ny fanesorana azy! Maro dia maro ny ohatra manohitra ny fangaraharan'ny fifidianana. Ao anatin'izany toe-draharaha izany, raha tsy maintsy handresy amin'ny fihodinana faharoa ny kandidàm-panjakana, dia tsy hahazo ny rariny ilaina hametrahany ny fahefana mahafiloha azy.

Tsy misy mihitsy ny herijika hahalanian'ny kandidàn'ny mpanohitra ny fifidianana satria tsy maintsy hanao ny fomba rehetra hitazonany ny fahefana ireo mitazona ny fanjakana amin'izao fotoana izao. Fahadisoana goavana ilay sady tsy Rajoelina no tsy Ravalomanana, raha jerena ny vokatry ny fihodinana voalohany. Naverin'ny mpifidy amin'ny toerany ireo tompon'andraikitra tamin'ny krizin'ny taona 2009 ary nahintsany ireo mitady ny lalana fahatelo.

Mandritra izany fotoana izany, na dia mipetraka aza ny lalam-pifidianana mandrara ny filohan'ny tetezamita tsy hanohana mivantana kandidà iray, dia nohamafisin'i Andry Rajoelina ampahibemaso ny fanohanany an'i Rajaonarimampianina, izay minisitry ny tetibolany teo aloha. Nitatitra ny Radio France Internationale [fr]:

“Jean-Eric Rakotoarisoa, professeur de droit à l'Université d'Antananarivo, le confirme : « Ce soutien d'Andry Rajoelina peut amener à la disqualification d'Hery Rajaonarimampianina. Pour ça, il faudrait que la Cour électorale spéciale [CES, ndlr] soit saisie d'une requête, et quelle détermine si, dans les faits, Hery Rajaonarimampianina a bénéficié, ou bénéficie, du soutien d'Andry Rajoelina. »

Manamafy izany Atoa Jean-Eric Rakotoarisoa, Mpampianatra Lalàna ao amin'ny Oniversiten'Antananarivo : “Ahafahana manaisotra an'i Hery Rajaonarimampianina io fanohanan'i Andry Rajoelina io. Hahatongavana amin'izany, tsy maintsy ametrahana fitakiam-pamotorana ao amin'ny Fitsarana Manokana momba ny Fifidianana ka anjarany ny mamaritra raha tena nahazo na mahazo fanohanana avy amin'i Andry Rajoelina tokoa i Hery Rajaonarimampianiana”.

Ny mpanao gazety Sébastien Hervieu nitatitra ny fihetseham-pon'ny kandidàn'ny mpanohitra tamin'ity fanohanana malaza nefa tsy nampoizina ity [fr]:

Nilaza tamiko i Robinson Jean Louis tamin'ny zoma fa hitaky ny fialan-dRajoelina raha manohana kandidà amin'ny fomba ofisialy

Susanne nampitaha ny fotoam-pifidianana teto Madagasikara amin'ny Fetibe an-dalambe:

“In Madagascar voting is not so obvious. The are no political parties. No election manifestos. No ideology, no left- or right-, or center, no Republicans or Democrates [sic]. It's hard to make an informed choice if you can not [sic] compare programs. So how can a candidate capture a voter's attention? With T-shirts. Many t-shirts. And songs. One candidate is called Sylvain. His slogan is “Sylvain sur vingt” (quite funny). His song is brilliant: Bye Bye unemployment, bye bye famin[e], bye bye disease.  To me, half of the songs sounds like straight from church, the others like Caribbean carnival hits. Some candidates even dress like calypso artists.”

Tsy miharihary loatra izany hoe hifidy izany eto Madagasikara. Tsy misy antoko politika. Tsy misy fandaharan'asam-pifidianana. Tsy misy foto-kevitra, tsy misy ankavia na ankavanana na afovoany, tsy misy repoblikana na demaokraty [sic]. Sarotra ny ahafahana mametraka safidy mazava rehefa tsy afa-mampitaha programa ianao. Fa ahoana no isintonan'ny kandidà iray ny mpifidy hitodika any aminy ? amin'ny alalan'ny T-shirts. T-shirts bobaka. Sy ny hira be dia be. Misy kandidà iray antsoina hoe Sylvain. Ny tarigetrany dia hoe “Sylvain sur vingt” (mampihomehy mihitsy). Hafa mihitsy ny hirany : Bye Bye tsy fananan'asa, bye bye hanoanana, bye bye aretina. Amin'ny fihainoako, ny antsasak'ireo hira ireo dia tahaka ny avy any am-piangonana, ny hafa kosa tahaka ny avy any amin'ny fetibe an-dalamben'i Karaiba. Misy aza moa ny kandida no miakanjo tahaka ny mpihiran'i calypso

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.