Nanao fihetsiketsehana ho fitakiana fanovana momba ny fampianarana ireo mpianatra Shiliana, iray volana alohan'ny fifidianana filoham-pirenena [2] izay fantatra fa hotontosaina amin'ny 17 Novambra 2013.
Anisan'ny fanentanana [3] ankehitriny mitaky fanavaozana [4] ny rafi-pampianarana ao amin'ny firenena ny fihetsiketsehana [5].
Andro alohan'ny fihetsiketsehana, nandefa lahatsary [6] [es] momba ny tolona ataon'ny mpianatra amin'ny ezaky ny ekipam-pirenena baolina kitra mba ho voahosotra hifaninana amin'ny Amboara Manerantany 2014 ny Oniveriste misy ny Firaisamben'ny Mpianatra ao Shily (Fech).
No one said it would be easy. Yesterday we made a big step. Today, a new stage begins. There are still matches left to win. Never again without us. See you on the 17th.
Tsy nisy olona nilaza fa tsotra izany. Nanao dingana lehibe izahay omaly. Androany, manomboka ny dingana vaovao. Mbola misy ireo fifaninana horesena. Aza misaraka aminay. Amin'ny 17 ny fotoana.
Nanangona ny sarin'ireo olom-pirenena ny habaka Revolución 3.0 [7] [es] ary nandefa mivantana ny diabe. Hoy izy ireo nanazava:
Esta marcha tiene como fin emplazar a los nueve candidatos a la presidencia de la república, sobre las medidas que tomarían en un eventual gobierno. El vocero de la Cones, Moisés Paredes, dijo que el “llamado que se le hace a todos los candidatos es claro [8], acá no se necesitan consignas de que van a hacer una gran reforma educacional, sino que se necesitan propuestas claras”.
Ny tanjon'ity diabe ity dia ny hiantso ireo kandidà sivy nirotsaka hofidiana ho filohan'ny repoblika, mikasika izay fepetra horaisin'izy ireo ao amin'ny governemanta vaovao. Nilaza ny mpitondra-tenin'ny Cônes [mpandrindra nasionalin'ireo mpianatra ambaratonga fototra faharoa] Moisés Paredes fa «mazava ny antso hoan'ireo kandidà, tsy mila teny filamatra milaza fa hanatanteraka fanovana goavana amin'ny rafi-pampianarana izahay, fa mila tsanga-kevitra mazava”.
Mpitati-baovao tao amin'ny TeleSur, Raúl Martínez nanoratra tao amin'ny Twitter:
Estudiantes advierten a candidatos presidenciales que si no hay soluciones a sus demandas seguirán movilizados #Chile [9] pic.twitter.com/lHJlt1j07q [10]
— Raúl Martínez (@RaulteleSUR) October 17, 2013 [11]
Mampitandrina ireo kandidà ho filoham-pirenena ny mpianatra fa hanohy hanao hetsika izy ireo raha tsy misy ny vahaolana amin'ny fitakian'izy ireo.
Nizara sary, vaovao ary fihetseham-po tamin'ny alalan'ny teny ifankafantarana hoe #NosVemosEl17 [12] [es] (Amin'ny 17 mihaona) sy ny #marchaestudiantil [13] [es] (diaben'ny mpianatra) ireo mpiserasera sy fampahalalam-baovao:
RT @Revolucion3_0CL [14]: Son miles los estudiantes que comienzan a marchar este #MarchaEstudiantil [15] #Yomarchoel17 [16] pic.twitter.com/GaZH7gwpZt [17]
— Revolución 3.0 (@Revolucion3_0) October 17, 2013 [18]
Manomboka manao diabe ireo mpianatra an'arivony #MarchaEstudiantil [15] #Yomarchoel17 [16] pic.twitter.com/GaZH7gwpZt [17].
Desde la Alameda #NosVemosEl17 [12] pic.twitter.com/7oUxGLJhPs [19]
— Comunicaciones FECh (@la_Fech) October 17, 2013 [20]
Avy ao Alameda [arabe lehibe ao an-tanàndehiben'i Santiago] #NosVemosEl17 [12] pic.twitter.com/7oUxGLJhPs [19]
EDUCACIÓN GRATUITA gritan estas estudiantes secundarias sin temor a la represión. SEGUIMOS EN la marcha estudiantil pic.twitter.com/vm5lZ6DSuQ [21]
— Piensa Prensa (@PiensaPrensa) October 17, 2013 [22]
FAMPIANARANA MAIMAIM-POANA, hoy ireo mpianatra ao amin'ny ambaratongana faharoa mihiaka tsy matahotra famoretana. Tohizanay ny amin'ny diaben'ny mpianatra.
Thousands took to the streets of Santiago for today's @confech [23] march. Photo by Sam Edwards/ The Santiago Times pic.twitter.com/SdOWfN2rM9 [24]
— The Santiago Times (@SantiagoTimes) October 17, 2013 [25]
An'arivony ireo nidina an-dalambe tao Santiago tamin'ny diabe androany @Confech. Sary avy amin'i Sam Edwards / Santiago Times, pic.twitter.com/SdOWfN2rM9
Naneho hevitra manoloana ireo herisetra nandritra ny fihetsiketsehana ny hafa:
Apoyó la causa del movimiento estudiantil pero para que caer de nuevo en incidentes q al final es de lo único q hablan #MarchaEstudiantil [15]
— Eduardo Barrientos (@yaoxz) October 17, 2013 [26]
Manohana ny anton'ny fihetsiketsehan'ny mpianatra aho, fa nahoana no mbola misy zava-mitranga hatrany rehefa mirava rehefa io ihany no hany zavatra mba resahin'izy ireo.
Y los tontitos, delincuentes de siempre salen a generar desórdenes tras #MarchaEstudiantil [15] … Justo a la hora de las noticias,que “curioso”
— Rodrigo Adrián (@adrianrx) October 17, 2013 [27]
Ireo jiolahimboto vendrana ireo ihany no tonga nampisy korontana taorian'ny diaben'ny mpianatra … tonga ara-potoana ny vaovao, tena «liana be mihitsy»
Araka ny tatitra avy amin'ny Oniversiten'ny Firaisamben'ny Mpianatra ao Shily, olona 50 000 no nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana androany:
Hoy marchamos porque seguimos siendo valientes! 50 mil personas en la calles. Porque sin nosotros no hay reforma! pic.twitter.com/neCldmmR0s [28]
— Comunicaciones FECh (@la_Fech) October 17, 2013 [29]
Manao diabe izahay androany satria mbola mahery fo izahay! olona 50 an'arivony no nidina an-dalambe. Satria raha tsy misy anay, tsy misy ny fanovana! [Sary: “Mampianatra antsika mba hanana herimpo ireo mpianatra”].