Tantara tamin'ny 05 Novambra 2013
Trinidad & Tobago: Mivoaka Mandresy ny Mpanohitra; Mbola Manantenana Hatrany Ny Governemanta
Mbola mafàna avy any amin'ny fandresena azony tamin'ny fifidianana ny ho Governemantam-Paritra, nandresy indray koa tamin'ny fifidianana ho fisoloan-toerana tao St. Joseph ny mpanohitra, Hetsika Nasionalim-Bahoaka (People's National Movement) - kanefa mbola mampitraka ny lohany amim-panantenana ihany ny governemanta.
Mikasika Ny Fanalàn-jaza Sy Ny Fifehezantena Amin'ny Firaisana Ara-nofo Ao Ejipta
Bilaogera iray mizara ny zavatra niainany tamin'ny nanohanany namana iray tsy maintsy nizotra tamin'ny fanalàn-jaza tao Ejipta, ny sakana atrehana ary ny fahasarotana be mety hisy.
Saodiana: Tsy Mahazo Mankeny Amin'i .. Mars
Niteny tamin'ny alàlan'ny gazety Al Hayat i Shaikh Ali Al Hekmi, ilay Saodiana tampom-pahaizana amin'ny resa-pivavahana fa tsy azon'ny zanak'olombelona haleha ny planeta mena. Tapa-tsinay ireo mpisera ao amin'ny aterineto.