- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bitsik'i Karaiba Ho An'i Tessanne Chin

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina

Saiky tsy misy maha samihafa azy ny hoe Karibeana sy ny hoe mozika, izay miaraka amin'ny fankalazàna Fetibe karnivaly [1], dobok'amponga atao amin'ilay hany zava-maneno vaovao noforonina tamin'ny taonjato faha-20 ka mbola tavela, [2] sy ny fanomezana izao tontolo izao ary ny sasantsasany tamin'ireo ngezalahy mpiangaly mozika [3] hitany hatramin'izao. Tsy atao mahagaga araka izany, raha toa ireo mpisera anaty aterineto avy ao amin'ilay faritra ka mihaino tsy tapaka ny  The Voice ao amin'ny NBC [4] mba hanohana ny iray avy amin-dry zareo – ilay feo fototra Tessanne Chin [5], teratany avy ao Kingston, Jamaika, nanao fitetezana faritra niaraka tamin'ilay olo-malazan'ny reggae,Jimmy Cliff, [6] ary araka ny filazan'ny mpikarakara azy, Adam Levine [7], “afaka handresy mora foana” [8] amin'ity andiany faha-5 amin'ny fifanintsanana ity.

Ny Alatsinainy alina teo no voalohany tena nisehoany mivantana – ary tena andro niavaka tokoa izany ho an'i Chin, izay nitondra ny dian-tànany manokana tamin’ilay hira mampalaza an'i Jimmy Cliff [9], “Many Rivers to Cross” [10].

Ny andro nialohan'ny niakarany an-tsehatra, efa natsidik'ireo mpisera anaty aterineto sahady fa ho babony manontolo ny mpanatrika:

  @Tessanne [11] @adamlevine [12] Izay izany, antenaiko fa mba manana mpandrafitra sy mpikirakira herinaratra ho fiandry ry zareo satria ho afangaron'i Tes ny sehatra, ho ambony ambany ny toerana

— yaniefreck (@Yaniefreck) 4 Novambra 2013 [13] .

Nitsangana nitehaka an'i Chin, ilay mpiaka-tsehatra farany iny alina iny, na ny mpikarakara azy na ireo mpanatrika mivantana; tany ampaladihany hatramin'ny Twitter koa aza :

 Tena sanganehana be aho misafidy fa samy tiako hahazo ny #NBCTheVoice [15] na i @Tessanne [11] na i  @katrowbeeshow [14] … VITAN'IIIIIII Tessanne ilay @NBCTheVoice [16] tamin'ity alina ity

— Killer Queen (@KillerrQueenn) 5 Novambra 2013   [17].

Taorian'ny anjarany, nibitsika i Chin [11] ho fisaorana an'i Jimmy Cliff :

@THEJIMMYCLIFF [18] Atoa Cliff, antenaiko fa mba nampirehareha anao ny vitako !!! Misaotra nanome voninahitra ahy ho afaka haka tàhaka ny iray tamin'ireo ngezalahy 🙂 Ny fitiavako rehetra

— Tessanne Chin (@Tessanne) 5 Novambra 2013   [17].

Tonga avy any amin'ny lafivalon'i Karaiba ireo hafatra fiarahabàna :

@Tessanne [11] Mahery ianao Izay fotsiny no mba tiako hambara ….. Aingam-panahy ho an'ny maro ianao – Fitiavana feno avy aty #StVincent [20] #TheVoice [21]

— Colin Hitman Graham (@HitmanGraham) 5 Novambra 2013    [22]

Ny sasany tamin'ireo mpampiasa ny Twitter dia nahetsiky ny fomba nifidianana ny hira:

@Tessanne [11]  tsotsotra fa lafatra ianao tamin'ny famaranana ny fampisehoana niaraka taminà hira iray mampihetsi-po tahaka iny #thevoice [23]

— Huyen nguyen (@HuyenJet2003) 5 Novambra 2013 [24].

Nopotehan'i Tessanne chin tanteraka niaraka tamin'iny zava-bita iny ny rojon'ny fanandevozana… any ny vatoko . Mirehareha aho manana anao, minoa ahy…. MIREHAREHA

— keisha Quest (@niksky29) 5 Novambra 2013 [25]

@OnstageTV [26] @Tessanne [11] toy ny hira fanevam-pirenena hirain'ny olona isanandro izay seho izay. Hira iray tena manohina ny fo sy afaka manetsika anao amin'ny alàlan'ny fihetseham-po.

- Love Unlimited ( @ LoveUnlimited0 ) 5 Novembra 2013

@Tessanne [11] Tessanne Chin #LoveThatSong (TiakoIlayHira) [28] #SoManyRiversToCross [29] ary tena mino aho fa ho voatetinao izy rehetra miaraka amin'io dika nataonao ho an'ny hiran'i #JimmyCliff [30] io.

