- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARIPIKA: Tantara Fohy Dimy Mikasika Ny Siriana Mpitsoa-ponenana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Jordania, Libanona, Syria, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Vonjy Voina, Zon'olombelona

Ity dia lahatsoratra ampahany amin'ny tatitray momba ny Miezaka mba ho velona ao Syria [1]

Raha toa izao tontolo izao tahàka ny mbola mianoka anaty hafaliana amin'ny fanohizan'ny Filoha Siriana Basha Al Assad mamono ny Siriana [2], ireo media iraisam-pirenena kosa, gazety, tambajotra sosialy, bilaogy, ary mpaka sary matianina na tsia, dia mampiditra hatrany ety anaty aterineto ireo sary sy fahantran'ireo Siriana 2 tapitrisa mpitsoa-ponenana [3] (vinavina tamin'ny Oktobra 2013). Izany eo ihany, ity lahatsoratra ity dia tokony horaisina tahaka ny hoe “Miezaka ny ho velona ivelan'i Siria” saingy kosa mbola ho ampahany ihany amin'ny Miezaka mba ho velona ao Siria [1] mba hampivoitra ny fandraisana anjaran'ireo media sosialy ao anatin'ny fifandiran'ny Siriana.

Marobe ireo mpaka sary nofantenana ho amin'ity lahatsoratra ity, mitanisa ireo vahoaka Siriana any amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina, handravahana ny fiainana maizina, mafy ary tena atrehan'ireo Siriana zaza amam-behivavy  lavitry ny trano fonenany sy ny fianakaviany. Anjara ratsy no manaraka indray ‘ireo Siriana mpitsoa-ponenana rehefa miatrika ny fifanolanana amin'ireo fiarahamonina mampiantrano azy izy ireo. Any Tiorkia, lasibatra tamin'ny fanapoahana baomba tao Reyhanli ireo Siriana mpitsoa-ponenana [4], tsy lazaina intsony ny fitarainan'ireo tovovavy Siriana mpitsoa-ponenana [5].

Tantara 1: Fotojournalismus [6] ao amin'ny Tubmlr nampakatra saripika misy ireo Siriana mpitsoa-ponenana izay nandositra ny ady an-trano efa ho 3 taona ka nankany Libanona, izay mampiantrano ny betsaka indrindra amin-dry zareo. Miatrika ny Firohotana Faobe ataon'ireo Siriana mpitsoa-ponenana i Libanona [7] izay efa ny 20-25% amin'ny isan'ny vahoaka ao Libanona no Siriana mpitsoa-ponenana fotsiny. Hoy ny mpanoratra :

Raha tsy mbola misy ny angon-drakitra ofisialy mikasika ny tena isan'ireo ankizy sy olon-dehibe miasa eny an'arabe ao Libanona, dia novinavinaina ho mety mahatratra ny 50.000 hatramin'ny 70.000 eo izany. Any amin'ireo distrika tena manan-katao ao Beirut dia ahitàna ankizy sy olon-dehibe mangataka saika ho efa isaky ny vodin-trano, misava fitoeram-pako na mikarama mamafa sy mampangirana ny kiraron'ny mpandeha an-tongotra

tumblr_mwepxmpa3T1r44q44o9_1280 [6]

Ankivavy Siriana kely mivarotra birike ao aminà tanàna iray manan-katao ao  Beirut. Loharano: fotojournalismus ao amin'ny Tumblr ampiasàna ny  CC BY 2.0.

Tantara 2: Eo ambanin'ny lohateny “Ireo vadin'ny Revolisiona Siriana [8]“, Tanya Habjouqa nanoratra fohifohy ny famaritana  ny iray amin'ireo saripika folo nalainy :

Um Suleiman, 26 taona, nandeha irery tanarahan'ireo zanany efatra (ahitàna zaza mbola minono) avy any Siria nankany Iraka ary farany any Jordania. Tsy manan-kohanina eny am-pandehanana eny ry zareo. Tavela any an-tànana manohy ny ady ny vadiny.

tumblr_mwhznjPNuM1rouua1o2_500 [8]

Loharano: “5cents a Pound” ao amin'ny Tumblr. Ampiasàna ny CC BY 2.0.

Ary nampiany hoe

Avy any ambava-ady, ireny vehivavy ireny — mpitsoa-ponenana ao Jordania ankehitriny — dia nitolona mba hanohana ny fianakaviany na teo aza ny tsy fahafaha-manoatra ara-bola. Ireo antso avy any amin'ny vadin'izy ireo no mba hany zavatra manova ny isanandrom-piainan'izy ireny, ary mba ho haingon'ireo resaka andavanandro dia ampidirina ireo lahatsoratra manaitaitra, izay mitentina tantaram-pitiavana avy amin'ireny fanambadiana ireny.

Tantara 3: Michael David Friberg nampakatra saripika iray tao amin'ny kaontiny Tumblr ahitàna ankizy Siriana milalao baolina fandàka ao Zaatari toby faobe ho an'ny mpitsoa-ponenana [9] izay mampiantrano mpitsoa-ponenana vinavinaina ho eo amin'ny 144.000 eo (nanomboka ny 4 Jolay 2013), mahatonga azy ity ho ny tanàna fahaefatra lehibe indrindra any Jordania.

tumblr_mw5r3dIMjH1qb1egco1_1280 [10]

Siriana milalao baolina eny ivelan'ny faritry ny tobin'ireo mpitsoa-ponenana ao Jordania tamin'ny Jolay 2013. Loharano: Michael David Friberg ao amin'ny Tumblr. Ampiasàna ny  CC BY 2.0.

Tantara 4: Give peace a chance (Omeo vintana ny fandriampahalemana) [11] ihany koa ao amin'ny Tumblr dia nizara ity saripika ity, ahitàna an'i Tareq, Siriana mpiasa, nandositra nankany Gresy . 

Tareq, 46, mpandoko tsy an'asa avy ao Siria, mijery fitaratra ao anaty toeram-pampirimana entan'ny ozinina iray tsy miasa intsony ao Athène, Gresy, ao izy no monina. 

tumblr_mw6ppcnawY1si73a4o1_1280 [11]

Loharano : Give Peace a Chance.Ampiasàna ny  CC BY 2.0

Tantara 5:

Manantena ny hiverina ! Ity saripika ity dia mitantara ny an'ireo tovolahy Siriana telo izay miandry fiara fitateram-bahoaka maka ireo mpitsoa-ponenana Siriana hiverina any Siria miala avy ao amin'ny Tobin'ny Mpitsoa-ponenana ao Zaatari any Jordania.

4 isanandro ireo fiarabe fitaterana no miala ao ary maro samihafa ny antony mahatonga ny olona hiverina. Maro amin'izy ireny no misafidy ny hitady izay mahasoa azy any Siria raha mitaha amin'izay iainany ao Zaatari. Tsy mampino fa miovaova isanandro ny zavatra iainana satria misy olona marobe miezaka ny hody, mihoatra lavitra noho ny isan'ny seza ao anaty fiara. Manara-maso ny fandehan-javatra ny polisy mpandrava korontana satria mifanitsakitsaka ny olona ary mifanao antsangory ny sasany hanakatra izay varavarankely mivoha amin'ny fiara

tumblr_mpd87yb10c1qb1egco1_1280 [12]

Loharano: Michael David Friberg ao amin'ny Tumblr. ampiasàna ny CC BY 2.0.