- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARIPIKA: Voatoraka Entona Mandatsa-dranomaso Ireo Shia Mpisaona Tany Bahrain

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Ady & Fifandirana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika

Voatoraky ny entona mandatsa-dranomaso tany Bahrain ireo Shia [1]mpisaona raha nankalaza ny fanombohan’ny volana silamo Muharram [2], araka ny voalazan’ireo mahery fo, izay manondro ny fitondrana Bahraini ho nanafika ny fahalalahana ara-pivavahana tao amin’ity fanjakana Arabo feno fitaintainana ity.

Manoratra [ar] i Maryam Al Khawajah, mahery fo mikasika ireo Zon’Olombelona Bahraini, hoe:

Ao anaty fandikàna ny fahalalahana ara-pinoana dia manafika ireo Shiites eo ampanatanterahana ny fotoam-pivavahana ao an-tananàn’i Maameer ny fitondrana.

Ny volan’ny Muharram dia volana fisaonana [6] ho an’ireo Shia mpino Silamo. Ny andro faha-10 amin’ny Muharram, na Ashoora no hankalàzana ny nahafatesan’ny olo-masina Imam Hussain bin Ali [7], zafikelin’ny mpaminany Muhammed tamin’ny Adin'ny Karbala [8]nitranga tamin’ny taona 680 tany Iràka. Mampiavaka ny fankalazana ny filaharam-be mamakivaky ireo tanàn-dehibe sy ireo tanàna kely, ary koa ireo vakiteny atao any am-piangonana ho an’ireo mpino Shiite. Efa taon-jato maro no nanatanterahana ireo fombafomba ireo, ary ampitaina amin’ny andian-taranaka manaraka mifandimby.

Quite Bahrain-I dia mizara saripika iray hafa avy amin’iny “tranga” iny ihany, ary milaza fa:

Ary nanana hafa koa i Ahmed Ali:

Al Wefaq Society, antoko mpanohitra lehibe indrindra, dia mandefa saripika iray hafa: