SARIPIKA: Tonga Maro Ny Mpifidy Hanangana Ny Antenimieram-Panorenan'i Nepal

Voters queuing outside a polling station in Kirtipur, Kathmandu, Nepal. Photo by anuj arora, copyright  Demotix (19/11/2013)

Mpifidy milahatra eo ivelan'ny biraom-pifidianana iray eo Kirtipur, Kathmandu, Nepal. Saripikan'i anuj arora. Copyright Demotix (19/11/2013)

Nizotra ho any amin'ny biraom-pifidianana i Nepal androany, 19 Novambra 2013, hifidy ny Antenimieram-panorenana faharoa, izay hiandrakitra ny fanoratana ny lalampanorenana hitantanana ny firenena.

Na dia teo aza ny tatitra mitsitaitaika fisian'ny herisetra sy ny ezaka ataon'ny mpitarika avy amin'ireo mpisintaka ny Antoko Maoista – Komonista ao Nepal (CPN-M) manerana ny firenena hanakanana ny fizotry ny fifidianana sy ny antso hanaovana ankilabao ny biraom-pifidianana (bandha) mandritra ny fotoanan'ny fifidianana, Nafana fo ny mpifidy tao Nepal ka nilahatra maro dia maro teny amin'ny foibem-pifidianana haneho ny safidiny.

Ny fitantanadanin'izany, niezaka ny hiantoka ny filaminana mandritra ny androm-pifidianana. Araka ny nolazain'ny Filohan'ny Vaomieran'ny FIfidianana (CEC) Nilkantha Uprety, ny tahan'ny fandraisana anjaran'ny mpifidy dia manodidina ny faratampony mahatratra 70 isanjato

Security personal patrolling Kathmandu city. Photo by  gagan_thapa thapa, copyright Demotix (19/11/2013)

Mpitandro ny filaminana manara-maso ny tanànan'i Kathmandu mandritra ny androm-pifidianana. Saripika avy amin'i gagan_thapa thapa. Copyright Demotix (19/11/2013)

Mahaliana ny mahita fandraisana anjaran'ny vehivavy, izay tonga maro tokoa hifidy. Nisioka i Kashish Das Shrestha (@kashishds), mpanao gazety mipetraka ao Kathmandu sy any New York:

Mahagaga ny halavan'ny filaharan'ny vehivavy mpifidy. Ity ny iray tany Kapan (Kathmandu-4)

NIsy ihany koa ny hafanam-pon'ny zokiolona handrotsa-bato, maro amin'izy ireo no fitopolo taona no mihoatra. Ilay 110 taona Dhan Kumari Gurung ohatra nandrotsa-bato tao amin'ny foibem-pifidianana ao Sundaridanda distrikan'i Kaski.

Nisioka avy any Lalitpur, Nepal, ny manampahaizana mpikaroka Sameer Mani Dixit (@sameermdixit):

Renibe mitrotro zaza mitondra ny fianakaviana hifidy !

An elderly woman is assisted by her grandson as he carries from a voting centre after casting her vote in the second Constitution Assembly Election. Photo by Nabin Baral

Vehivavy antitra baben'ny zafikeliny avy ao amin'ny foibem-pifidianana avy nifidy ny Antenimieram-Panorenana faharoa. Saripika avy amin'i Nabin Baral. Copyright Demotix (19/11/2013)

Manerana ny firenena, tsy hoe mampavitrika ihany ny fandraisana anjaran'ny olona, fa mampiseho ny fahafaliany ihany koa izy ireo fa afa-nifidy sy manantena fa hanafaka azy ireo tamin'ilay iray tsy nahomby ity fifidianana ity.

Ny Antenimieram-Panorenana voalohany dia natsangana tamin'ny 2008, roa taona taorian'ny nifaranan'ny ady an-trano naharitra an-taonany maro nifanaovan'ny Maoista sy ny governemanta. Nofoanana ny fitondram-panjaka tokana tao Nepal taoriana kelin'izany, saingy tsy nahavita nahasoratra lalampanorenana ny antenimiera, ary efa-taona taorian'izany dia nofoanana izany ka nahatonga ny firenena hilentika ao anatin'ny krizy politika maro isan-karazany. 

Nisioka i Nishchal Dhakal (@nishchaldhakal), dokotera monina ao Kathmandu:

Nahazo zavatra betsaka i Nepal androany. Fahombiazana ilay fifidianana noheverina ho nampisalasala noho ny fahamaroan'ny fandraisana anjara. Tafavoaka avy ao amin'ny tahotra sy ny fandrahonana isika.

Nisioka ilay mpanao gazety Nepaley monina ao Sydney Rishi Acharya (@rishiacharya):

Nifidy ny antenimieram-panorenana faharoa i Nepal androany ary manantena fa hametraka ny repoblika ity fifidianana ity.

