Filipina, Fanontanian'ireo Sisam-patin'ny Rivodoza: ‘Aiza ny Mpitondra Antsika?’

Resident of eastern Samar have set up temporary shelters after the storm. Image from Plan Philippines

Nanangana fialofana vonjimaika ireo mponina ao atsinanan'i Samar taorian'ilay onjan-drano mahery. Sary avy amin'ny  Plan Philippines

Andro enina izay no lasa hatramin'ny nandalovan'i Haiyan (Yolanda), ilay onjan-drano mahery namely ny faritra afovoany amin'i Filipina, saingy tsy mbola nomena fanampiana ihany ny maro amin'ireo sisam-paty. Maro ireo vatana mangatsiaka mivalampatra eny an'arabe, mangataka sakafo ireo mpialokaloka, ary tsy tonga any amin'ireo nosy lavitra any amin'ireo faritany ravan'ilay rivodoza ao Visayas ny asa famonjena.

Niteraka onja toy ny “tsunami” i Haiyan, izay namoizana ain'olona an'aliny tanatin'ny indray mipi-maso monja. Ny faritanin'i Leyte sy Samar no tena isan'ny faritra voa mafy indrindra, ahitàna tanàna nanjary toy ny fanariam-pako. Araka ny tatitra ofisialy farany, maherin'ny  2.000 no namoy ny ainy saingy mety mbola ho avo noho izany ny fahavoazana satria marobe ireo faty  no mbola tsy voaangona.

Tsinjo eny anaty media sosialy ny tsy fahafaham-po mikasika ny fihisatry ny hetsika avy amin'ny governemanta :

Rakotry ny fanampiana sy fanohanana avy amin'ireo olona tsara sitrapo. Amin'ny fotoana tahaka izany dia mametraka fanontaniana ianao hoe fa nankaiza ny politisiana, aiza ny mpitondra antsika?

— anjell_27 (@anjell_27) 13 Novambra 2013

Andro 5 taorian'ny faharavàna, aiza ny governemanta? @govph Efa vita ny fianaran-draharaha nataonao ry Pnoy, fotoana izao hampandehanana haingana ny zavatra rehetra!  #shame #yolandaph

— JR Pantino (@guillmo) 13 Novambra 2013

Mahonena, andro 6 taorian'ny namelezan'i  #YolandaPH, zara raha tsapan'ireo sisam-paty ny fanampiana avy amin'ny Gov'ta. Mbola betsaka ireo faty mitsiatra eraky ny arabe miandry mpaka azy

— Marlon Ramos (@iammarlonramos)  13 Novambra 2013

Asehon'ny media erak'izao tontolo izao ny tsy fahampian'ny hetsika avy amin'ny governemanta hanampiana ireo niharam-boina tamin'ny Yolanda. Lasa nankaiza ny tetibola 1 lavitrisa avy amin'ny fiadidiana ny fitondram-panjakana? Hmmm ?

— Nina Belgica (@ninavbelgica) 13 Novambra 2013

Lasa nankaiza ny vola natokana ho an'ireo tra-boina tamin'ilay Typhoon? Sa ve ny valiny hoe any am-paosin'ny governemantantsika? Very ny fitokisana ny maha-olona.

— Anton Recto (@IamAntonRecto)13 Novambra 2013

Miraraka avy amin'ny lafintany rehetra ny fanampiana saingy tsy misy rafitra fitsinjaràna mahomby ho an'ireny fanampiana ireny:

Rakotra fanampiana, ary dia mbola noana hatrany ireo niharam-boina tamin'ilay rivodoza no sady mangatsiaka. Antenaina mba hamaha faran'izay haingana ny olan'ny fanaterana azy ireny ny @govph !!! #YolandaDay6

— Zen Hernandez (@zenhernandez) 13, 2013

‘Mahasorena ny tsy fahitàna mihitsy asa famonjena na iray aza. Tsy misy ezaka goavana na efa voapetraka ho fanampiana. Tena mahavaka saina ‘ – @sanjuncssr #YolandaPH

— Tudla Productions (@tudlaprod)13 Novambra 2013

Raha noraisina ho i Tacloban no ‘ivo fiaingàna’ amin'ity loza mahatsiravina ity, mba rava ihany koa ireo nosy hafa ary tsy voatatitra araka ny tokony ho izy ny zavatra misy any an-toerana any. Nitsidika ny faritanin'i Capiz i  Ayi Hernandez ary mizara ny zavatra hitany :

Ireo trano vita tamin-javatra maivana no, na fongotra tanteraka, na tena nahita faisana. Ireo trano vita tamin'ny akora mavesatra (simenitra) kosa dia afaka niatrika ny heriny saingy lasa ny tafo, ampahany na manontolo. Somary nanahiran-tsaina ihany ny nahita ny faharavana rehefa tonga tao amin'ny fari-piadidian'i Ivisan izahay.

Nanangana tranolay eny afovoan'ny arabe ny sasany tamin'ireo fianakaviana ary angamba noho ny tranony vita tamin-javatra maivana, nahavaky fo ny zavatra hitan'ny maso.

Miaraka amin'ny karazana faharavana tahaka izany, ny zavatra tena nahagaga anay dia ny toa tsy fisian'ny asa famonjena any amin'ireny fari-piadidiana ireny. Tsy misy na iray aza fanampiana mitete any .

Ireto ambany ireto ny sasany amin'ireo sary tao Samar, ilay faritany voalohany indrindra niantefan'ilay rivodoza Haiyan:

Na ny fiara mpamonjy voina aza tsy navelan'ny hatezeran'i #Haiyan#YolandaPH hiangana tao Hernani , ESamar @CarinAtPlan @PlanPhilippines pic.twitter.com/8csmSTcxsQ

— Plan Philippines (@PlanPhilippines) 11 Novambra 2013

Fiara telo potika manerana ny làlana taorian'ny fandalovan'i #Haiyan #YolandaPH tao ESamar @PlanPhilippines @CarinAtPlan pic.twitter.com/ZAYXSabA4p

— Plan Philippines (@PlanPhilippines) 11 Novambra 2013

Velom-pisaorana noho ireo fanampiana nalefan'ny firenen-tsamihafa ny Filipiana.

Image from Facebook of Jeffrey Cruz

Sary tao amin'ny Facebook an'i Jeffrey Cruz

Ruffy Biazon, manampahefana ao amin'ny governemanta, manoratra izay heverina fa tokony hatao haingana :

Raha mbola eo an-dalam-panatanterahana ny asa famonjena amin'izao fotoana izao ary manolo-tànana manampy ny tsirairay avy, dia misy kosa olona mila maka bàhana manao jery todika ny zavatra nitranga sy ny lesoka, ny tokony natao sy ny hatao ho fisorohana izay mbola azo sorohana, miomana amin'izay tsy azo hialàna ary manome ny fitaovana hanaovana izay azo tanterahana.

Tokony ho amin'ny sehatra nasionaly no hanaovana izany, ary ny zavatra manan-danja indrindra, dia miainga avy eo an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.