Azo ny vokatra ho an'ireo latsabato nataon'ireo Shiliana monina any ivelany izay nandray anjara taminà sarintsarim-pifidianana tamin'ny alàlan'ilay sehatra anaty aterineto “Voto Ciudadano” [es, Citizen vote], rehefa tsy navelan'ny lalàna Shiliana hanan-jo hifidy avy any ivelany.
Mampiseho elanelana tena samihafa be amin'ny vinavinan‘ireo mpanadihady ao Shilia ny vokatra azo, izay mametraka an'i Michelle Bachelet - mpirotsaka avy amin'ny vovonan'ny elatra havia Nueva Mayoría [New MajorityMoro an'isa vaovao]- ho toy ny mpandresy, ary i Evelyn Matthei -mpirotsaka avy amin'ny vovonan'ny elatra havanana Alianza [Alliance]- ho laharana faharoa.
Araka ireo vokatra ireo, anefa, mety hiatrika fifanintsanana amin'i Marcel Claude i Michelle Bachelet, Marcel Claude izay mpirotsaka avy amin'ny Partido Humanista [Antoko miahy ny maha-olona].
Resultados #VotoExterior vía @elquintopoderpic.twitter.com/ACM6gd20Xt
— Breaking News Chile (@BreakingNewsChi) November 17, 2013
Vokatra #VotoExterior avy amin'ny @elquintopoder (vokatry ny fifidianana tany ivelany…)
Nahitàna taham-pandraisana anajra avo be ilay sarintsarim-pifidianana, araka ny amelabelaran'i El Quinto Poder azy ao amin'ny Twitter :
Los votos en #VotoExterior fueron 12.486 y fueron emitidos desde 105 países de todo el mundo
— elquintopoder (@elquintopoder) November 17, 2013
12.486 ny tao amin'ny #VotoExterior ary avy aminà firenena 105 manerana izao tontolo izao
Ity sarintany ity no maneho ireo firenena nandrotsaka vatom-pifidianana :
Países desde donde se recibieron mayor cantidad de votos #VotoExterior vía @elquintopoder pic.twitter.com/vEr1hNWWp4
— Breaking News Chile (@BreakingNewsChi) November 17, 2013
Ireo firenena izay tena nahitàna vatom-pifidianana maro tao amin'ny #VotoExterior avy amin'i @elquintopoder
Tao amin'ny Twitter ireto fanehoankevitra sasany ireto mikasika ity sarintsarim-pifidianana ity :
Jamás de los jamases hubiera acertado en los % del #VotoExterior, acá los resultados: http://t.co/nK6WLGRsPS
— Angélica Pavez (@MAngelicaPavez) November 17, 2013
Tsy azoko nohevitreverina velively ny %-ny vato avy any ivelany, ireto ny vokatra
Aunque fue simbólico, emocionante igual. #votoexterior @Chilenossinvoto #haztuvotovolar pic.twitter.com/BR9ywBaV0t
— Paulina Astroza (@PaulinaAstrozaS) November 17, 2013
Na dia sarintsariny ihany aza izy ity, dia tena mahavariana sy mampientanentana.
Gracias a #votociudadano pude votar hoy desde Mexico. Buena iniciativa! Tenemos que seguir luchando por el #VotoExterior @Chilenossinvoto
— Soledad Morgado G. (@solemorgado) November 17, 2013
Isaorana ny #votociudadano [safidim-bahoaka] afaka nifidy avy aty Meksika aho. Hetsika tsara! Tsy maintsy manohy ny ady isika mba ho afaka mifidy avy aty ivelany.
Resultado #VotoExterior pic.twitter.com/ENf8G6wCLD La gente del extranjero sabe! Es terrible penca que esos votos no sean válidos :/
— Milo (@Victum88) November 17, 2013
Mahafantatra ireo olona monina any ivelany! Tena mahakivy hoe tsy manan-kery ireny vato ireny :/
Ao amin'ny tranonkala Voto Ciudadano [es] afaka mahita andinindininy misimisy kokoa ianareo mikasika ny latsabaton'ireo any ivelany sy ny vokatr'izany.