Fandrisihana ny isan'ny kandidà vehivavy

Hotapahina anio (19 novambra) ny hoavin'ireo kandidà 6.128 holaniana amin'ny dingana tokana ambony indrindra (FPTP) ary manodidina ny 10.700 ny sokajin'ny Solontena (PR) araka ny isam-bato azo. Araka ny notaterin'ny nepalvotes.com, antoko politika 127 no mifaninana avy amin'ny mpifidy afa-mifidy 12.147.865. Amin'ireo kandidà FPTP 6.128 dia 667 amin'ireo – na 10,88 isanjato- no vehivavy, ary amin'ireo kandidà PR 10.709 dia 5.291 ny kandidà ny vehivavy, hoy ny tatitry ny setopati.com.

Ny lehiben'ny birao AFP ao Iràka Prashant Rao (@prashantrao) nisioka ny fira kisarisarin'ny mpifidy ao Nepal: 

Androm-pifidianana eto Nepal — araho ny @akannampilly sy @DeepakAdk avy ao amin'ny @AFP hanarahana azy bebe kokoa 

Sariohatra Mampikorontan-tsaina

Raha misahirana ny mpifidy mandrotsaka ny vatony sarobidy, dia mety hisaritaka ihany ry zareo amin'ny fitovitovian'ny sary famantarana raha tsy mitandrina tsara, hoy ny tatitry ny Nepaliheadlines.

Proportional representation ballot paper featuring more than 100 parties. Photo by anuj arora, copyright Demotix (19/11/2013)

Endrika ankapoben'ny vatom-pifidianana izay mampiseho antoko mihoatra ny 100. Saripikan'i anuj arora. Copyright Demotix (19/11/2013)

Ny sary famantarana (sariohatra) ny UCPN-Maoista amin'ny fifidianana dia ny antsim-bilona sy ny maritoa anaty faribolana raha antsim-bilona sy kintana na antsim-bilona (fotsiny) ny sariohatry ny CPN-ML sy CPN-Tafaray. Tahaka izany ihany koa ny sary famantarana ny Madhesi Janadhikar Forum dia sarintanana mivonona hanao Namaste (felatanana roa mikambana), raha sarintanana tsotra kosa ny an'ny Antoko Nepal Sadbhawana ary sarintanana mitehaka kosa ny famantarana ny Nepal Shanti Chhetra Parishad.

Sary famantarana ny Antoko Rashtriya Prajatantra ny ombivavy. Saingy, Sariohatra an'ny Antoko Terai Madhes Loktantrik ny omby (maro) ary famantarana ny Janatantrik Terai Madhes Mukti Tigers ny omby mitarika sarety.

Mbola mifangaro ihany koa ny sary famantaran'ny Nepal Loktantrik Samajwadi Dal, Antoko Janata, Antoko Terai Madhes Pahad Himal Ekata ary ny Antoko Jana Unity Cooperative. Ny azy ireo dia penina, penina miaraka amin'ny tavoahangin-dranomainty, pensilihazo, ary penina miaraka amin'ny kahie.

Mitovitovy tahaka izany ihany koa ny sariohatry ny antoko Rashtrawadi Janata Party, antoko Rashtriya Yatharthawadi, antoko Nepal Samabeshi ary ny antoko Rashtrawadi Ekata. ny azy ireo dia vorona, ilay vorona manavaka ny firenena danfe, boloky ary voromailala.

Kandidà Mahaliana

Raha mifaninana any amin'ireny fari-pifidianana ireny ny antoko politika, dia mirotsaka mifaninana amin'ireo antoko goavana ao amin'ny fari-pifidianana efatra lehibe ao Kathmandu ny kandidàn'ny Antoko Bibeksheel (Antoko Misaina). Ny mahaliana dia nisy nifidianan'izy ireo ny alika (Kukur amin'ny fiteny Nepali) ho sariohatry ry zareo amin'ny fifidianana.

Araka ny nolazain'ny Kathmandu Post, “ireo kandidà efatra avy amin'ny Bibeksheel ireo dia tsara taiza eo amin'ny sehatry ny fandraharahana sy ny fanabeazana avokoa”. Vondrona mpahay teknolojia izy io ary nampiasa fatratra ny tambajotram-piarahamonina hisintonana ny olona, indrindra fa ny tanora. Taloha ny vondrona Bibeksheel dia navitrika tamin'ny fanentanana ara-tsosialy malaza tahaka ny Occupy Baluwatar (Bodoy i Baluwatar izay hetsika milamina niantso ny fitondrana Nepali hamaha ny olan'ny fisian'ny tsimatimanota sy ny herisetra amin'ny vehivavy), Mpandraharaha ho an'i Nepal, Nepal Unites ary Die Banda Die (Matesa Banda Matesa= hamaranana hatreo ny ‘bandh’ na fikatonan'ny kolontsaina ao Nepal) sns.

