Tantara tamin'ny 14 Novambra 2013
Etiopiana: #MbaMisiaOlonaMitenyAmArabiaSaodita Hampiato Ny Famoretana Mpifindra Monina
Nanomboka nampihatra ny famoretana ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna i Arabia Saodita taorian'ny nahataperan'ny fe-potoana famelan-keloka nomena ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ireo. Mahatsiaro ho lasibatra ireo Etiopiana mpifindra monina.
Mpisera Twitter Boliviana Nosamborina Satria Naka Sary Tranobe Manan-tantara
Nosamborin'ny polisy ireo mpisera Twitter Boliviana satria naka sary tranobe manatantara. Tonga namonjy azy ireo avy hatrany ireo mpiserasera Boliviana rehefa nampilazaina tamin'ny alalan'ny sioka.
“Hanaovantsika Sarintany i Nizera”: Fatiman Alher
Fantaro i Fatiman, iray amin'ireo mpandray anjara amin'ny tetikasa "Mandrakitra an-tsarintany ho an'i Nizera", nanamafy ny fahaizana mampiasa dizitaly izy ary nampihatra izany tamin'ny fianarana jeografia nataony. Nanampy azy hahay mijery vaovao ny taotsarintany diizitaly.
Filipina, Fanontanian'ireo Sisam-patin'ny Rivodoza: ‘Aiza ny Mpitondra Antsika?’
Miraraka ny fanampiana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, saingy mitaraina kosa ireo tra-boina tamin'ilay rivodoza fa tsy mbola naharay ry zareo na dia fanampiana kely avy amin'ny governemanta aza