Madagasikara: Mbola Eo Ampiandrasana Voka-Pifidianana Ho Filoham-Pirenena

Enina andro izay no lasa [tamin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra tamin'ny teny anglisy] raha notontosaina ihany ny fifidianana efa nandrasana hatry ny ela, ny voalohany hatramin'ny nanonganana ny filoha voafidim-bahoaka farany, Marc Ravalomanana, tamin'ny alalan'ny tafika tamin'ny 2009.

Nitsitaitaika ny valim-pifidianana hatramin'ny Zoma 25 oktobra 2013 ka nampirehidrehitra ny tambajotran'ny fiarahamonina ny fiandrasana izany.

Efa napetraky ny firaisamonina iraisampirenena ho “malalaka sy marina” moa ny fifidianana:

Nanambara ny mpanara-maso fa nilamina sy nangarahara ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara. Saingy mbola tsy mazava ny andraikitry ny miaramila

Saingy misy ny sasantsasany no malahelo amin'ny fahamehan'ny firaisamonina iraisampirenena hanaiky ilay fifidianana raha mbola maro ireo tsy afa-nifidy noho ny tsy fahatongavana ara-potoana ny kara-pifidianana na ny tsy nahitana tampoka ny anaran-dry zareo ao amin'ny lisitry ny mpifidy. Ndimby [fr], izay bilaogera malagasy nanana ny lazany hatramin'ny nisian'nykrizin'ny fanonganam-panjakana, no namahavaha ny nataon'ny CENI-T, izay mikarakara ny fifidianana:

S’il est vrai que la journée du 25 octobre s’est relativement bien déroulée, le processus électoral va bien au-delà de cette date, jusqu’à la proclamation des résultats et au positionnement des vaincus. Contrairement aux éjaculateurs précoces de l’observation internationale, attendons qu’une masse critique de résultats sorte, qu’une tendance véritablement nationale se dégage, que l’étendue des problèmes et incidents recensés soit définie, et que les vaincus reconnaissent leur défaite, avant de dire que le premier tour s’est bien passé.

[…]

Au stade de dépouillement et de compilation où nous sommes, il est encore trop tôt pour crier à la fraude, et encore moins pour crier victoire. L’arrivée des 90% de résultats restants peut faire changer les choses, augmenter certains scores et en baisser d’autres. Une fois encore, il faut tenter de garder la tête froide et ne pas se laisser embarquer par les appels à la protestation contre les tentatives de fraude, ou aux appels à célébration de victoire. Ceci étant dit, la lenteur de la CENI-T dans la publication des résultats (à commencer par ceux dont son siège est pourtant proche géographiquement) n’est pas fait pour éloigner la suspicion. Et il faudrait que la CENI-T rectifie le tir, avant que les gens ne commencent à se demander si les erreurs de listes et de cartes électorales étaient vraiment des erreurs, ou bien le résultat d’une stratégie en vue de préparer, si nécessaire, des prétextes pour annulations massives de vote dans un réservoir de voix qui serait a priori anti-Rajoelina. Quoiqu’il en soit, seul le temps permettra de déterminer si ces défaillances conjointes de la CENI-T, des fokontany et du personnel des bureaux de vote, ont été des cas isolés, et si leur fréquence et leur étendue pourraient avoir un impact significatif. On pourra en effet se poser des questions sur ce qui se passe en régions et en zones rurales, quand on sait que même dans la Capitale, avec les moyens de transports et de communication qui y existent, il y a tellement eu de ratés.

Raha marina fa nizotra soa aman-tsara ny fifidianana tamin'ny 25 oktobra, dia mbola manavatsava mihoatra izany daty izany ny fizotran'ny fifidianana, ka tonga hatrany amin'ny filazana ampahibemaso ny voka-pifidianana sy ny kabary hironan'ny kandidà resy. Tsy araka ny ataon'ny mpanara-maso iraisampirenena izay maika loatra, dia avelao aloha ho betsaka kokoa ny voka-pifidianana, mba hita misongadina ny fironana manerana ny firenena, mba ho voafaritra tsara olana sy ny zava-nitranga, ary hanaiky ny fahareseny ireo resy, mialoha ny hilazana fa nizotra soa aman-tsara ny fihodinana voalohany.