Tamin'ny fifidianana, nampiasa tekinikam-pampielezan-kevitra vaovao maro ilay antoko Bibeksheel herintaona nijoroana, smileys, posiposy miaraka amin'ny saina ary nampiasa fatratra ny media sosialy mazava loatra. Maro ny resadresaka momba ity vondrona ity amin'ny aterineto, saingy mbola jerena aloha raha misy fiantraikany tokoa amin'ny mpifidy izay hamadika azy ho vato izany rehetra izany.

Ny Bilaogera Nepalikukur dia nanoratra tao amin'ny gazety-boky an-tserasera La.Lit. fa ny fifidianana ny sariohatry ny kukur (alika) dia horaisina ho vatom-panoherana, saingy mety ho mariky ny fanombohan'ny “tena antokom-bahoaka” ihany koa.

Efa nanome fotoana ho an'ny Kongresy, ny CPN-UML ary ny UCPN-Maoista tsirairay avy hitondra ny firenena ny Nepalis. Saingy tsy nisy nahomby teo amin'ny fanomezana fahafaham-po ny hetahetan'ny mponina amin'ny ankapobeny izy ireo. Amin'ity indray mitoraka ity dia manantena hifidy governemanta mitombina tsra izay afa-mandrafitra lalampanorenana sy mitarika ny firenena ho amin'ny fahamaroan-karena ny Nepalis.

Manomboka ankehitriny ny fiandrasana izay ho mpandresy sy ny zava-dehibe kokoa, dia ny lalampanorenana.

6 hevitra

  • RAELY

    Teto Madagasikara, raha ny tadidy, enga anie hisy hafa, fa i MANANDAFY Rakotonirina sy ny miara-dia aminy ihany no miresaka an’io Antenimieram-panorenana io (Assemblée Constituante).

    Mahagaga tokoa fa atahoran’ny mpanao politika maro eto amintsika ve izy io, sa dia taratry ny hoe vitsy no tena mpanao politika matotra sy itokisana eto manaiky fa hevitra ekem-bahoaka no arafitra hitantanana Firenena mba hampilamina sy mampandroso ?

    Na izany na tsy izany tsara ny mivoy ny tahaka izao misy any Népal izao sy ny efa hita t@ 1973 ohatra teto amintsika mba hahalalan’ny besinimaro fa zon’ny Malagasy ny maneho ny heviny @ Lalàna Fototra hotoavina sy ampiharina. Mahafinaritra ny manaraka ny karoka ataon’i Basy Tsy Mipoaka.

  • RAELY

    Sorry, it is GLOBAL VOICES, by Basy Tsy Mipoaka.

  • Faly aho rehefa misy ny olona maneho ny heviny. Izay rahateo no tanjona, tsy diso lalana akory ianao fa mety hoe nivoaka tao amin’ny pejy facebook basy tsy mipoaka ity lahatsoratra ity. Irariana ny tsirairay samy hiresaka ny heviny satria mba mety hahatakarana izay tiana atao ho an’ny firenena ny zavatra tahaka itony.

    Tsy haiko aloha na tena demokraty ny mpanao politika eto amintsika na tsia fa toa samy matahotra ny safidin’ny olona ihany rehefa tena heverina. Raha tena samy tompon’andraikitra anefa tokony ny tsoa-kevitra no atao masaka an-tsaina tsy hiverimberenan’ny fahadisoana intsony ho an’ny tanindrazana…

    • RAELY

      Bsr.

      Matahotra ny safidin’ny olona ve ny Mpanao Politika. Misy any @izay, fa ny sarotra ange eto amintsika dia ny olona tsy dia mandray anjara loatra @ politika (raharaham-pirenena) raha tsy misy tahaka ny t@ 72, 91, 2002. Ary ny t@iny 2009 hatr@izao io no naharitra indrindra ary nitombon’ny taha avo indrindra teto @tsika angamba @ fanaovana sy fanarahana politika. Ka somary tendrim-po na tora-po ilay fanaovana azy fa mila vahoaka miha-masaka hatrany. Misy ny te hitazona ny olona anatin’ny haizina mba hanjakany, misy ny manazava, mampiady hevitra hatrany mba handrosoana kokoa, be noho vitsy anefa ! Ny résultante azo : tsy misy tena fahafaha-po rehefa fifidianana, ny hita fa meloka tsotra izao mbola misy mpifidy ihany, ny tokony homem-bato tratry ny hala-bato (tsy ampy éducation citoyenne ny besinimaro ka tsy maharaka processus électoral, satria ilay hala-bato koa dia processus mihitsy fa tsy hoe @ andron’ny fifidianana ihany fotsiny), ny vokatra @ ankapobeny tsy azo ilazàna fa tena ny feom-bahoaka mahasolotena no niteny ! ary ny Lalàna dia tsy ampy amehezana ny tranga rehetra ka manjary justice sommaire no hita ombieny ombieny. Mba diniho tsara ange. Ny jurisprudence odian-tsy hita, ets, ets. Aleo aloha hatreo. Mandrampihaona.

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> RAELY

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.