Voatoraky ny entona mandatsa-dranomaso tany Bahrain ireo Shia mpisaona raha nankalaza ny fanombohan’ny volana silamo Muharram, araka ny voalazan’ireo mahery fo, izay manondro ny fitondrana Bahraini ho nanafika ny fahalalahana ara-pivavahana tao amin’ity fanjakana Arabo feno fitaintainana ity.
Manoratra [ar] i Maryam Al Khawajah, mahery fo mikasika ireo Zon’Olombelona Bahraini, hoe:
في انتهاك للحريات الدينية, النظام الحاكم يعتدي على شيعة يحيون شعائرهم الدينية في قرية المعامير#البحرين http://t.co/sz96wmZf6k #Bahrain
— Maryam Alkhawaja (@MARYAMALKHAWAJA) 4 Novambra 2013
Ao anaty fandikàna ny fahalalahana ara-pinoana dia manafika ireo Shiites eo ampanatanterahana ny fotoam-pivavahana ao an-tananàn’i Maameer ny fitondrana.
Ny volan’ny Muharram dia volana fisaonana ho an’ireo Shia mpino Silamo. Ny andro faha-10 amin’ny Muharram, na Ashoora no hankalàzana ny nahafatesan’ny olo-masina Imam Hussain bin Ali, zafikelin’ny mpaminany Muhammed tamin’ny Adin'ny Karbala nitranga tamin’ny taona 680 tany Iràka. Mampiavaka ny fankalazana ny filaharam-be mamakivaky ireo tanàn-dehibe sy ireo tanàna kely, ary koa ireo vakiteny atao any am-piangonana ho an’ireo mpino Shiite. Efa taon-jato maro no nanatanterahana ireo fombafomba ireo, ary ampitaina amin’ny andian-taranaka manaraka mifandimby.
Quite Bahrain-I dia mizara saripika iray hafa avy amin’iny “tranga” iny ihany, ary milaza fa:
Porofon’ny ady ataon’ny fitondràna amin’ny sekta iray ao #Bahrain izao. 4Nov2013 pic.twitter.com/ETeHOWxYVg
— Quite #Bahrain-i (@QuiteBH) 4 Novambra 2013
Ary nanana hafa koa i Ahmed Ali:
#Bahrain dia mampiasa herisetra aminà diabem-pivavahana amin’ny fitorahana entona mandatsa-dranomaso. pic.twitter.com/WXQwbIJC7r
— Ahmed Ali احمد علي (@ahmedali_) 4 Novambra 2013
Al Wefaq Society, antoko mpanohitra lehibe indrindra, dia mandefa saripika iray hafa:
Mampiasa herisetra amin’ireo mpiray tanindrazana izay eo am-pikarakaràna ny fotoam-pivavahana fanao isan-taona any #Bahrain ny mpitandro filaminam-panjakàna pic.twitter.com/WPsTwJHfWx
— AlwefaqEN (@AlWefaqEN) 4 Novambra 2013