
Catherin Ashton, lehiben'ny Firaisambe Eoropeana mikasika ny politika ivelany, nandritra ny fifanarahana tany Jeneva niaraka tamin'Iran. Loharano: Irna, sary an'i Mohammad Reza Alimadadi
Vita tsy nisy fifanarahana tamin'ny Sabotsy 9 Novambra 2012 tany Jeneva, any Soisa ny andiana fifanarahana ara-nokleary [2] iray hafa teo amin'i Iran sy firenena enina matanjaka indrindra eran-tany. Na izany aza, niresaka mikasika ny hanaovana “zotra fivoarana goavana” ireo mpanatanteraka izany fifanarahana izany. Nandritra ny folo taona, nisy ireo tetikasa iraisam-pirenena hamerana ny fivoaran'ny teknolojia nokleary tany Iran. Mpanao aterineto Iraniana maro no nijery ny lafy tsaran'ity tantara ity, tamin'ny famoahana lahatsoratra sy bitsika mampihomehy.
Nilaza [3] ny Sekreteram-panjakana Amerikana John Kerry, izay nanatrika ilay fifanarahana an-databatra fa “nanena ny tsy fitoviana” io andianà adihevitra vaovao io ary dia hiara-hiasa izy ireo hamaha ny fifandirana ao aoriana.
Nitoraka bitsika [4]i Hamed [fa]:
فکنم الان اختلاف سر اینه که پوله هتل رو کی حساب کنه. احتمالا انداختن گردن #کری [5] اونم جا زده #ژنو [6] بابا دنگیش کنید بره دیگه
— Hamed (@HamedEsm) November 9, 2013 [7]
Mieritreritra aho fa mikasika ny olona handoa ny volan'ny hotely izany tsy fitovian-kevitra izany. Angamba mety ho i Kerry no nangatahana handoa izany… Aleo samy mandoa ny anjara tandrify azy ny rehetra.
Nitoraka bitsika [8] i Kourosh [fa]:
همین که فارس عکس مذاکره #ظریف [9] و #کری [5] رو گذاشته بدون اینکه برای #کری [5] سبیل بکشه یا شاخ بذاره یعنی کلی پیشرفت
— Kourosh (@kouroshmajd) November 10, 2013 [8]
Fambara iray mampiseho izany fivoarana izany ny namoahan'ny [mpitahiry] Fars News [10] ny sarin'i Kerry tsy nisy sarina tandroka teo an-dohany na koa volombava teo amin'ny tarehiny.
Hita anatin'ireo lohateny lehibe ny tsikin'ny [11] Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy.
Nitoraka bitsika [12] i Khashayr Pakfar [fa]:
آخرش جان #کری [5] به #ظریف [9] میگه شوما بمب بساز بزن تو سر من! بزن وسط تلاویو، فقط دیگه نخند! #مذاکره [13]
— khashayar pakfar (@kpakfar) November 10, 2013 [12]
Mety hilaza amin'i Zarif i Kerry hoe “Andatsaho baomba nokleary eo ambony lohako, anapoahy iray any Tel-Aviv, fa aza mitsikitsiky intsony ka! “
Naka [14] toerana tsy azo iadian-kevitra i Frantsa nandritra ny adihevitra mikasika ny nokleary ary Iraniana maro no niampanga ny governemanta frantsay ho namotika ireo fifanarahana.
Nitoraka bitsika [15] i Hafez Hakami [fa]:
الان دقیقا #فرانسه [16] چی کاره دنیاس؟ ابرقدرته؟ تو #خاورمیانه [17] منافع داره؟ شما خیلی بلدی دخالت هات تو آفریقا رو مدیریت کن!
— Hafez Hakami (@hafezhakamii) November 9, 2013 [18]
Aiza ho aiza ny toerana misy an'i Frantsa eo anatrehan'izao tontolo izao ankehitriny? Ianareo ve no manam-pahefana ambony indrindra? Manana tombontsoa manokana ao Moyen-Orient ve ianareo? Raha fantatrareo izay mety ho anareo, tano any Afrika ny fanelanelananareo.