[…]

Raha mbola eo amin'izao fanangonam-bato misy antsika izao, dia lasa aloha loatra ny fitabatabana fa nisy ny halabato, indrindra moa fa izany hihora-pandresena izany. Mbola mety hanova zavatra be dia be ny 90%-n'ny voka-pifidianana mbola tsy tonga, hampiakatra ny isam-baton'ny sasany ary hampihena ny an'ny hafa. Averina indray, milamìna ary aza manaiky tarihin'ny sasany hanohitohitra fa nisy ny fikasana hangala-bato, na hoe hifaly fa nandresy. Na voalaza aza izany, dia tsy mety hampisinda ny ahiahy ny fahelan'ny famoahan'i CENI-T ny voka-pifidianana (voalohany amin'izany ireo izay tsy lavitra ny foibe akory). Tokony hanitsy ny diany ny CENI-T, fa raha tsy izany dia hanontany teny ny olona raha sendra ka fahadisoana tsinahy tokoa ny fahadisoana tamin'ny lisitra sy ny kara-pifidianana, na vokatry ny tetikady hanomanana, raha ilaina izany, fanafoanam-bato ankapobe ireo tahirim-batohita fa manohitra an-dRajoelina. Na ahoana na ahoana, ny fotoana ihany no mamaritra raha zava-naningana, na mety hiteraka fiantraikany manan-danja ny fahadisoana iarahan'ny CENI-T, ny fokontany [sasantsasany] ary ny mpikambana ao amin'ny biraom-pifidianana. Mbola ho avy ihany koa ny fanontaniana amin'izay nitranga any amin'ny faritra ambanivolo any, raha hita fa be ny tsy fahombiazana na dia eto an-drenivohitra izay manana fitaovam-pivezivezena sy fitaovam-piseraserana aza.

Tsy ilaozan-tsikera maro ihany koa ny CENI-T noho ny fahasarotana diaviny amin'ny famoahana haingana ny voka-pifidianana marina. Nisy nisovoka [nijirika] ny tranonkalany, taoriana kely monja ny androm-pifidianana, araka ny hita amin'ity hafatra Twitter ity:

Fa maninona no nanjavona tao amin'ny pejy ofisialin'ny vaomieran'ny fifidianana isaky ny biraom-pifidianana no nanjavona ? Fanangona-tsonia ! https://t.co/hIiYEZ2mf4

Nisy hafatra natao Photoshop nananihany milaza fa mbola eo am-pangalaram-bato ny CENI-T ary hiverina tsy ho ela, araka ny hita amin'ity sioka [tweet] ity :

Efa zatra ny fikirakirana tahirin-kevitra momba ny tetibola lehibe i Barijaona, iray amin'ny bilaogera voalohany indrindra teto Madagasikara [naotin'ny mpandika: sy nanerana an'i Afrika] ary milaza ny tenany ho geek. Rehefa nitsitaitaika moa ny vokatra avy any amin'ny biraom-pifidianana maro any, dia nanoratra script [fr] [fandrindram-baiko] ahafahan'ny rehetra liana amin'ny famakafakana ny fifidianana malagasy hamadika ny voka-pifidianana amin'ny endrika PDF ho taratasy azo hanaovana kajy izy, ary ahafahana manamarina raha marina tokoa ny tarehimarika hita ampahibemaso. Namoaka maodelin'antotanisa ihany koa izay ahafahana manombana ny vokatra farany amin'ny fifidianana. Mbola maka andro maromaro ny vokatra ofisialy avy amin'ny faritra rehetra. Noho izany, dia avy amin'ny tahirin-kevitra vonona tamin'ny 27 oktobra sy ny tamin'ny 29 oktobra izay ahitana vokatra mitovitovy no nokirakirain'i Barijaona. Nofeheziny ary fa [fr] ireo roa mitarika ireo no hifanandrina amin'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana:

Les résultats me paraissent remarquablement stables entre ces deux traitements, et si les résultats finaux s'écartent beaucoup de ces chiffres, il y aura vraiment de quoi s'étonner… 

Hitako mitombina-mipetraka tsara ny vokatra tao amin'ireo fikirakirana roa ireo, ka raha manivaka amin'ireo tarehimarika ireo ny vokatra farany dia hahagaga ihany… .

Fisantaran'andraikitra roa no ifarimbonana amin'ny tranga hafahafa mandritra ny fotoam-pifidianana:

fandraisana an-tanana MAHAFINARITRA RT angona an-tsarintany amin'ny fotoam-pifidianana

Mandritra izany fotoana izany, tony ny sasany ary mahandry:

Na misy fifidianana na tsia, mitohy ny fiainana amin'ny alina eto Antananarivo, mitrakà!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.