‘Arakaraka Ny Ahafantaranao Ny Marina No Mahasorena Anao': Andron'ny Mpanao Gazety ao Shina

“Rafi-pitsarana matanjaka mba hiarovana azy ireo sy ny fahamendrehany” no tena ilain'ireo mpanao gazety ao Shina, hoy ilay mpanao gazety amin'ny fahitalavitra nilaza tamin'ny aterineto tamin'ny Andron'ny Mpanao Gazety, izay nankalazaina tamin'ny 8 Novambra.

Nandray anjara tamin'ny fitenenana ihany koa ireo mpanao gazety shinoa hafa, naneho ny ahiahin'izy ireo momba ny sivana, ny fampahalalam-baovaom-panjakana sy ny fahalalahan-gazety tao amin'ny Sina Weibo, habaka bilaogy madinika malaza indrindra ao amin'ny firenena.

Wang Shisi, mpanao gazety menavazana, nizara ny heviny:

记者节。从业22年,如下感悟:1 身体经造, 灵魂经烤;2 无冕之王只是客气,当真了就死定了;3 有时知道真相越多越苦恼;4 没良知别监督, 没常识别批评,否则难免被嫖娼被跨省;5 没法律保障,只能靠组织护佑;6 骂美国比骂村长安全;7 可以不说事实,但千万别撒谎;8 小姐的活法,圣女的操守。

Andron'ny Mpanao Gazety. Indreto ny fihetseham-poko rehefa niasa teo amin'ity sehatra ity nandritra ny 22 taona: 1. Nampijaliana ny vatako sy ny fanahiko; 2. Mahalala fomba fotsiny ny mpanjaka tsy manao satro-boninahitra. Raha raisinao am-pahamatorana izany, dia maty ianao, 3. Indraindray, arakaraky ny ahafantaranao ny marina no mahasorena anao; 4. Aza manara-maso na mitsikera raha tsy manana hevitra iombonan'ny maro ianao, sao lasa mivaro-tena ianao; 5. Tsy misy lalàna miaro, afaka miankina fotsiny amin'ny fiarovan'ny fikambanana; 6. Aleo kokoa manome tsiny an'i Etazonia toy izay manozona ireo mpitarika ao an-tanàna, 7.Tsy mila milaza ny marina ianao, kanefa aza mandainga; 8. Manàna fiainana tahaka ny mpivaro-tena, saingy miarova tena ho tahaka ny virijiny.

Nisy akony teo amin'ireo mpanao gazety marobe ny fanehoan-kevitr'i Shi, anisan'izany ilay mpanolotra fandaharana malaza amin'ny fahitalvitra Meng Fei[zh] izay nanipika hoe:

今天是记者节,其实记者根本不需要用节日来提升荣誉感,他们最需要的是用健全的法制来保障安全和尊严。

Andron'ny Mpanao gazety anio. Raha ny marina, tsy mila manao fety ireo mpanao gazety mba hanamafisana ny voninahiny, ny tena tadiaviny dia, rafi-pitsarana mafonja mba hiantohana ny fiarovana azy ireo sy ny fahamendrehany.

Ho fanehoan-kevitra noho ny famoretana “Big-V” farany teo tao amin'ny media sosialy, mpanolotra fandaharana Hu Ziwei nandefa [zh] tononkalo nosoratanà mpanao gazety namany:

沉默不是寂灭,沉默不代表认同,沉默不是放弃,沉默铸造责任;沉默也是声音,沉默就是真相;与呼号相比,爆炸是沉默的,与舆论相比,新闻是沉默的。2013,新闻业处在向下沉沦与向上挣扎的节点,为了不使虚无的喧嚣得逞,识别喧嚣中的虚无非常迫切。——一位记者同行写于记者节

Tsy fankatoavana ny fahanginana, tsy mampiavaka anao manokana ny fahanginana, tsy fialàna an-daharana ny fahanginana, miteraka andraikitra ny fahanginana. Feo ny fahanginana, fahamarinana ny fahanginana. Raha hampitahaina amin'ny hevi-bahoaka, mangina ny gazety. Taona 2013, rendrika sy mitolona ny asa fanaovan-gazety. Mba tsy hahombiazan'ny korontan'ny tsy misy dia ilaina ny mahafantatra ilay korontan'ny tsy misy. — Namana mpanao gazety nanoratra tamin'ny Andron'ny Mpanao Gazety

Luo Changping, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny gazety Caijing, nanoratra [zh] hoe:

在中国,若要驱散政治阴霾,推进腐败防治工作,不可能只靠政府,也需要公民社会和私营领域的共同努力。跟司法系统类似,一个独立、权威的新闻行业,是建立阳光政府与透明政治的重要基础。

Tsy amin'ny governemanta ihany no iankinan'ny governemanta mangarahara, fa amin'ny fiarahamonim-pirenena sy ny sehatra tsy miankina ihany koa. Tahaka izany koa ny rafi-pitsarana, fanorenana lehibe amin'ny fametrahana governemanta mangarahara ny indostriam-baovao tsy miankina sy manana fahefana.

Mpanao gazety Deng Fei niantso ny amin'ny fampiasana ny mediam-baovao amin'izao vanim-potoana nomerika izao :

讲传播与赋权,媒体人掌握话语权的时代结束了,但我们的文字、思想、价值观和传播动员组织优势功力还在,我们必须与时俱进,变革自身,利用各类新媒体继续前行,或自媒体或公益行动,来传播我们的价值。

Niova ny fotoana rehefa nomena alalana hanaparitaka vaovao ny mpanao gazety, saingy mbola manana ny tanjaky ny teny, ny hevitra, ny hasina ary ny fahaizana mifandray isika. Tokony handroso miaraka amin'ny vanim-potoana isika, hanatsara ny fahaiza-manao amin'ny alalan'ny fampiasana ireo karazana mediam-baovao sy hanaparitaka ny hasintsika amin'ny alalan'ny mediam-baovao na fitaovam-pampahalalam-baovaon'olon-tsotra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.