- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Etiopiana: #MbaMisiaOlonaMitenyAmArabiaSaodita Hampiato Ny Famoretana Mpifindra Monina

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Arabia Saodita, Etiopia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sendikà, Zon'olombelona

Ny 4 Novambra 2013, nanomboka nampihatra ny famoretana an'ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna i Arabia Saodita. Inoana ho mampiantrano vahiny mpila ravinahitra maherin'ny fito tapitrisa, ombam-bady aman-janaka, i Arabia Saodita. Tamin'ny Aprily 2013, ary nanome fe-potoana fito volana ho famelàn-keloka hahafahan'ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna hanao izay haha-ara-dalàna azy ireo na handao ny firenena.

Ireo mpifindra monina avy any Etiopia, sy firenena Afrikana  any Atsimon'i Sahara, no tena isan'ny mizaka ilay famoretana, izay niteraka korontana sy herisetra. Nampodian'ny governemanta Etiopiana ireo terataniny tsy ara-dalàna nonina tao Arabia Saodita taorian'ny nisian'ny tatitra [1]hoe nisy Etiopiana iray matin'ny polisy Saodiana.

Tedros Adhanom, Minisitry ny Raharaham-Bahiny ao Etiopia nanaiky fa [1] zon'i Arabia Saodita ny mandroaka ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna, saingy nohelohiny kosa ny fampiasana hery sy fanolànana atao an'ireo Etiopiana mpila ravinahitra, araka ny itateran'ireo media sosialy sy fampitam-baovao samihafa azy.

Ity ambany ity ny lahatsary iray [2] nakarin'i Amharictube [3] tao amin'ny Youtube mampiseho andiam-pifindra monina marobe nankao Arabia Saodita:

Nisy fanangonan-tsonia [4] napetraka ao amin'ny MoveOn.org hanairana ny Firenena Mikambana sy ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona tahaka ny Amnesty International mikasika ny fitarainan'ireo Etiopiana mpila ravinahitra any Arabia Saodita.

Mampiasa ny tenifototra #SomeoneTellSaudiArabia [5] (#MbaMisiaOlonaMitenyAmArabiaSaodita) ireo Etiopiana sy ny naman'i Etiopia ety anaty aterineto mba hanamelohana ny fomba fitondra ireo Etiopiana mpila ravinahitra ao Arabia Saodita.

Mahlet (@Mahlet_S [6]) nanamarika fa tsy mpanao heloka bevava akory ireo mpifindra monina fa mpitady asa:

#SomeoneTellSaudiArabia [7] #MbaMisiaOlonaMitenyAmArabiaSaodita fa tonga hitady asa fotsiny ao amin'ny firenen-dry zareo ireo mpifindra monina ireo mba ho afa-mivelona, tsy mpanao heloka bevava ireo

— Mahlet (@Mahlet_S) 11 Novambra 2013 [8]

Addis Standard (@addisstandard [9]), gazetiboky iray mpiseho isam-bolana ao Etiopia, nanoratra hoe :

#SomeoneTellSaudiArabia [7] #MbaMisiaOlonaMitenyAmArabiaSaodita fa ny saina maha-olona no ahatakarana ny dikan'ny atao hoe olombelona fa tsy ny fanarahana an-jambany ny ara-pivavahana!

— Addis Standard (@addisstandard) 12 Novambra 2013 [10]

Ny sasany tamin'ireo mpampiasa twitter dia niverina nijery ny fifandraisana ara-tantara teo amin'ny finoana Silamo sy Etiopia. Hafsa Mohamed (@hafsamohamed1 [11]) nanindry hoe :

#SomeoneTellSaudiArabia [7] #MbaMisiaOlonaMitenyAmArabiaSaodita Ny Mpaminany Mohammad (PBUH) [Peace Be Upon Him] dia nanome baiko ireo mpanara-dia azy mba tsy hihantsy na oviana na oviana / hanao ratsy #Ethiopia [12]. Adinon-dry zareo. pic.twitter.com/XxZocICmPr [13]

— Hafsa Mohamed (@hafsamohamed1) 12, 2013 [14]

Kali (@KaliDaisyy) nanoaratra hoe [15]:

#SomeoneTellSaudiArabia [7] Nanokatra ny tànany handray ireo Silamo mpifindra monina avy any La Mecque i Etiopia, dia ireo izay nanaovan'ny foko Quraysh antsojay & ary ankehitriny izy ireo mamono antsika?

