- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Oud Criminal” Ho An'i Yemen

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

Lahatsarin-kira iray vaovao no miely be any anaty media sosialy ao Yemen, izay hatreto dia nahitàna mpitsidika maherin'ny 30.000 tao anatin'ny herinandro iray.

Fifangaroana fahaiza-mamorona amin'ny mozika tandrefana avy amin'ny asa soratra “Smooth Criminal” lalaovina amin'ny zavamaneno Oud [1] avy any Afovoany Atsinanana ilay hira. Nolalaovina sy nakarin'i Ahmed Alshaiba [2] ho ao amin'ny Youtube, iray amin'ireo mpiangaly mozika tena manana talenta ao Yemen, izay nampakatra ity ihany koa ho ao amin'ny rindrin'ny Facebook [3]:

Amin'ny maha-mpankafy fatratra an'i Michael Jackson, indro ho anao, ny “dikany atao Oud” ho an'ny “Smooth Criminal” .. antenaiko fa ho tianao izy ity !
أنا كمحب لمايكل جاكسون أحببت أن اعزف نسختي الخاصه لأحد اغانيه بالعود ,, اتمنى ان تعجبكم
http://youtu.be/_FwJqYcCcMU [2]

Zava-tsy nampoizina nefa nahafinaritra ity lahatsary ity ho an'ireo mpankafy mozika sy mpitia Michael Jackson. Indreto ny sasany tamin'ireo fanehoankevitra tao amin'ny Twitter:

Manana Lindsey Stirling lehilahy i Yemen …. Smooth Criminal . Na “#Oud [4] criminal” no tokony hoteneniko  http://t.co/RrTqtqh5tI [5]

— GiftofLove Light (@DesertRose_26) 1 Novambra 2013 [6]

Tsara loatra! Filalaovana ny hira ” Smooth Criminal ” an'i Michael Jackson amin'ny Oud iangalian'ny #Artist [8]a #Yemen [7]-ita  Ahmed Alshaiba: http://t.co/KZzAZrXmU7 [9]

— Nawal Al-maghafi (@Nawalf) 9 Novambra 2013 [10]

Mampitolagaga! tsy leo mihaino ilay Smooth Criminal an'i Michael Jackson iangalian'i Ahmed Alshaiba #Artist [8]  #Yemen [7]-ita   http://t.co/gdlNnI0gtX [11]

— Arwa Alhubaishi (@Arwa_AKH) 11 Novambra 2013 [12]