- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Asaina Mandrakitra Ho Lahatsary Ny ‘Fiainany Anaty Andro Iray’ Ny Italiana

Sokajy: Italia, Hevitra, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina

Manasa ny Italiana (sy ireo olona rehetra monina ao Italia) ilay Italiana tale mpanatontosa sarimihetsika fanta-daza, Gabriele Salvatores mba hamokatra lahatsary fohy mikasika ny fiainan'izy ireo andavanandro izay hatambatra sy hasongadina miaraka anatinà lahatsary lavabe homena lohateny hoe “Italia ao anatin'ny Andro Iray [1]” [it] havoaka amin'ny faran'ny taona 2014. Ireo lahatsary dia azo atolotra hatramin'ny 17 Novambra.

Salvatores dia nanaraka ny ohatra nomen'ilay tetikasa tsy misy hafa amin'io, nahitàm-pahombiazana tamin'ny 2010 nantsoina hoe “Fiainana anaty Andro Iray [2]” novokarin'i Ridley Scott teo ambany fitarihan'i Kevin Macdonald.

Ity ny lahatsary fanolorana ofisialy [3] ho an'ny “Italia ao anatin'ny Andro Iray” :