- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahataitra Ny Vokatry Ny Sarintsarim-Pifidianan'ireo Shiliana Any Ivelan'ny Fireneny

Sokajy: Amerika Latina, Shily, Fifidianana, Fifindràmonina, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

Azo ny vokatra ho an'ireo latsabato nataon'ireo Shiliana monina any ivelany  [1]izay nandray anjara taminà sarintsarim-pifidianana tamin'ny alàlan'ilay sehatra anaty aterineto “Voto Ciudadano [2]” [es, Citizen vote], rehefa tsy navelan'ny lalàna Shiliana hanan-jo hifidy avy any ivelany.

Mampiseho elanelana tena samihafa be amin'ny vinavinan [3]‘ireo mpanadihady ao Shilia [4] ny vokatra azo, izay mametraka an'i Michelle Bachelet [5]- mpirotsaka avy amin'ny vovonan'ny elatra havia Nueva Mayoría [New MajorityMoro an'isa vaovao] [6]- ho toy ny mpandresy, ary i Evelyn Matthei [7] -mpirotsaka avy amin'ny vovonan'ny elatra havanana Alianza [Alliance]- [8] ho laharana faharoa.

Araka ireo vokatra ireo, anefa, mety hiatrika fifanintsanana amin'i Marcel Claude [9] i Michelle Bachelet, Marcel Claude [9] izay mpirotsaka avy amin'ny Partido Humanista [Antoko miahy ny maha-olona] [10].

Vokatra #VotoExterior [11] avy amin'ny @elquintopoder [12] (vokatry ny fifidianana tany ivelany…)

Nahitàna taham-pandraisana anajra avo be ilay sarintsarim-pifidianana, araka ny amelabelaran'i El Quinto Poder [15]  azy ao amin'ny Twitter :

12.486 ny tao amin'ny #VotoExterior [11] ary avy aminà firenena 105 manerana izao tontolo izao

Ity sarintany ity no maneho ireo firenena nandrotsaka vatom-pifidianana :

Ireo firenena izay tena nahitàna vatom-pifidianana maro tao amin'ny #VotoExterior [11] avy amin'i @elquintopoder [12]

Tao amin'ny Twitter ireto fanehoankevitra sasany ireto mikasika ity sarintsarim-pifidianana ity :

Tsy azoko nohevitreverina velively ny %-ny vato avy any ivelany, ireto ny vokatra

Na dia sarintsariny ihany aza izy ity, dia tena mahavariana sy mampientanentana.

Isaorana ny #votociudadano [26] [safidim-bahoaka] afaka nifidy avy aty Meksika aho. Hetsika tsara! Tsy maintsy manohy ny ady isika mba ho afaka mifidy avy aty ivelany.

Mahafantatra ireo olona monina any ivelany! Tena mahakivy hoe tsy manan-kery ireny vato ireny :/

Ao amin'ny tranonkala Voto Ciudadano [30] [es] afaka mahita andinindininy misimisy kokoa ianareo mikasika ny latsabaton'ireo any ivelany sy ny vokatr'izany.