— Sydney Senhouse (@SenhouseDesigns) 5 Novambra 2013 [31]

Ny hafa efa resy lahatra sahady hividy ny vokatr'i Chin ho toy ny mpanakanto manana ny maha izy azy….

@Tessanne [11] Vonona hiviody ny raki-kirano aho ry sipa! @adamlevine [12] @NBCTheVoice [16] #VoiceTop20 [32];

— marlene_EOL (@marlene_EOL) 5 Novambra 2013 [33].

…ary betsaka no efa mpankafy azy hatry ny ela:

Isan-kerinandro i @Tessanne [11]  no miaka-tsehatra ao amin'ny #TheVoice [21] ary dia tena reharehako tokoa! Tsaroako izany izy nihira tao anatin'ilay lahatsary ” Loving You ” ny @Kestheband [34]!

— BattyMamzelle (@BattyMamzelle) 5 Novambra 2013 [35]

@Tessanne [11] Ho mpankafy be anao hatrany, nanomboka tamin'ny Fihainoana Tsy an-kijery anao! Tena voanao aho 🙂 #yougotthis [36]#mendrikaizanyianao

— Felisha Lujan (@_TfKaay_) 5 Novambra 2013 [37]

Saingy mazava loatra fa avy any amin'ny tany niaviany no tena betsaka tamin'ny fanohanana azon'i Tessanne :

Ilokako aminareo fa any ho any any Jamaika misy olona hiteny tahaka ahy hoe ” Mangataka anareo rehetra handray ny findainareo ka hiantso na hifidy an'i @Tessanne [11]!” #TeamTessanne [38] #TheVoice [21]

— Jr. Nembhard (@JrNembhard) 5 Novambra 2013 [39]

@Tessanne [11] o ry sipa aaa…mahery ianao! Mendrika ny handresy araka izany! Tsy mandiso fanantenana :*

— Ashleigh Elizabeth (@sassipinki) 5 Novambra 2013 [40]

Mandeha ho azy ny fampahatsiahivan'ireo mpisera anaty aterineto ny olona mba hanefa ny anjarany hifidy mba hanampy an'i #TeamTessanne [41] hahazo fandresena:

Tsy andriko ny handre an'i @Tessanne [11] ao amin'ny #TheVoice [21] anio alina. Raha vao resaka #JamaicanMusic [42] (#mozikaJamaikana), azontsika hireharehana izy! Tsarovy ny mifidy! #TeamTessane [43]

— Mr Boombastic (@DiRealShaggy) 4 Novambra 2013 [44]

Vao ny ampitson'io, nankalazan'ireo media mahazatra ao Etazonia ny zava-bitany :

Lasan'i Tessanne Chin ny laza – hoy ny People Magazine ! #theVoice [45] #TeamTessanne [38] #Jamaica [46] http://t.co/91GLRZdO6W [47]

— Creative Industries (@jamprocreative) 5 Novambra 2013 [48]

Kanefa ireo media ao Jamaika efa lasa talohany, nanao izay ho afany tamin'ny fanampiana hiantohana ny hahazoany vato betsaka:

Tsy mampino ity fankafizana Tessanne Chin ao Jamdown ity … mandray anjara amin'ny fandrindràna ny fanisàm-bato ho azy hatramin'ny fampielezam-peo!

— anniepaul (@anniepaul) 5 Novambra 2013  [49]

Tsy irery akory ireo media tao anatin'izany; tany Jamaika, faly tamin'ny fanampiany ny azy ireo mpiangaly mozika sy ireo mpankafy:

Iray amin'ireo zavatra TSARA INDRINDRA mifandray amin'ny zava-bitan'i @Tessanne [11] tao amin'ny @NBCTheVoice [16] : mba firy amin'ireo Jamaikana artista no nibitsika ny fanohanan-dry zareo azy. #UNITY [50]

— Junior Rodigan (@JuniorRodigan) 5 Novambra 2013 [51]

Nokia ! Startak ! iPhone! Samsung ! MIFIDIANA! MIFIDIANA! MIFIDIANA! ho an'i @Tessanne [11]! 877-553-3710 . Raha ao Jamaika ianareo, vidio ny ‘single’ ao amin'ny itunes .. isaina koa io!

— Yendi Phillipps (@IAMYENDI) 5 Novambra 2013 [52]

Rehefa atambatra anefa, tena fisehoana iray goavana sy nampientanentana ity :

Hitahiry an'i Tess ho amin'ny farany #TeamTessanne [38]

— Wayne Marshall (@Wayne_Marshall) November 5, 2013 [53]