Miaraka amin'ireo mpikambana hafa ao amin'ireo Filipiana Mpaka Sary Andalam-be, nitarika fakàna sary an-dalambe iray i Mark Z. Saludes, tany aminà vondrom-piarahamonina mahantra ao an-tanàn-dehiben'i Mandaluyong, faritra atsinanana ivelan'ny tanàn-dehibe ao Manila.
Mitsangana ‘Ireo tetikasa Fampivoarana’ sy ireo famatsiam-bolam-panjakana ao Metro Manila izay porofo hita maso maneho ny firoboroboan'ny toekarena. Marina tokoa fa, vao haingana izay no notanisaina ho isan'ireo toekarena mitombo haingana indrindra ao Azia-Pasifika i Filipina. Etsy andaniny, ny ankamaroan'ny antontan'isa manaitra mikasika ny toekarena izay tanisain'ireo tompon'andraikim-panjakana matetika dia tsy ahitana taratra mihintsy ny fahantrana mitohy mianjady eo amin'ny firenena, na dia any amin'ireo tanàn-dehibe tahaka an'i Manila aza.
Na dia eo aza ireo fandrosoana voalaza ao amin'ny firenena, mbola mampialokaloka mpanjanaka an'aliny maro tsy ara-dalàna foana i Manila. Ianjadian'ny fandrahonana fandrodanana hatrany ireo vondrom-piarahamonina mahatra an-tanàn-dehibe mba hanomezan-toerana ireo “drafitra fampivoarana”. Nanome tetikasa famindràna fonenana ny governemanta, saingy maro amin'ireo fianakaviana no maniry hijanona eo amin'ny fonenan'izy ireo satria mitaky fandaharan'asa fanomezana fonenana any an-tanàn-dehibe na manodidina ny tanàn-dehibe izy ireo izay ahitàna sekoly sy toeram-pitsaboana ary ireo tolotra hafa.
Manome topimaso ny fiainan'ny vondrom-piarahamonina mahantra ao an-tanàn-dehiben'i Mandaluyong ireo sary an'Atoa Saludes. Vondrom-piarahamonina iray izay tsy ho ela dia mety ho harodana.
Namoaka ny sasantsasany tamin'ireo sary an'Atoa Saludes ireo ny Global Voices, teo ambany famelany.
*An'i Mark Z. Saludes avokoa ireo sary rehetra