Nibahana Tamin'ny Blog Action Day Tao Brezila Ny Fahalalaham-pitenenana sy ny Zo Hahazo Vaovao

Na dia miroborobo ao Brezila aza ny Aterineto izay fitaovana fampiasan'ny olona hanaovana fanentanana sy hilazany ny fihetsiketsehana ataony, nampiseho ny zava-nitranga vao haingana fa mbola olana horesena ny sivana antserasera sy ny famoretana ataon'ny polisy eny an-dalambe, nanoratra momba izany tamin'ny Blog Action Day 2013 ireo bilaogera.

Niresaka ny toeran'ny fahalalaham-pitenenana ao Brezila ireo bilaogera tamin'ilay lohahevitra momba ny zon'olombelona tamin'ny Blog Action Day. Habaka sy bilaogy 70 avy ao Brezila no voarakitra tamin'ity fanentanana bilaogy karakaraina isan-taona ity.

Nampatsiahy tao anaty lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “For the right to blog (Hoan'ny zo hibilaogy)“, nosoratan'i Helena Rocha ny fikambanana tsy miankina malaza Article 19 (Andinin-dalàna 19) fa nihoaran'ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra ny fampahalalam-baovao mahazatra amin'ny fitantarana ireo fihetsiketsehana goavana vao haingana tao Brezila sy ireo tranga misongadina momba ny sivana mihatra amin'ireo bilaogera tao anatin'izay taona vitsy izay:

Several cases have had public repercussion over the years. For example, the case of the blog “Imprensa Marron”, which was taken down by a lawsuit because of a comment left on the blog. This was the first time that we know of in the history of Brazilian blogosphere, that someone was held responsible due to the activity of a third party.

Once the importance and the role conducted through blogs in promoting public debate was affirmed, the blogosphere became increasingly the target of intense censorship through litigation, especially by political powers. In 2006, candidate José Sarney tried to censor more than 100 blogs in the state of Amapá due to published materials that he was not pleased with and to third party comments posted on those blogs.

Maro ireo tranga nisy fiantrakany tamin'ny vahoaka nandritra ny taona maro. Ohatra, ny raharaha momba ilay bilaogy “Imprensa Marron”, izay niakatra fitsarana noho ny fanehoan-kevitra tavela tao amin'ny bilaoginy. Vao voalohany fantatsika niseho tamin'ny tantaran'ny tontolon'ny bilaogy Breziliana izany, fa lasa meloka ny sasany noho ny ataon'ny olon-kafa.

Raha vao hita sy tsapa ny maha-zava-dehibe sy ny andraikitra sahanina amin'ny alalan'ny bilaogy amin'ny fampiroboroboana ny adihevitra eo  amin'ny vahoaka, nanjary lasibatry ny sivana goavana hatrany ny tontolon'ny bilaogy amin'ny alalan'ny fototr'ady, indrindra avy amin'ny fahefana politika. Tamin'ny taona 2006, niezaka nanivana bilaogy maherin'ny 100 tao amin'ny Fanjakana Amapá ny kandidà osé Sarney, noho ireo antontan-kevitra nivoaka izay tsy nahafaly azy sy noho ireo fanehoan-kevitry ny olona nipetraka tao amin'ireo bilaogy ireo.

Tahaka izany ihany koa, nanasongadina ny famoretana ny fihetsiketsehan'ireo mpampianatra, fitokonana izay efa nanomboka tamin'ny volana Aogositra 2013 ny RioOnWatch, habaka manome seha-pitenenana  ho an'ireo mponin'i favelas, na faribohitry ny mahantra. Tamin'ny 15 Oktobra 2013, izay Andron'ny Mpampianatra ao Brezila, vahoaka marobe 20.000 no nidina an-dalambe tao Rio de Janeiro mba haneho ny fanohanany ireo mpampianatra monisipaly izay nitaky [pt] fanovana amin'ny vata-karamany toy ny fampiakarana karama ho 20% sy fandefasana miasa amin'ny sekoly iray ihany. Nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana goavana ihany koa ireo lasibatry ny fandroahana an-tery.

