- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mandresy i Michelle Bachelet Saingy Mbola Hiatrika Fifanintsanana

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika
Michelle Bachelet votes on November 17, 2013 in Santiago, Chile. Photo by prensachile3, copyright Demotix [1]

Michelle Bachelet mifidy, 17 Novambra 2013 tao Santiago, Shilia. Sary an'i prensachile3, fizakàmanana Demotix

Miaraka aminy'ny taha 46.7% amin'ny isam-bato [2], ny filoha Shiliana teo aloha Michelle Bachelet [3] no nandresy mazava tamin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tao Shilia. Kanefa, tsy maintsy hiatrika ny fifidianana fifanintsanana farany amin'i Evelyn Matthei [4]ilay mpirotsaka avy amin'ny mpandàla ny nentin-drazana izay tonga teo amin'ny toerana faharoa tamin'ny isam-bato 25% ity Tale Mpanatanteraka teo anivon'ny UN Women [5] ity.

Tsy zava-nahagaga ny nandresen'i Bachelet, satria ireo vinavina  [6]sasany aza efa nanambara fa mety handresy amin'ny ampahan'isa antsasa-manila amin'ny vatom-pifidianan'ny fihodinana voalohany izy.

Saingy any anaty tambajotra sosialy dia naneho ny tsy hafaliany tamin'ny firotsahan'i Bachelet sy ireo mpiara-miasa taminy teo aloha nandritra ny fampielezankevitra ireo mpampiasa. Taorian'ny vokatra azo omaly, maro ireo naneho hevitra mikasika ny fahasamihafàna teo amin'ny fomba fijery ety anaty tambajotra sy ny zava-misy iainana ao Shilia :

Tetika iray ho anà marika: Taorian'ireny voka-pifidianana ireny dia fantatrareo tsara fa TSY misy lanjany ny tambajotra sosialy.

[ Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao ] Faly aho mahafantatra fa tsy mahasolo ny tena zava-misy iainana nytambajotra sosialy. Vondron'olona vitsivitsy niangaran'ny vintana isika ka manana smartphone.

[Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao] mety tsy manana Twitter ianao.

Mba tiako ho fantatra hoe firy tamin'ireo nampiasa ny tenifototra #SiVotastePorBachelet [8] no mba nandeha nandatsa-bato….Tsy afaka hanova firenena avy aty anaty tambajotra sosialy ianao!!.

Nanjary lohahevitra noresahana be tao Shilia ny tenifototra #SiVotastePorBachelet [8] [Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao] nandritry ny androm-pifidianana, ary mbola tahaka izany androany koa, andro iray nanaraka ny fifidianana.

[Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao] aza mitaraina mikasika ny diabe fitakian'ny mpianatra.

[Raha toa nifidy an'i Bachelet ianao]
-Atombohy dieny izao ny fanaovam-beloma ny Pyme kelinao (fandraharahana madinika sy salantsalany)
-Tsy misy zavatra maharitra
-Arahabao i Monsanto
-ho be kokoa ny vondrom-pihary herinaratra ampiasana angovo nokleary
Tokony mbola hotohizako ve?

Conservative candidate Evelyn Matthei will face Michelle Bachelet in a runoff vote on December 15, 2013. Photo by Fernando Lavoz, copyright Demotix [14]

Evelyn Matthei, mpirotsaka avy amin'ny mpandàla ny nentin-drazana, no hifanatrika amin'i Michelle Bachelet amin'ny fifidianana fifanintsanana amin'ny 15 Desambra 2013. Sary an'i  Fernando Lavoz, fizakàmanana Demotix.

Mandritra izany, Jeaneth Alexandra manipika ny hoe :

Manomboka mihamafy ny fandraisan'andraikitry ny vehivavy.  Mpirotsaka roa [vehivavy] , Bachelet sy Matthei, amin'ny fifanintsanana ho filoham-pirenen'i Shilia.

Samy miarahaba ny mpirotsaka hofidiana tohanany ireo mpanohana an'i Bachelet sy Matthei :

Arahaba no atolotra ho an'ilay ho filohan'ny fireneko atsy aoriana atsy…vehivavy iray feno fahavononana. Miaraka aminao aho [ry Michelle Bachelet]

Hizotra ho amin'ny fifidianana fifanintsanana isika ny 15 Desambra, hisian'ny governemanta feno fanovàna

Farany, anatinà fomba fijery mampihavana no anoratan'i Julio Arriagada hoe :

Tsara loatra ho an'ireo Shiliana nandeha nifidy. Ankehitriny isika dia tsy maintsy manetsiketsika ireo izay tsy niraharaha akory ny fandatsaha-bato. Arahabaina ry Bachelet sy Matthei. Ho ela velona i Shilia!