- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Saripika: Sary Maneho Ny Fiainan'ny Vondron-piarahamonina iray Mahantra Ao Antanàn-dehiben'i Manila

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Saripika, Toekarena sy Fandraharahàna
An old man in an abandoned lot. [1]

Lahy antitra iray ao aminà fanariam-pako.

Miaraka amin'ireo mpikambana hafa ao amin'ireo Filipiana Mpaka Sary Andalam-be, nitarika fakàna sary an-dalambe [2] iray i Mark Z. Saludes, tany aminà vondrom-piarahamonina mahantra ao an-tanàn-dehiben'i Mandaluyong, faritra atsinanana ivelan'ny tanàn-dehibe ao Manila.

Mitsangana ‘Ireo tetikasa Fampivoarana’ sy ireo famatsiam-bolam-panjakana ao Metro Manila izay porofo hita maso maneho ny firoboroboan'ny toekarena. Marina tokoa fa, vao haingana izay no notanisaina ho isan'ireo toekarena mitombo haingana indrindra [3]ao Azia-Pasifika i Filipina. Etsy andaniny, ny ankamaroan'ny antontan'isa manaitra mikasika ny toekarena izay tanisain'ireo tompon'andraikim-panjakana matetika dia tsy ahitana taratra mihintsy ny fahantrana mitohy mianjady eo amin'ny firenena, na dia any amin'ireo tanàn-dehibe tahaka an'i Manila aza.

Na dia eo aza ireo fandrosoana voalaza ao amin'ny firenena, mbola mampialokaloka mpanjanaka [4] an'aliny maro tsy ara-dalàna foana i Manila. Ianjadian'ny [5] fandrahonana fandrodanana hatrany ireo vondrom-piarahamonina mahatra an-tanàn-dehibe mba hanomezan-toerana ireo “drafitra fampivoarana”. Nanome tetikasa famindràna fonenana ny governemanta, saingy maro amin'ireo fianakaviana no maniry [6] hijanona eo amin'ny fonenan'izy ireo satria mitaky fandaharan'asa fanomezana fonenana any an-tanàn-dehibe na manodidina ny tanàn-dehibe izy ireo izay ahitàna sekoly sy toeram-pitsaboana ary ireo tolotra hafa.

Manome topimaso ny fiainan'ny vondrom-piarahamonina mahantra ao an-tanàn-dehiben'i Mandaluyong [7] ireo sary an'Atoa Saludes. Vondrom-piarahamonina iray izay tsy ho ela dia mety ho harodana.

Namoaka ny sasantsasany tamin'ireo sary an'Atoa Saludes ireo ny Global Voices, teo ambany famelany.

An old man in his shanty [8]

Lahy antitra iray ao anaty tranobongony

Scraps of wood and old tires are often used to prevent the roofs from collapsing. [9]

Matetika dia ampiasaina hiarovana ny tafo tsy hirodana ireo korotankazo sy kodiarana efa tonta.

A child peers through a small window of a thrift store which sells candies and cigarettes [10]

Zaza iray mitsikilo eo amin'ny varavarankely vy iray makarakara, izay mivarotra vatomamy sy sigara.

The barber shop signpost   reads: Secret of the Handsome [11]

Mivaky toy izao ny soratra eo amin'ny trano fikarakarana volo: Tsiambaratelon'ny Hatsarana.

A man wearing an SM cap. SM is owned by the Philippines' richest businessman. Behind the man is a tarpaulin displaying some construction projects [12]

Lehilahy iray manao satroky ny SM. ny SM dia an'ilay lehilahy mpandraharaha manan-karena indrindra ao Filipina. Misy labasy maneho ny tetikasa fananganana vitsivitsy ao aorian'ilay lehilahy.

*An'i Mark Z. Saludes avokoa ireo sary rehetra