— Kali (@KaliDaisyy) 12 Novambra 2013 [16]

Ilay psikôlôgy Antonio Mulatu (@AntonZfirst [17]) dia nitanisa ny torohevitra nomen'i Muhammad mpaminany mikasika an'i Etiopia :

1/ #SomeonetellSaudiArabia [18] #Mohammed [19] mpaminany niteny hoe # ” Mankanesa any #Ethiopia [12] raha tianareo. Misy mpifehy tsy mampijaly na iza na iza any.

— Antonio Mulatu (@AntonZfirst) 12 Novambra 2013 [20]

Efa tany amin'ny andro nanomezan'i Etiopia fialofana [21] ho an'ireo Miozolmana nandositra ny fanenjehan'ny mpifehy an'i La Mecque no nisy ny fifandraisana teo amin'i Etiopia sy ny Silamo. Bilal ibn Rabah al-Habash [22], iray tena miavaka tamin'ireo mpanara-dia an'i Muhammad sady Muezzin voalohany, ilay olona izay mitanisa ny antso hivavaka, dia Etiopiana.

i Etiopia no tanindrazan'ny Harar, izay raisina ho ny tanàna masina faha-efatra [23] ho an'ny Miozolmana, ahitàna maoske 82, ka ny telo amin'izany dia efa hatrany amin'ny taonjato faha-10, ary toerana masina 102.

Toerana nandray ny Hijrah Voalohany [24] ihany koa i Etiopia, ny fifindra-monin'ireo Miozolmana nandositra ny fanenjehana, teo amin'ny tantaran'ny finoana Silamo.

Kanefa, anoof (@anoofesh [25]) avy ao Riyadh, Arabia Saodita, tsy niombon-kevitra tamin'ilay fampitahana ireo Etiopiana mpifindra monina nankao Arabia Saodita sy ireo miozolmana nifindra monina nankany Etiopia:

@KaliDaisyy [26] Tsy tonga tamin'ny fomba tsy ara-dalàna tao Etiopia ireo miozolmana mpifindra monina 🙂

— anoof (@anoofesh) 12 Novambra 2013 [27]

Melak Mekonen (@melak_m [28]) nahatsikaritra fa :

#SomeoneTellSaudiArabia [7] :Manan-jo hijery ny resaka fifindràmonina tsy ara-dalàna ianao, saingy tsy tokony hanararaotra, hamono na hanao antsojay!

— Melak Mekonen (@melak_m) November 12, 2013 [29]

Lee Jasper (@LeeJasper [30]), mpikambana avy amin'ny Respect Party any UK, nahita ny fitarainan'ireo Etiopiana mpifindra monina ho tahaka ny an'ireo Palestiniana eo ambany fanjakazakàn'ny Israeliana:

#SomeoneTellSaudiArabia [7] #MbaMisiaOlonaMitenyAmArabiaSaodita fa mbola ratsy lavitra noho ny fitondran'ny #Israeli-ana [32] ny  #Palestinians [33]  ny fomba fitondra feno fanavakavahana ataon-dry zareo amin'ny #Ethiopians [31] .

— Lee Jasper (@LeeJasper) 12 Novambra 2013 [34]

جبرتينهو (@iabj [35]) nanamafy :

#SomeoneTellSaudiArabia [7] tsy andevo akory ireo vahiny ary tsy hadisoana ny fahantrana

— جبرتينهو (@iabj) 12 Novambra 2013 [36]

Yehenew Walilegne (@YeheneWalilegne [37]) , Etiopiana manampahaizana manokana momba ny zon'olombelona, monina any Zeneva, Soisa, dia manohitra ny firotsahan'i Arabia Saodita ho mpikambana ao anatin'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona:

#SomeoneTellSaudiArabia [7] Tokony handà ny firotsahan'i #KSA [39]  ho mpikambana ao aminy ny#UNGA [38] satria ny maha-izy azy sy ny fitokisana an'ireo mpikambana ao amin'ny Filankevitra Momba ny Zon'Olombelona (#Human [40] Rights Council) #UNGA [38] & #HRC [41] mihitsy no atao kilalao.

— Yehenew Walilegne (@YeheneWalilegne) 12 Novambra 2013 [42]

Arabia Saodita, Shina, Rosia ary Kiobà dia samy nahazo toerana [43] ao amin'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zone'Olombelona, ny Talata 12 Novambra 2013 teo.

Hoy i anoof amin'ireo Etiopiana :

@KaliDaisyy [26] Te-hanondro anay ho fanahin-devoly fotsiny ianareo ary hilaza aminay ny fatran'ny hasosoranareo. Ny ankamaroanareo dia tsy mahafantatra velively ny zava-mitranga mitohy miseho ao. #SomeoneTellSaudiArabia [7]

— anoof (@anoofesh) 12 Novambra 2013 [44]