[Mankany amin'ny pejy miteny Espaniola avokoa ny rohy rehetra, raha tsy misy ny fanamarihana hafa]
Nandeha naka sary teny amin'ny araben'ny tanàna nahaterahany ao Cochabamba niaraka tamin'ilay mpaka sary sy mpamorona horonantsarimihetsika Roberto Lanza (@lobobs) ilay mpisera Twitter mavitrika sy malaza Patricia Vargas (@arquitecta) tamin'ny Alahady 3 Novambra, saingy azon-tsampona ny dian'izy ireo raha nosamborin'ny polisy izy ireo.
Vargas nanambara avy hatrany ny zava-nitranga tao amin'ny Twitter:
#Urgente nos llevan arrestados a Roberto lanza y a mi x sacar fotos en la ciuuadad ayuda a los medios, nos llevan a la felcn
— påt®i©iå (@arquitecta) November 3, 2013
#Maika nosamborin'izy ireo izaho sy Roberto lanza satria naka sary tao antanàndehibe, mitady vonjy amin'ny media, hoentin'izy ireo any amin'ny FELCN (Hery Manokana Misahana Ny ady amin'ny trafikan-drongony)) izahay.
Niparitaka manerana ny Twitter Boliviana ny hafatra nalefany ka namaly ireo media isan-karazana sy olo-malaza.
Niseho ny fisamborana rehefa avy naka sary ny endrika ivelany ny Banco Mercantil Santa Cruz, tranobe manan-tantara ao Cochabamba, izay fananan'ilay milionera mpanao fitrandrahana Simón I. Patiño [en] teo aloha izy ireo.
Na dia navotsotry ny Hery Manokana miady amin'ny Trafikan-drongony (FELCC) tsy nisy fiampangana aza izy ireo taorian'ny ora dimy, dia nisy ireo nilaza fa tsy mahazo maka sary ny tranoben'ny banky izy ireo noho ny antony ara-piarovana.
Na dia izany aza, misy ny lalàna iraisam-pirenena izay milaza mazava ny tsy maha ara-dalàna ny zava-niseho. Namoaka fitsipika manohana ny sary ankalamanjana tao amin'ny bilaoginy ilay bilaogera sy mpikatroka manana kolontsaina malalaka Justin Duranboger :
La Decisión 351 Régimen Común sobre Derecho de Autor y Derechos Conexos (17 de diciembre de 1993) de la Comunidad Andina de Naciones de la cual Bolivia es miembro junto a Colombia, Ecuador y Perú, en su artículo 22, inciso h) reconoce la libertad de panorama:
Artículo 22.- Sin perjuicio de lo dispuesto en el Capítulo V y en el artículo anterior, será lícito realizar, sin la autorización del autor y sin el pago de remuneración alguna, los siguientes actos:
(…)
h) Realizar la reproducción, emisión por radiodifusión o transmisión pública por cable, de la imagen de una obra arquitectónica, de una obra de las bellas artes, de una obra fotográfica o de una obra de artes aplicadas, que se encuentre situada en forma permanente en un lugar abierto al público;
Lalàna 351: ny fitsipika iombonana momba ny zon'ny mpamorona sy ny zo mifandraika amin'izany (17 Desambra 1993) ny ao amin'ny Fikambanan'ny Firenena Andeana ka anisan'ny mpikambana amin'izany i Bolivia, miaraka amin'ny Kolombia, Ekoatera ary Però, andininy faha-22, tapany h):Mankatò ny fahafahana maka sary talaky maso (panorama)
Andininy faha-22: Raha tsy manohintohina ny fepetran'ny toko faha-V sy ny andininy teo aloha, mihatra ireto fitsipika ireto, tsy mila fanekena avy amin'ny mpanakanto ary tsy misy fandòavana karama na tambiny:
…
h) ny maka tahaka, manely na mandefa amin'ny alalan'ny telegrama mivantana, ny sarin'ny asa momba ny maritrano, sanganasa, sary na sanganasa noforonina, ny sary na ny asan-javakanto norantovina izay miorina maharitra eny an-dalambe sy ny sehatra misokatra ho an'ny daholobe;
Nanazava momba ity fisamborana tsy amin'ny antony ity tao amin'ny Twitter ihany koa i Alfonso Gumucio, mpanao gazety, mpanoratra sy mpamorona horonantsarimihetsika:
@pvargasj @payorivero @arquitecta Eso no es cierto Paul. Lo que está prohibido es sacar fotos del interior, no del exterior.
