Mpanao Gazety Syriana Abdulwahab Mulla Nalaina An-keriny Tao Aleppo

Nalain'ireo jiolahy misaron-tava an-keriny tao an-tranony ao amin'ny faritra afaka ao Aleppo ilay olon-tsotra mpanao gazety sy mpanesoeso Abdulwahab Mulla, 24 taona tamin'ny 8 Oktobra, araka ny tatitry ny Tambajotram-baovao Halab tao amin'ny Facebook.

Nandefa antso ho an'ireo vondrona mpikomy, tompon'andraikitra ao amin'ny fitsarana sy andia-tafika syriana afaka i “Ny Arabika” mba hanampy amin'ny fahitàna ireo mpaka an-keriny sy hitaky ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro. Toy izao ny fivakiny [arabo]:

شبكة حلب نيوز هـــام : مجموعة مسلّحة تختطف شمعة الإعلام الحر في حلب “عبد الوهاب المُلا” أحد أبرز أعضاء “شبكة حلب نيوز”. شبكة حلب نيوز تطالب الجهة الخاطفة بإطلاق سراحه أو الكشف عن هويتها ومطالبها، وتناشد جميع ألوية وكتائب الجيش الحر والثوار والهيئات الشرعية والقضائية بالتحرك والسعي قدماً نحو معرفة الجهة الخاطفة وإطلاق سراحه على العجل

Maika: Tambajotram-baovao ao Aleppo: Nisy andian'olona mitam-piadiana naka an-keriny ilay fanilon'ny fahalalaham-pirenena, Abdulwahab Al Mulla tao Aleppo, anisan'ireo mpikambana mazoto ao amin'ny tambajotra izy. Miantso ny vondrona izay naka azy an-keriny ny tambajotra mba hamotsotra azy tsy misy hatak'andro na hiseho mivantana ary hilaza izay tadiaviny. Miantso ireo andia-tafika syriana afaka, mpikomy sy tompon'andraiki-pitsarana ihany koa izahay mba hamantatra ireo mpaka an-keriny ary hitaky ny famotsorana ilay mpanao gazety avy hatrany.

Nitatitra  tao amin'ny Twitter i Shakeeb Al-Jabr Shabab Souria monina ao Beyrouth, sy lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny gazety Al-Ayyam fa i Mulla “no lasibatra farany tamin'ny herisetra mihatra amin'ny asa fanaovan-gazety”, ary mbola tsy fantatra ireo mpaka azy an-keriny:

Tsy mbola fantatra ireo mpaka an-keriny an'i @tabosho saingy voafaritra fa “misaron-tava sy misy volombava”, ary ny ISIL no ahiahiana voalohany. #Syria

Fantatra amin'ny seho mahatsikaiky ataony ao amin'ny YouTube i Mulla, izay mitondra ny lohateny hoe «3-Star Revolution (Revolisiona kintana 3)”, manadihady ireo tolona isan'andro natrehin'ny olom-pirenena tao Allepo nandritra ny fitroarana izy. Mihira ihany koa izy, mitati-baovao avy amin'ny “frontline”, ary mampiasa ny fahaizany mamorona haisary amin'ny resaka politika. Na dia izany aza, fantatra amin'ny tsikera fanaony amin'ny karazana tranga fakàna an-keriny tahaka izao amin'ny lahatsariny ihany koa izy, niharan'izany anefa izy ankehitriny, satria malaza ao Aleppo sy manerana ny firenena.

Niseho ny fakàna an-keriny azy taorian'ireo andianà fakàna an-keriny mikendry mpanao gazety, indrindra izay mitantara ny heloka vitan'ireo mahery fihetsika, ao amin'ny faritra tsy fehezin'ny governemanta ao Syria. Naneho hevitra momba ny fakàna an-keriny an'i Mulla i Mousa Omar mpanolotra vaovao ao amin'ny Al Ghad Al Arabi ary nilaza tamin'ny teny arabo nandritra ny fizaram-baovao eto ambony fa « mahamenatra fa manana fahafahana sy fiarovana kokoa ireo faritra fehezin'ny fitondrana noho ireo faritra afaka».

Raha nanomboka nanao fanentanana virtoaly ho amin'ny famotsorana azy tamin'ny alalan'ny fananganana pejy Facebook sy teny ifankafantarana amin'ny Twitter ireo tany ivelany, ny hafa kosa naneho ny ahiahiny ary nivavaka ho fiarovana ny ainy.

Amin'ny alalan'ny haisorany ho fanomezam-boninahitra an'i Mulla, mpanakanto syriana Jawad nisioka fa i Mulla dia:

Iray amin'ireo fanahy mamiratra indrindra sy mampihomehy indrindra tsy mbola fahitako hatramin'izay. Azafady, miverena velon'aina soa aman-tsara AbuStef. pic.twitter.com/3EfwYfU5jW

Aingam-panahy avy amin'ny hiran'i Mulla, mitondra ny lohateny hoe «Mother, O’ Mother (Reny, ry Reny) ny haisoratr'i Jawad. Hoy ny vakin'ny soratra amin'ny teny arabo:« Reny, ry Reny, nalain'izy ireo an-keriny aho”, izay nolalaovina tsy misy tononkira.

Ahmad Kalaji, mpianatra syriana monina ao Kanada, nisioka ihany koa fa ny feon'i Mulla dia “feon'ny fahamarinana ao Aleppo» ary nitaky ny famotsorana azy koa izy:

Raha raisina tahaka ny fivadihana ny feon'ny fisainana. fahafahana ho an'i Abdulwahab almalla feon'ny fisainana ao Aleppo

Efa efatra andro i Mulla no tsy hita. Mangataka amin'ireo olona izay mety mahita ny toerana misy an'i Mulla ireo mpanohana azy mba hampilaza ny rahalahiny amin'ny alalan'ny pejy Facebook izay natsangany ho azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.