SARIPIKA: Tanàna Ravan'ny Rivodoza Tao Filipina

Tacloban City after the storm surge. Photo by ABS-CBN, Facebook

Ny tanàna Tacloban taorian'ny onja mahery naterak'ilay rivodoza. Sary an'i ABS-CBN, Facebook

A state of national calamity was Nambaran'ny filohan'i Filipina ny filazàna Loza Mihatra manerana ny firenena taorian'ny faharavàna navelan'ilay rivodoza Haiyan (Yolanda) tany amin'ireo nosy lehibe maro tao amin'ny faritr'i Visayas. Misy vondrom-piarahamonina iray manontolo no nanjavona taorian'ny fifofofofon'ilay onja mahery sahala amin'ny “tsunami” namely ny  faritanin'i Leyte sy Samar. Maherin'ny 10.000 no ahiana ho namoiy ny ainy

Tsy azo aloha ny làlana ao anatin'ny andro maro ary tapaka hatramin'izao ny herinaratra. Ankehitriny dia fantatra amin'ny alàlan'ny tatitra alefan'ireo mpanao gazety sy mpamonjy voina ny teo-draharaha misy any amin'ireo tanàna lavitra. Ny sary avy amin'ireny tatitra ireny dia maneho tantara misimisy kokoa mikasika faharavàna sy ny hirifiry.

David Yu Santos, mpanangom-baovao, dia nanadihady ny zava-misy tao  Guiuan, Eastern Samar, ilay tanàna rava voalohany tamin'ny fandalovan'ilay rivodoza Haiyan. Ireto ambany ireto ny sary nalaina tao amin'ny pejiny Facebook :

A family riding a motor in Guiuan, East Samar. Photo by David Yu Santos, Facebook

Fianakaviana iray mitaingina kodiarandroa ao Guiuan, Samar Atsinanana.Sary an'i David Yu Santos, Facebook

A woman washing clothes amid the debris after the storm. Photo by David Yu Santos, Facebook

Ramatoa iray manasa fitafiana eo anivon'ireo korontna navelan'ilay tafiotra mahery. Sary an'i Yu Santos, Facebook

Destroyed houses in Guiuan, East Samar. Photo by David Yu Santos, Facebook

Trano rava tao Guiuan, Samar Atsinanana. Sary an'i David Yu Santos, Facebook

A family in typhoon-ravaged village. Photo by David Yu Santos, Facebook

Fianakaviana iray mandeha eny an-dalamben'i Guiuan taorian'ny tafiotra mahery. Sary an'i David Yu Santos, Facebook

Residents search for valuable materials in Guiuan, East Samar. Photo by David Yu Santos, Facebook

Mponina mikaroka izay fitaovana mbola misy vidiny ao Guiuan, Samar Atsinanana. Sary an'i David Yu Santos, Facebook

An aerial view of Guiuan, East Samar. Photo by AFP, Facebook

Fijerena an'i Guiuan avy eny ambony fiaramanidina, Samar Atsinanana. Sary an'i AFP, Facebook

Mandritra izany, Kashmer Diestro avy ao amin'ny nosy Panay, dia nizara sary vitsivitsy izay mampiseho ny fiantraikan'i Haiyan tao amin'ny tanànan'i Roxas  :

A tricycle passes by a ruined gas station in Roxas City. Photo by Kashmer Diestro, Facebook

Kodiaran-telo iray (tricycle) mandalo eo aminà tobintsolika rava tao amin'ny tanànan'i  Roxas. Sary an'i  Kashmer Diestro, Facebook

Fallen electric posts in Roxas Boulevard. Photo by Kashmer Diestro, Facebook

Andrin-jiro nianjera tao amin'ny Lalambe Roxas. Sary an'i Kashmer Diestro, Facebook

Ity ambany ity ny sary iray tao amin'ny Twitter avy amin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo manoratra hafatra fanehoana firaisankina amin'ireo niharam-boina tamin'ilay rivodoza :

