Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

11 Novambra 2013

Tantara tamin'ny 11 Novambra 2013

Saripika: Sary Maneho Ny Fiainan'ny Vondron-piarahamonina iray Mahantra Ao Antanàn-dehiben'i Manila

Na dia eo aza ireo fandrosoana voatatitra ao Filipina, mbola mampialokaloka mpanjanaka an'aliny maro foana i Manila.

Libaney Mandoro Saka Anaty Micro-Onde

Nandoro saka tanaty micro-onde ny lehilahy Libaney iray raha naka sary izany toe-javatra izany kosa ny namany. Navoakan-dry zareo sary ny lahatsary avy eo, izay niteraka fihazana ireo nahavanon-doza, izay notononina anarana ny nalàna baraka.

Nosokafana Ny Famotorana Momba Ny Herisetra Nanjò Ny Pelaka Notaterina Voalohany Taminà Bilaogy

Mpanoratra kiobàna nitatitra momba ny herisetra ara-batana nihatra tamin'ireo pelaka ao an-tanànan'i Cardenas, Matanzas, tao amin'ny bilaoginy. Eo am-panaovana fanadihadiana ny sampan-draharaham-panjakana ankehitriny.

Fihetseham-po Mifamahofaho Nentin'ny “Melbourne Cup”

Andron-ny fihetsehampo mifamahofaho ny 5 Novambra andron-ny "Melbourne Cup". Fandresena goavana ho an'iilay mpanazatra antsoina hoe Gai Waterhouse izay nanjary ho ny vehivavy voalohany nanazatra ny mpandresy tamin'io hazakazaka io.

Fampiharana Finday (App) Manome Fiarovana Hiadiana Amin'ny Fanolanana Ho An'ireo Vehivavy Indiana

Fampiharana Android ny Fampiharana Smart Suraksha izay mandefa antso vonjy amin'ny tsindry bokotra tokana monja

Ejipta: Nalaza Haingana Ny “Propagandin'i ” Sami Anan

Nalaza tao amin'ny aterineto ny afisy mampiseho ny sarin'i Sami Anan, chief of staff-n'ny Tafika Ejypsiana teo aloha, izay manao fitafy sivily tahaka ny amin'ny afisy propagandy. Manan-javatra hotantaraina amintsika i Victor Salama