Nahita maso ny tako-masoandro tamin'ny ampahany ireo Nizeriana tamin'ny Alahady 3 Novambra. Araka ny voalazan'i Ikenna Okonkwo – siantifika iray manam-pahaizana amin'ny zeolozia, bilaogera sady mpampianatra amin'ny oniversite.
Raha ny marina dia tako-masoandro fantatra amin'ny hoe “mandray roa” ilay izy. Mitranga ny tako-masoandro mandray roa rehefa hita amin'ny endriny Feno sy Tsy Feno izy. Mitranga ny tako-masoandro feno rehefa manankona tanteraka ny Masoandro ny aloky ny Volana, mahatonga ny sisin'ny masoandro ho hita taratra. Milahatra mifanitsy tsara ny Masoandro sy ny Volana amin'ny tako-masoandro tsy feno, saingy hita ho kelikely kokoa ny endriky ny Volana mitaha amin'ny an'ny masoandro. Noho izany, miseho ho toy ny peratra manjelanjelatra ny Masoandro, na zavatra boribory, izay manodidina ny kibolabola maintin'ny Volana. Mazàna, ny làlan'ny fahafenoana izay hitrangan'ny tako-masoandro feno dia tena làlana tery izay maharitra 2 minitra any ho any ny fitambarany manontolo. Any amin'ny toerana midadasika kokoa, mahita tako-masoandro tsy feno ireo mpijery.
Mazava ho azy fa nahatonga ireo Nizeriana haneho hevitra tao amin'ny aterineto io tranga io. Maro ireo faly satria vavolombelona nahita maso ny tako-masoandro iray hafa tao anatin'ny fito taona izy ireo, tahaka izay hita ao anatin'ity bitsik'i Owolabi Caleb (@owocaleb) ity:
Yea, #eclipse of the sun in Lagos Nigeria waow, 2nd experience, 1 in 2006 and 2013 half moon shining pic.twitter.com/v0s4YCcTWh
— owolabi caleb (@owocaleb) November 3, 2013
Yea, #eclipse tako-masoandro tany Lagos Nigeria Oaooo, faharoa izay, 1 tamin'ny 2006 ary 2013, antsasa-bolana manjelatra pic.twitter.com/v0s4YCcTWh
— owolabi caleb (@owocaleb) 3 Novambra 2013
Elijah Balogun (@EarlEternal), olona iray liana amin'ny media, nanokana ny bitska faha 1.000 avy aminy mba hahatsiarovana ilay trangan-javatra:
My 1000th tweet goes to commemorate a special event. Partial #eclipse of sun in Nigeria and beyond
— ELIJAH balogun (@EarlEternal) November 3, 2013
Ataoko ho fahtsiarovana ny tranga tsy manan-tsahala iray ny bitsiko faha 1.000. #eclipse tako-masoandro tsy feno tany Nigeria sy ny manodidina.
— ELIJAH balogun (@EarlEternal) 3 Novambra 2013
Nizara ireo sarin'ilay tako-masoandro hita avy tany an-tranon'izy ireo ny maro tamin'ny mpampiasa ny Twitter. Ikenna (@Failedrift), ohatra, nizara ity sary ity tao amin'ny Tweeter-ny:
The glare even from a bucket of water is too much…. pic.twitter.com/PLHl0hKiEN
— Ikenna (@FailedRift) November 3, 2013
mahery vaika ny famirapiratana na dia hita avy ao anatin'ny tavy fakàna rano aza… pic.twitter.com/PLHl0hKiEN
— Ikenna (@FailedRift) 3 Novambra 2013
Victor Olurnfemi (@mavol), mpanome endrika dizitaly, nanao ihany koa:
#Eclipse of the sun as purportedly seen in some parts of #Nigeria Warri: pic.twitter.com/SGL3O4nPug Lagos:… http://t.co/6nn3yMY9dV
— Victor Olorunfemi (@mavol) November 3, 2013
#Eclipse tako-masoandro araka ny voalaza fa nahitàna azy avy any amin'ny toerana maro tao #Nigeria Warri: pic.twitter.com/SGL3O4nPu Lagos:… http://t.co/6nn3yMY9dV
— Victor Olorunfemi (@mavol) 3 Novambra 2013
Nananihany ireo bitsika sasany. Nanamarika ny Nizeriana iray, mpanoratra, Ayodele Olofintuade (@aeolofintuade) hoe:
In honor of this our new festival called solar eclipse I'll be throwing an eclipse party at roundabout, mokola,Ibadan [the capital of Nigeria's Oyo state]. Come one, come all.
— ayodele olofintuade (@aeolofintuade) November 3, 2013
Ho voninahitra ho an'ity fetibe vaovaontsika ity izay antsoina hoe tako-masoandro, hanatanteraka fetin'ny tako-masoandro aho, iray hatao any amin'ny fihodinan-dàlana, mokola,Ibadan [renivohitry ny firenena Oyo an'i Nizeria]. Tongava, tongava daholo.
— ayodele olofintuade (@aeolofintuade) 3 Novambra 2013
Nokwai (@chuksikeji), mpandraharaha iray, nanoratra hoe:
Please will all those who saw the #SolarEclipse come register here for free. Certification will be arranged for a token.
— Nokwai (@chuksikeji) November 3, 2013
Raha sitrakareo, tongava daholo izay nahita ilay #SolarEklipsa hisoratra anarana maimaim-poana eto. Hisy fikarakarana fanomezana sertifikà ho fanamarihana izany.
— Nokwai (@chuksikeji) 3 Novambra 2013
Lee_alifa, mpianatra iray (@dlordna), nieritreritra fa:
Somewhere in nigeria an herbalist would be bragging saying “The gods are angry”..nd some ode's wld believe him..oga na #Eclipse oo […. and some fools would believe him… master, it's an eclipse!].
— lee_alifa (@dlordna) November 3, 2013
Any amin'ny toerana iray tao Nizeria, olona iray mpivarotra raokandro no nidehaka hoe dia mirehareha niteny hoe “Tezitra ireo andriamanitra”..ary ny te hino azy ny sasany..oga na #Eklipsa oo [….. ary te hino azy ho ireo tsy misy saina sasany… , mpampianatra, eklipsa io!].
— lee_alifa (@dlordna) 3 Novambra 2013
Ity no nobitsihan'i Timmy (@lil_timmzy):
Somewhere in #Nigeria there is a girl breaking up with her boyfriend simply bcos he didn't give her an #Eclipse gift
— Timmy (@lil_timmzy) November 3, 2013
Any amin'ny toerana iray tao #Nizeria, misy tovovavy iray misaraka amin'ny sipany satria tsy nanome azy fanomezana ho an'ny #Eklipsa
— Timmy (@lil_timmzy) 3 Novambra 2013