Mahavaky fo. Mpirotsaka an-tsitrapo manoratra hafatra fankaherezana  aminà harona plastika hasiana ireo fanampiana vonjy taitra ho an'ireo niharam-boina noho ny fandalovan'i #YolandaPH @News5AKSYON pic.twitter.com/54u87BqSDa

— Patricia Ann Roque (@trish_roque) 11 Novambra 2013

Maty nandritra ny fandalovan'ilay rivodoza ihany koa ireo biby fiompy an-trano :

Hatramin'ireo biby fiompy an-trano koa no nizaka ny tsy eran'ny ainy pic.twitter.com/fnW2uYQhjl

— Jim Edds (@ExtremeStorms) 10 Novambra 2013

Lieutenant Colonel of the Philippine military Nitantara ny helo niainany nandritra ny fandalovan'ilay rivodoza i Fermin Carangan, Lietnà Kolonely ao amin'ny tafika Filipiana :

…Voamarikay fa niditra tsikelikely tao amin'ny birao ny rano, noho izany dia voatery nivoaka indray izahay. Avy eo, tampotampoka be, hitanay fa mihamisondrotra mihamisotrika foana ny haavon'ny rano, mandra-pahatonga anay ho voatery hanaisotra ny valin-drihana. Tsy maintsy nandavaka ny tafontrano izahay mba hiakarana tany, ary izaho no niakatra farany.

Tampoka teo dia nirodana ilay trano ary hitako ireo oloko nianjera tany anaty rano namnonja sy rivotra mahery dia mahery. Tsy nisy intsony koa ny tafon'ny trano. Afaka namikitra taminà tapa-kazo iray aho – andry iray izay nesoriko tamin'ny heriko rehetra talohan'ny nipaohan'ny onja sy ny rano mahery ahy.

Teny an-dranomasina, helo hafa indray no niainanay. Nofelapelahan'ny onja izahay, tena onja goavana be avy havia, havanana, aloha, aoriana. Nosafosafoin'ny rivotra misampontna ihany koa izahay. Ary tsy voatohitray fa dia nahatelina ranon-tsira betsaka.

Betsaka ireo nirotsaka an-tsitrapo tamin'ny ezaka “telethons” hanangonana fanampiana ho an'ireo niharam-boina. Nanositsoritra ny fomba niainany ny firotsahany an-tsitrapo i Phillip Willard Medalla :

An-jatony ireo moiantso noniresaka tamiko. Tamin'ny ankamaroan'ny tranga, latsa-dranomaso aho teo am-pihomehezana taminà feo iray nientanentana no sady tohina noho ny loza miseho sy ny tsy fisian'ny fanantenana, no sady naneho fahavononana hanolotra sy hanao fanampiana. Ny zava-misy dia, betsaka ny fanampiana voaray saingy be lavitra koa ny isan'ireo tra-boina mila FANAMPIANA.

Yeb Sano, mpitarika ny mpanelanelana avy amin'ny governemanta ato Filipina tamin'ny Vovonanamben'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetrandro natao tany Polona, dia nanao kabary iray feno hafanam-po tamin'ny fandrisihana ny rehetra hanao sonia velirano iray momba ny toetrandro. Naka ny faharavana naterak'ilay rivodoza namely ny firenena izy ho ohatra :

Tsy maintsy atsahatsika ny fiantsoana ny zavatra tahaka izao ho loza voajanahary. Tsy voajanahary io rehefa mbola manohy ny adiny hanafoanana ny fahantrana ny olona ary manatanteraka ny fampandrosoana sy voafelaky ny onja mahery be izay heverina ankehitriny ho ny nahery indrindra namely ny tany hatreto. Tsy voajanahary io rehefa ny siansa no efa miteny amintsika fa ny fiakaran'ny hfanana erantany dia hiteraka onja mahery vaika kokoa. Tsy voajanahary io rehefa ny zanak'olombelona no efa nanova hatrany amin'ny farany lalina indrindra ny toetrandro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.