- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARIPIKA: ‘Hetsika Mangina’ Mitaky Fifidianana Ao Maldives

Sokajy: Azia Atsimo, Maldiva, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Vaovao Mafana

Sady misy fientanentanana no misy fihenjanana ny rivotra iainana ao Maldives satria tokony nisy fifidianana filoham-pirenena notontosaina ny andron'ny 9 Novambra [1]. Nandalo fisedrana ara-politika mahamay maromaro ny firenena tao ho ao noho ny fanemorana hatrany ny fifidianana voalohany tokony tontosaina taorian'ny famindram-pahefana mampiady hevitra tamin'ny Febroary 2012 [2]. Nisy ny fanatontosana ny fihodinana voalohany tamin'ny 7 Septambra, saingy nofoanan'ny Fitsarana Tampony [3], ny voka-pifidianana noho ny didy navoakany milaza fa maro ny fandikan-dalàna ara-pifidianana. Nisy indray ny fikasana hanatontosa ny fifidianana tamin'ny 19 Oktobra fa nofoanana [4] tamin'ny minitra farany. Nilaza ny Vaomieran'ny Fifidianana ao Maldives fa nosembantsembanin'ny polisy ny asany, fanambarana izay notsipahin'ny polisy moa.

Volana maromaro taorian'ny fanentanana mafana, nitombo tsy nipetrapetra-poana ny vahoaka tanatin'ireo fanemorana tsy ankitsahatra ny fifidianana, ary mifanakiana [ho mangala-bato] aza ny mpanao politika. Eny fa na dia ny rafi-pitsarana eto amin'ny firenena aza, ka voafandrika ho mandrendrika anaty krizin-dalampanorenana ny parlemanta sy ny mpanatanteraka, dia tsy tankina noho izany toe-javatra izany ny fanirian'ny vahoaka hanatontosa fifidianana malalaka sy marina.

Indro ny mpaka sary Shaari [5] nanangona an-tsary (eto ambany izay nahazoana alalana) ny ‘Fanoherana Mangina’ notontosaina tamin'ny 21 Oktobra [6] mitaky ny hanatontosana ny fifidianana:

maldives-election3

maldives-election4

maldives-election6

maldives-election7

maldives-election8

maldives-election9

maldives-election10

maldives-election11