Espaina : Melohin'ireo Niharan'ny Fampihorohoroana Ny Amnesty International

The Minister of the Interior, Jorge Fernandez Diaz, receives the president of the Association of Terrorism Victims, Angeles Pedraza. Photo from the Ministry of the Interior website.

 Jorge Fernandez Diaz, Minisitry ny Atitany, mandray an'i  Angeles Pedraza, filohan'ny Fikambanan'ireo Niharan'ny Fampihorohoroana. Sary avy amin'ny tranonkalan'ny ministeran'ny Atitany

Ora vitsy mialohan'ny hamoahan'ny Fitsarana Eoropeana momba ny Zon'Olombelona  [en] (ECHR) ny didy izay mety hamoaka ireo mpikambana ao amin'ny fikambanana mpampihorohoro Baska ETA voafonja tany Espaina, namoaka bitsika maro mitsikera izay heverin'izy ireo ho tsy fahampian'ny fanohanan'ny Amnesty International [en] ny fikambanan'ireo niharan'ny fampihorohoroana, na Association of Victims of Terrorism (AVT) .

Voalaza ao amin'io didim-pitsaràna [en], izay navoaka ny 21 Oktobra io fa tsy ara-dalàna ilay antsoina hoe “Parot Doctrine” -Foto-kevitra Parot  araka ny fanapahan-kevitry ny  ECHR. Manome alàlana ny fampiharana indray ilay lalàna famaizana nasiam-panitsiana tamin'ny 2003 momba ny heloka bevava vita talohan'ny naha-nanankery azy io foto-kevitra io, izay manitatra ny fanamelohana ho hatrany amin'ny niandohana. Manery ihany koa ny fitondràna Espaniola io didy io mba hamotsotra ” haingana araka izay azo atao” an'i Ines del Rio, mpikambana ao amin'ny ETA .

Fa tsy resa-be tamin'ny tambajotra sosialy ihany no naterak'io didy io fa na dia mbola tsy voalaza akory aza izy io dia efa mpiserasera maro amin'ny aterineto no efa nihevitra sahady izay mety ho vokatry ny tapa-kevitry ny ECHR. Noho izany tranga izany dia nandefa ity bitsika ity ny Fikambanan'ireo Niharan'ny Fampihorohoroana [es]:

Misokatra ho an'ny Amnesty International ny varavaran'ny AVT raha te-hahalàla marina ny zavatra iainan'ireo niharan'ny fampihorohoroana  izy. Saingy mpomba ny ETA ny ankamaroan-dry zareo.

Niteraka ireto valin-kafatra mavesatra ireto ilay bitsika:

Na dia niaritra ny fampihorohoroana aza ianareo @_AVT_, tsy midika izany fa afaka miteny ratsy fikambanana iray izay nandany 40 taona namonjena ireo olona tsy manan-tsiny ianareo.

Nandritra ny jadona tany Arzantina, niombon-kevitra tamin'ny @_AVT_ i Jorge Rafael Viela : “mpomba ny fikambanana mpampihorohoro ny Amnesty International.” 

Fikambanana maimbo eo ambany fifehezan'ny hery farany havanana izay mampiasa ny fahafatesana ho fitaovam-pamoretana ny AVT.

@_AVT_, ataonareo izay hikofohan'ireo niharam-boina maty any am-pasany.

Nametraka tsikera ao amin'ny tranonkalam-baovao sy ny gazety amin'ny aterineto ihany koa ny sasany amin'ireo mpiserasera, tsy amin'ny Twitter ihany. Izao no nosoratan'i Falcatruadas [es] ao amin'ny lahatsoratry ny Huffington :

Cuando dejaran de prostituir a las victimas estos malnacidos. Se les acabo el chollo.

Rahoviana ireo zanakà makorelina ireo vao hijanona tsy hampijangajanga ireo niharam-boina. Tapitra ny lalao.

Notsikerain'i [es ] machao, tamin'io haino aman-jery io ihany, ny bitsiky ny AVT :

Toda esta gente de la AVT hace mucho tiempo que perdió toda su credibilidad y lo que es peor toda su dignidad. Qué mal debieron llevar el cese permanente de la actividad armada de ETA, se les acabó el chollo.

Efa fotoana ela no very ny fahatokisan'ny olona ny AVT, ary ny tena loza dia ny voninahiny. Hatraiza ny tsy fahazakan-dry zareo ny fampitsaharana hatreto ny hetsika mitam-piadian'ny ETA. Tapitra ny lalao.

Misy amin'ireo mpiserasera amin'ny aterineto ihany koa no mitsikera ny Amnesty International, toa an-dry lobonegro [es], izay miampanga io fikambanana io ho manana fifandraisana ara-politika mazava amin'ny gazety mpiseho isan'andro ABC :

Claro, claro. Y A.I. es una asociación benéfica para proteger a la gente decente y desamparada, ¿ verdad?. Como por ejemplo hace habitualmente en China, en Corea del Norte, en Cuba, en Venezuela, en Rusia y su paraíso de libertad o ahorita mismo en Siria o el cuerno sur de Africa. ¿ a que si?

Marina izany, marina izany. Fikambanana mpiantra izay natao hiaro ny olo-marina sy tsy manam-piarovana ny A.I., sa tsy izany ? toy ny fanaony mahazatra any Shina, Korea Avaratra, Kiobà, Venezoela, Rosia sy ireo paradisam-pahalalahany, na ohatry ny any Siria amin'izao fotoana izao, na ny ilany Atsimo amin'ny tendron'i Afrika , za tsy izany ?

