- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: “Advox” Amin'ny #IGF2013

Sokajy: Indonezia, Jordania, Pakistana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Solovava, Zon'olombelona, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

Manana fahefana goavana ireo governemanta raha ny aterineto no resahina – ka tahaka izany ihany koa ny Google, Yahoo ary Facebook. Saingy midika ve anefa izany fa ireo olona tahaka antsika  -mpiserasera mazoto – dia tsy manan-kolazaina mikasika ny fomba fampiasàntsika ireo seha-pifandraisana mahery vaika manerantany? Izany no fanontaniana lehibe tamin'ny “Forum” Dinidinika momba ny Fitantànana ny Aterineto.  Mivantana avy ao Bali, ao Indonezia, araho ny resadresaka ataon'ireo Advoxer: Hisham Almiraat, Ellery Biddle, Sana Saleem, Nighat papa, sy ireo namana hafa ao amin'ny GV mikasika ny olana amin'ny zon'ny mpiserasera mandritra ny hetsika amin'ity taona ity.

GV Face: Advox at #IGF2013