— Gumucio (@AlfonsoGumucio) November 5, 2013
@pvargasj @payorivero @arquitecta Tsy marina izany ry Paul. Ny fakàna sary ao anatiny no voaràra fa tsy ny ao ivelany.
Niseho tamin'ny fomba lazain'izy roa sy tsikerainy ho tsy ara-dalàna sy manitsakitaka ny zo sivily ihany koa ny fisamborana.
Roberto Lanza nanazava tao amin'ny Twitter mikasika izay zava-nitranga:
Dos individuos de civil armados nos abordan agresivos arguyendo que no se puede fotografiar ahí. Pedimos credenciales y mostraron la pistola
— Roberto Lanza (@lobobs) November 4, 2013
Nanatona anay ireo polisy roa manao fanamiana sivily ary nilaza fa tsy mahazo maka sary eo izahay . Nangatahanay ny karatr'izy ireo ka ny basiny indray no navoakan'izy ireo.
Para nosotros en ese momento nos estaban asaltando, exigían que subiéramos a un vehículo no identificado.
— Roberto Lanza (@lobobs) November 4, 2013
Ho anay, tamin'io fotoana io, dia notafihana izahay, nangataka izy ireo ny hitsofohanay ao anatin'ilay fiara tsy misy marika.
De ninguna manera subiríamos a ese vehículo y exigimos presencia de una patrulla, ahí empezó la bronca personal de estos dos ofendidos canas
— Roberto Lanza (@lobobs) November 4, 2013
Tsy nety niditra tao anatin'ilay fiara izahay ary nitady ny hidiran'ny polisy an-tsehatra, izany no natao raha nanomboka ny fikasiha-tanàna avy amin'ireo polisy manampahefana roa ireo
Gritamos auxilio y gente no se inmutaba. Tratamos de alargar tensión hasta que aparezcan uniformados. Policía forcejeaba con @arquitecta
— Roberto Lanza (@lobobs) November 4, 2013
Niantso vonjeo izahay saingy tsy nisy olona nihetsika mihitsy. Niezaka nanalava ny fifamaliana izahay mandra-pahatongan'ireo polisy manao ny fanamiany. Nifampitolona tamin'i @arquitecta ny polisy
Mikasika ny herisetra tafahoatra sy hetsika mampiahiahy nataon'ny polisy, hoy ny fehintenin'i Patricia:
@locacomotumadre como es posible que 2 personas sin uniforme a quienes pides identificar y te muestras su pistola. Qué pensarías?
— påt®i©iå (@arquitecta) November 5, 2013
@locacomotumadre ahoana no ahafahan'ireo olona roa tsy manao fanamiana miaramila mamoaka basy raha mitaky karatra hamantarana azy ireo ianao. Ahoana ny hevitrao?
Nahazo fanohanana avy amin'ny fiaraha-monin'ny haikanto sy kolontsaina i Patricia sy Robert. Boliviana Mpamorona horonan-tsarimihetsika malaza Marcos Loayza (@ marcosloayza) nilaza hoe:
@LaMalaPalabra @arquitecta nadie debe ser arrestado por sacar o filmar en todo el país
— marcos loayza (@marcosloayza) November 4, 2013
@LaMalaPalabra @Arquitecta Tsy misy olona azo samborina raha maka sary na aiza na aiza eto amin'ny firenena
Taorian'ny zava-nitranga, nisaotra izay rehetra nanohana azy ireo tao amin'ny habaka sy tao amin'ny tobin'ny polisy i Patricia. Nanipika ny fiantraikan'ny fitadiavam-bonjy amin'ny tambajotra sosialy ihany koa izy:
Nunca duden de pedir ayuda x este medio, u otro medio online, siempre habrá alguien que leerá y difundirá su mensaje con un RT.
— påt®i©iå (@arquitecta) November 5, 2013
Aza misalasala mangatam-bonjy ao amin'ity fitaovana ity, na fitaovana antserasera hafa, fa misy olona hamaky sy hanaparitaka ny hafatra alefanao foana amin'ny alalan'ny RT.