Photo by Rio on Watch licensed under Creative Commons Attribution 3.0

“Manohana ireo mpampianatra ny Favela”. Sary nozaraina tao amin'ny babaky ny Rio on Watch, Creative Commons Attribution 3.0

Tamin'ny lahatsoratra “Favela Residents Join Teachers Day Protest (Manatevin-daharana ny Andron'ny Fihetsiketsehan'ny Mpampianatra Ireo Mponina ao Favela“, nisongadina ny fijoroana vavolombelona avy amin'ireo mponina ao Rio, tahaka ny avy amin'i Regina Célia da Costa Coelho, mponina ao amin'ilay faritra malaza antsoina hoe Horto:

We are from the Horto community, located in Jardim Botânico, a historic community threatened with removal because the authorities recently created a new demarcation map, which places 520 houses of former and current employees of Jardim Botânico within an area to be removed… In Horto we are facing the possibility that one of our schools (Manuel Bandeira) will be closed. Education is the most important thing in a country, it is the foundation of everything. We are here not only supporting the teachers’ movement, but also to unite all the demands, all those communities that are unsatisfied with this government. We are coming together in a unified struggle with a broader, all-encompassing vision.

Fiarahamonina avy ao Horto, miorina ao Jardim Botânico (Zaridainan-javamaniry ) izahay, fiarahamonina manatantara norahonana hiala satria nanamboatra saritany vaovao manamarika faritra vao haingana ireo manampahefana, izay hametrahana ireo trano 520, tranon'ireo mpiasa taloha sy mpiasa ankehitriny ao amin'ny Valan-javaboary ao amin'ny faritra izay hoesoriana … Ao Horto, miahiahy izahay fa mety hakatona ny iray amin'ireo sekolinay (Manuel Bandeira). Anisan'ny zava-dehibe ao amin'ny firenena iray ny fampianarana, fototry ny zava-drehetra izany. Eto isika tsy hanohana ihany ny hetsiky ny mpampianatra fa hanambatra ireo fitakiana, sy ireo fiarahamonina rehetra tsy afa-po tamin'ity governemanta ity ihany koa. Tonga tamin'ny tolona natambatra tamin'ny fijery ankapobeny midadasika isika.

Mpandray anjara hafa tamin'ny Blog Action Day ny tetikasa fampahalalam-baovao an'olo-tsotra Amigos de Januária, izay mahazo vatsy amin'ny Rising Voices. Tao amin'ny bilaogin'izy ireo, nanipika ny fomba fiampitàn'ny vaovaon'ny vahoaka amin'ny fahalalaham-pitenenana tamin'ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “For the right to information (Zo Hahazo Vaovao)” [pt ] “izy ireo:

Chamaremos a atenção neste texto para o “Direito a Informação”, que mesmo não estando explicito entre os direitos da Declaração, pode ser lido entre suas entrelinhas e se caracteriza de grande importância por ser a chave para a garantia de vários outros direitos presentes nas mais diversas legislações.

Sem acesso a informações públicas fica impossível descobrir quais dos seus direitos estão sendo prejudicados. (…)
Se escolher seus representantes públicos é um direito universal, então obter informações sobre o governo que você ajudou a escolher também o é. Essas informações vão desde a verbas públicas recebidas, gastos efetuados, impostos recolhidos, direito a saúde e educação, entre outros.

(…) Na dia tsy voafaritra mazava ao amin'ny Fanambarana ny Zon'olombelona [Manerantany] aza, [ny zo hahazo vaovao] dia afaka vakiana ao anelanelan’ ireo andinin-dalàna ireo, ary tena zava-dehibe satria lakile hanomezana antoka ireo zo marobe hafa ao anaty lalàna hafa.

     Raha tsy misy ny vaovao ho an'ny daholobe, sarotra ny hahalala ireo zo mbola tsy voahaja. (…)

     Raha zo iraisam-pirenena ny safidy ho mpiasam-panjakana, dia toy izany ihany koa ny vaovao momba ny governemanta izay manampy anao hanao safidy. Izany vaovao izany dia manomboka amin'ny volam-bahoaka noraisina, hatramin'ny fandaniana natao, ireo hetra niditra, ny zo hanana fahasalamana sy fampianarana, anisan'ny ohatra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.