[Mankany amin'ny pejy habaka miteny Espaniola avokoa ny rohy rehetra, raha tsy misy ny fanamarihana hafa.]
Mpanakanto graffiti an-jatony no nanao fihetsiketsehana milamina rehefa nandre fa nambenan'ny [en] polisy ilay mpihira Kanadiana Justin Bieber mba ahafahany manoratra graffiti eny ambanin'ny tetezana eo amin'ny lalambe faha-26 ao Bogota, faritra voaràra araka ny voafaritry ny Didy hitsivolana 75 izay mifehy ity fanao ity ao anatin'ny tanàndehibe. Nahatsiaro an'ilay mpanakanto graffiti Diego Felipe Becerra ireo mpanao fihetsiketsehana, izay voalaza fa novonoin’ [en] ny polisy manampahefana [en] tamin'ny 19 Aogositra 2011.
“Mpiambina efatra sy fiaran'ny polisy caravan no nandrafitra ireo andiam-polisy nanaraka an'i Justin Bieber ny alin'ny 29 Oktobra, taorian'ny fampisehoana tao El Campin, dia nisy jiro hafahafa karazana nanazava ny “fialam-boliny vaovao»: manoratsoratra amin'ny rindrina”, hoy ny nofaritan'ilay mpanao gazety Adriana Mejia mikasika izay nitranga io alina io tao amin'ny habaka Las 2 orilla:
Cuarenta metros de muro, en la 26, fueron justo lo que necesitaba para autografiar la ciudad: Justin Bieber. ¡Vaya arte! ¡Vaya intervención! ¡Vaya mensaje! ¡Vaya ego! Y vaya oso el de la Policía que no se atrevió a impedir que el muchacho caprichoso fungiera de pintor de ocasión mientras lograba conciliar el sueño. Menos mal lo protegieron, no fuera que algún patrullero despistado en asuntos de farándula lo hubiera tratado como a cualquier grafitero de vecino: de muy malas maneras, para no entrar en detalles. Y ahí sí, Bogotá hubiera hecho correr tinta en la prensa internacional.
Efa-polo metatra amin'ny rindrina, ao amin'ny làlambe faha-26, no nilainy hametrahana ny soratanany tao an-tanàna: Justin Bieber. oadray izany kanto! Oadray izany fidirana an-tsehatry ny polisy! Oadray izany Hafatra! Oadray izany Fitiavan-tena! Ary oadray izany fahasahiranan'ny polisy izay tsy afaka nanakana ity zatovolahy mihasimba ity hanao toy ny mpandoko teo amin'ny fotoana naharenoky ny toy azy. Tsara raha narovana izy, avelao ny polisy ho variana amin'ny maha-raharahan'olo-malaza ka nisahana azy ho tahaka ireo mpanakanto graffiti tsotra avy eo amin'ny manodidina: fa tena ratsy, tsy nasiana antsipirihany intsony. Ary azo inoana fa ho lohateny lehibe amin'ny gazety iraisam-pirenena i Bogota.
Maro ireo mpiserasera tao amin'ny media sosialy no nilaza momba ny mizana tsindrian'ila asehoan'ny polisin'ny Bogota. Juan Navidad nanontany hoe:
¿Qué pasaría si la Policía le hubiera disparado por la espalda a Justin Bieber por hacer un grafitti…?
— Juan Navidad (@JuanNavidad10) October 31, 2013
Inona no mety niseho raha notifirin'ny polisy tao amin'ny lamosiny i Justin Bieber satria nanoratra graffiti…?
Tao amin'ny Facebook, nikarakara hetsika 24 hours of graffiti (24 ora hanaovana graffiti) tao an-tanàna maro ao amin'ny firenena ireo mpanakanto graffiti mba hiaro ny zon'izy ireo amin'ny maha-mpanakanto azy ireo. Mpisera Aldo Civico nizara sary nalaina tao Bogota:
Estupendo: 109 grafiteros que están pintando en Bogotá en el mismo muro de @justinbieber @scooterbraun @juanes pic.twitter.com/p7aSTaRDIf
— Aldo Civico (@acivico) November 3, 2013
Mahatalanjona: mpanakanton'ny graffiti 109 mandoko ao Bogota eo amin'ny rindrina nandokoan'i @justinbieber @scooterbraun @Juanes
Nohararaotin'ireo mpanakanto mpanao graffiti hampitsaharana ny fanilikilihana ity tranga ity, tahaka an'i «Don Popo», mpihira hip-hop sy talen'ny Ayara Family Foundation, nanoratra tao amin'ny gazety El Espectador:
El sentimiento de injusticia, de indignación, de rabia, se había transformado a medida que decantábamos las emociones, “la pelea no es contra Justin, ni contra la policía, lo que se genero fue una oportunidad para cambiar el estigma de vándalos y criminales sobre los graffiteros” “Justin quebró el florero de Llorente para nuestra revolución”… dijimos:
Niova ny fahatsapana ny tsy rariny, ny fahatezerana sy ny fahavinirana noho ny fientanam-ponay. “Tsy fanoherana an'i Justin, na ny polisy ny tolona; izay niteraka hetsika hanovana ny fanilikilihna ny mpanimba zavatra s[ad]y jiolahy manodidina ireo mpanakanato graffiti ny ady”. Hoy izahay: “Namaky ny vazin'ny Llorente i Justin [mg, fihetsika manatantara izay nanafaingana ny fahaleovantenan'i Kolombia niala tamin'i Espaina] hirosoan'ny revolisionanay
Gustavo Trejos, rain'ilay tovolahy maty nisy namono nitaky ” fahalalahana bebe kokoa mba ahafahan'ny tanora haneho ny haikantony”. Misy foana ny fihoaram-pahefana natao tamin'ireo mpanakanto graffiti ao an-tanàna: arahi-maso, entin'izy ireo any amin'ny CAI (Immediate Attention Command [en] na Komandim-pampitandremana eo noho eo), lokoina ny hoditr'izy ireo, vonoina izy ireo, ary ny hafa, tahaka ny zanakay lahy dia novonoina.
Saingy nikarakara tolona manokana ho azy ireo ny mpankafy an'i Justin ary niaro azy tao amin'ny tambajotra sosialy:
#justinsoloquizódejarnosunregaloenBogotá inmundos no tenian ningun derecho de borrar el grafiti acaso elgrafiti les pego un tiro o que?
— 1D IS MI LIFE (@MonicaStylesss) November 1, 2013
[Mba-te hamela fanomezana ao Bogota fotsiny i Justin] Tsy manan-jo hamafa ireo graffiti ianareo. Namely anareo ny graffiti sa inona?
Nanohana ilay mpihira ihany koa i Jack's broken heart:
Gústele o no, Justim Bieber revolucionó el grafiti en Colombia. Increíble
— jack's broken heart (@pedrovergararu) November 6, 2013
Na tianao na tsy tianao, no-revolision-en'i Justin Bieber ny graffiti eto Kolombia. Tsy mampino.
Mandritra izany fotoana izany, ahitana graffiti maherin'ny 700 mandravaka ny tanàndehibe ny arabe faha-26 ao Bogota, manitrikitrika ireo mpanakanto graffiti fa tsy fanimban-javatra ny haikanton'izy ireo, ary manohy mitaky ny rariny ny ray aman-drenin'i Felipe Becerra.