Fa novalian'i J.J. Salas mpiserasera amin'ny Twitter ilay fanambaran'ny ATV :

Ireo tsikera sy fanalàm-baraka avy amin'ny @_AVT_ hilazana ny zava-misy marina, hoe momba ireo mpigadra ETA foana ny A.I. fa tsy momba velively ireo niharam-boina mihitsy.

Kanefa arovan'ireo mpiserasera amin'ny aterineto ny asan'ilay fikambanana iraisam-pirenena. Nanoratra tao amin'ny VdeVerdadNews i Daniel Morgado :

Protest organized by ATV in Madrid. Photo from the blog Auténticos builders of peace.

Hetsi-panoherana nokarakarain'ny AVT tany Madrid. Sary avy amin'ny bilaogy Auténticos mpanangana fandriampahalemana.

La AVT vuelve a estar en boca de la gran mayoría de los españoles y las españolas, y no precisamente por sus méritos sino más bien por sus errores. Cabe recordar que según nos informaba el diario El Plural ya en 2007, esta misma asociación cuenta con el respaldo de grupos “tan democráticos y respetuosos” como son Alianza Nacional, La Falange, España 2000, Frente Nacional, Juventudes de la Falange Española,…; que “apoyan de manera inquebrantable a la AVT y sus reivindicaciones”. 

Miresaka ny AVT avokoa ny ankamaroan'ny Lehilahy sy vehivavy Espaniola, tsy momba ny zava-mendrika nataony anefa fa momba ny hadisoany. Tsara ampahatsiahivina fa araka ny efa nambaran'ny gazety mpiseho isan'andro El Plural tamintsika tamin'ny 2007, io fikambanana io dia efa notohanan'ny vondrona ” demokratika sy ny medri-kaja” toy ny Fifanarahana Nasionaly-Alianza Nacional, La Falange, España 2000, Frente nacional, Juventudes de la Falange Española…, izay ” manohana amin'ny fomba tsy azo hozongozonina AVT sy ny fitakiany.”

Mba hihomehezana dia nampifandraisin'ireo mpiserasera sasany ao amin'ny Twitter amin'ny fahazaran'ireo sasany solontenan'ny governemanta mampifandray izay vondrona rehetra ” manelingelina” amin'ny ETA ny bitsiky ny AVT:

Avy amin'ny mpamorona ny ” 15 Martsa dia ETA,” “ny PAH dia ETA,” ary ny  “11 Martsa dia ETA” no tonga ny @_AVT_: “Amnesty International dia ETA”

Nikatona niaraka tamin'ny fampidirana ny Amnesty International ny fivondronana.

Niforona tamin'ny 1981 ny AVT. Manangona ireo fianakaviana sy ireo niharan'ny fampihorohoroan'ny ETA [en], IRA [en], Vondrona Mpanohitra Anti-Fasista ny voalohan'ny Oktobra -First of October Anti-Fascist Resistance Groups [en] sy ny vono olona ataon'ny Silamo. I Angeles Pedraza, izay namoy ny zanany vavy tamin'ny fanapoahana tamin'ny baomba ilay fiarandalamby tany Madrid tamin'ny 2004, no filoha am-perin'asa. Hatramin'izay niforonany dia ampangaina ho mifandray tendro amin'ny Partido Popular ( Antokon'ny vahoaka) izay eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana ,amin-javatra maro sy ho tompon'andraikitry ny korontana maro niaraka tamin'ireo governemanta PSOE (sosialista) teo aloha ary ireo fikambanan'ireo niharan'ny fampihorohoroana avy amin'ny foto-kevitra isankarazany ny AVT. Saingy fantatra ihany koa amin'ny fiarovany ireo niharam-boina sy ireo sisa velona tamin'ny fampihorohoroana io fikambanana io.

Ao anatin'ny resadresaka niaraka tamin'i Paco Novales[es] ho an'ny tranonkalam-baovao Mas nalefa tamin'ny 4 Septambra 2013 dia toy izao ny fomba nilazan'i Angeles Pedraza, filohan'ny AVT izany : 

¿Cuáles han sido los logros y aciertos de la AVT desde su creación? ¿Ha habido algún error?
R: Somos humanos, así que errores tiene que haber. Pero la AVT ha tenido grandes logros en su lucha por las víctimas del terrorismo. En los duros ochenta ayudó a sacarlas de la clandestinidad a la que estaban obligadas a acogerle, supo movilizar a la sociedad contra la injusticia y frente a los terroristas, consiguió que empezase a aplicarse la doctrina Parot para hacer las condenas más justas,… y muchas más.

(…)

P.- Si tuviera capacidad para hacer o eliminar leyes, ¿qué medidas adoptaría?
R: Eliminaría todos los beneficios penitenciarios para los asesinos y adoptaría la cadena perpetua.

Inona daholo ireo fahombiazana sy zavatra tsara vitan'ny  AVT hatramin'izay niforonany ? Nisy ve hadisoana ?
R: Olombelona izahay, mety misy ny hadisoana. Fa misy fahombiazana lehibe nataon'ny AVT ho an'ireo niharan'ny fampihorohoroana. Tamin'ny taona 80 namaivay, dia nanampy tamin'ny famoahana ireo mpampihorohoro tany amin'ny fiafenany ny AVT, nanentana ny fiaraha-monina hiady amin'ny tsy fahamarinana sy ny mpampihorohoro, nahavita nametraka ny fampiharana ny foto-kevitra Parot mba hisian'ny famonjàna ara-drariny,… sy ny maro hafa.

(…)

P.- Raha toa ka azo atao ny manao na manafoana lalàna, inona no fepetra raisinareo ?
R: Foanako daholo ireo tombontsoa azon'ny mpamono olona any am-pigadràna ary atsangako ny famonjàna mandra-pahafaty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.