
Catherin Ashton, lehiben'ny Firaisambe Eoropeana mikasika ny politika ivelany, nandritra ny fifanarahana tany Jeneva niaraka tamin'Iran. Loharano: Irna, sary an'i Mohammad Reza Alimadadi
Vita tsy nisy fifanarahana tamin'ny Sabotsy 9 Novambra 2012 tany Jeneva, any Soisa ny andiana fifanarahana ara-nokleary iray hafa teo amin'i Iran sy firenena enina matanjaka indrindra eran-tany. Na izany aza, niresaka mikasika ny hanaovana “zotra fivoarana goavana” ireo mpanatanteraka izany fifanarahana izany. Nandritra ny folo taona, nisy ireo tetikasa iraisam-pirenena hamerana ny fivoaran'ny teknolojia nokleary tany Iran. Mpanao aterineto Iraniana maro no nijery ny lafy tsaran'ity tantara ity, tamin'ny famoahana lahatsoratra sy bitsika mampihomehy.
Nilaza ny Sekreteram-panjakana Amerikana John Kerry, izay nanatrika ilay fifanarahana an-databatra fa “nanena ny tsy fitoviana” io andianà adihevitra vaovao io ary dia hiara-hiasa izy ireo hamaha ny fifandirana ao aoriana.
Nitoraka bitsika i Hamed [fa]:
فکنم الان اختلاف سر اینه که پوله هتل رو کی حساب کنه. احتمالا انداختن گردن #کری اونم جا زده #ژنو بابا دنگیش کنید بره دیگه
— Hamed (@HamedEsm) November 9, 2013
Mieritreritra aho fa mikasika ny olona handoa ny volan'ny hotely izany tsy fitovian-kevitra izany. Angamba mety ho i Kerry no nangatahana handoa izany… Aleo samy mandoa ny anjara tandrify azy ny rehetra.
Nitoraka bitsika i Kourosh [fa]:
همین که فارس عکس مذاکره #ظریف و #کری رو گذاشته بدون اینکه برای #کری سبیل بکشه یا شاخ بذاره یعنی کلی پیشرفت
— Kourosh (@kouroshmajd) November 10, 2013
Fambara iray mampiseho izany fivoarana izany ny namoahan'ny [mpitahiry] Fars News ny sarin'i Kerry tsy nisy sarina tandroka teo an-dohany na koa volombava teo amin'ny tarehiny.
Hita anatin'ireo lohateny lehibe ny tsikin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy.
Nitoraka bitsika i Khashayr Pakfar [fa]:
آخرش جان #کری به #ظریف میگه شوما بمب بساز بزن تو سر من! بزن وسط تلاویو، فقط دیگه نخند! #مذاکره
— khashayar pakfar (@kpakfar) November 10, 2013
Mety hilaza amin'i Zarif i Kerry hoe “Andatsaho baomba nokleary eo ambony lohako, anapoahy iray any Tel-Aviv, fa aza mitsikitsiky intsony ka! “
Naka toerana tsy azo iadian-kevitra i Frantsa nandritra ny adihevitra mikasika ny nokleary ary Iraniana maro no niampanga ny governemanta frantsay ho namotika ireo fifanarahana.
Nitoraka bitsika i Hafez Hakami [fa]:
الان دقیقا #فرانسه چی کاره دنیاس؟ ابرقدرته؟ تو #خاورمیانه منافع داره؟ شما خیلی بلدی دخالت هات تو آفریقا رو مدیریت کن!
— Hafez Hakami (@hafezhakamii) November 9, 2013
Aiza ho aiza ny toerana misy an'i Frantsa eo anatrehan'izao tontolo izao ankehitriny? Ianareo ve no manam-pahefana ambony indrindra? Manana tombontsoa manokana ao Moyen-Orient ve ianareo? Raha fantatrareo izay mety ho anareo, tano any Afrika ny fanelanelananareo.
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...