Nahemotra [1] tamin'ny 28 Oktobra ny fotoam-pitsarana farany an'i Alberto Fujimori, rehefa hita fa toa reradreraka, misavoritaka, ary mitondra fitaovana fanaraha-maso tosidrà ny filoha teo aloha.
Nampanantsoina hijoro vavolombelona i Fujimori tamin'ny 17 Oktobra, mikasika ilay raharaha fividianana lahatsoratra fanadihadiana antserasera an'ireo fampahalalam-baovao sasany izay nampiasainy tamin'ny fampielezan-kevitra nahavoafidy azy indray nandritra ny fe-potoam-piasana faharoa, ary nampiasàny ny volam-panjakana. Fantatra fa toa fitsarana mikasika ny gazety “chicha (mpanafintohina) [2]” ny fotoam-pitsarana [3].
Piden 8 años de cárcel para #Fujimori [4] por desvío de S/. 122 millones para comprar línea editorial de diarios chichas http://t.co/AG6DpgG8MY [5]— TV Perú Noticias (@tv_peru) October 18, 2013 [6]
Mangataka 8 taona an-tranomaizina ho an'i Fujimori [izy ireo] noho ny fanodikodinana vola 122 tapitrisa dolara [vola peroviana: 44 tapitrisa dolara amerikana] tamin'ny fividianana gazety mpanafintohina.
Nitatitra [7] [es] izay zava-nitranga tao amin'ny fitsarana i Jacqueline Fowks, mpanao gazety ao amin'ny El País [est] mandra-piatoany: “Nandritra ny fakàna ambavany naharitra teo amin'ny 40 minitra teo, nanambara ny fitsarana fa miandry ny fanapaha-kevitry ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany mikasika ny fanangona-tsonia hanesorana ireo mpitsara telo izay tokony hitsara an'i Fujimori, nohenoiny ireo fehin-kevitra avy amin'i Castillo [William Paco] (mpisolovava an'i Fujimori) tao amin'ny Fitsarana Tampony hitsara an'i Fujimori ny fitsarana, ary nandray ny fangatahan'ny mpampanoa lalàna hampitomboana ny onitry ny fahavoazana.”
Maro ireo mpisera Twitter no tsy resy lahatra [8] [es] mikasika ny toe-pahasalamn'ny filoha teo aloha ary nanjary lasa memes kivazivazy [9] [es] izany:
Por favor, pero para pintar, escribir, twittear si está bien? RT @larepublica_pe [10]: Abogado de #Fujimori [4],El presidente puede colapsar
— Gammaerys Targaryen (@gammanormids) October 17, 2013 [11]
Tena marina?–saingy raha handoko, hanoratra, misioka an-tserasera, ao tsara? Ho an'ny mpisolovava an'i Fujiromi: “mety ho safotra ny filoha.”
#Fujimori [4] se convirtió en tendencia global tras aparecer con este aspecto en juicio http://t.co/17VfvoIiUv [12] pic.twitter.com/Nvf3cAheFd [13]
— Alfonso Baella (@alfonsobaella) October 18, 2013 [14]
Nanjary malaza manerantany i #Fujimori rehefa avy niatrika fitsarana tahaka izao.
Ny sasany kosa nisioka am-paneesoesoana ny amin'izay sokajiany ho “fampisehoana”:
And the winner is… RT @juanlvillegas [15]#Fujimori [4] tremendo actor, palmas por favor.
— Beto Mesones (@mesones) October 17, 2013 [16]
Ny mpandresy dia i …..RT @juanlvillegas [15]#Fujimori [4] Tena mpilalao horonantsarimihetsika avo lenta, omeo tehaka azafady.
Totalmente! RT @SeguridadBlanca [17]: #Fujimori [4] se lleva el #Oscar [18] para el #MejorActorDelAño [19] http://t.co/K3Dn7aI8LX [20]
— Cristhian Rojas S (@CristhianRS) October 17, 2013 [21]
Tena marina! RT. Nahazo ny loka Oscar mpilalao horonantsarimihetsika mendrika indrindra i Fujimori.
Ny hafa indray nanontany raha anisan'ny tetikady vaovao avy amin'ny mpisolovavan’ i [22]Fujimori William Paco Castillo izany.
Fujimori estrenó abogado nuevo. Más adecuado a su perfil de “víctima” y charlatán. Nueva estrategia chicha con look de me acabo de levantar.
— Juan Carlos Barreda (@osobarreda) October 17, 2013 [23]
Sambany naka mpisolovava i Fujimori. Mifanaraka tsara amin'ny «olona arovany» sy ny toetrany mpametsifetsy. Tetikady tsotra vaovao – jereo, vao niarina aho.
Ny sasany kosa nanararaotra nampahatsiahy antsika ny tantaran'i Fujimori momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona:
El Dossier #Fujimori [4] – http://t.co/ermKuucloC [24]
— Jo-Marie Burt (@jomaburt) October 17, 2013 [25]
Tantara momba an'i #Fujimori [4] – http://t.co/ermKuucloC [24]
Na dia izany aza, nisy ireo naneho ny ahiahiny mikasika ny fahasalaman'ny filoha teo aloha. However, there were those who showed concern about the former president's health:
@keikofujimori [26] Fuerza familia #Fujimori [4], y nunca olviden que DIOS NUNCA SE OLVIDA DE SUS HIJOS BUENOS Y EL CHINO ES UNO DE ELLOS. MUCHA FÉ
— Gabriela Kelly (@GabbyGoodPerson) October 17, 2013 [27]
Mahereza -ary aza adinoina mandrakizay fa ANDRIAMANITRA TSY MANADINO IREO MPIANANY MENDRIKA SY NY CHINO [ lehilahy Shinoa, anarambositr'i Fujimori]. TAZONY NY FINOANA
Todos los que le estan haciendo pasar ese TAN mal momento a #Fujimori [4] son UNOS HIJOS DE MIL PERR*S
— Luna Massiel ♡ (@Luna_Massiel) October 17, 2013 [28]
Ianareo rehetra nahatonga izao andro ratsy izao ho an'i Fujimori dia ZANAKA MPAMOSAVY.
@tuteve [29] #Fujimori [4] Opositores q guardan odio y se olvidan donde estaban cuando habia un coche bomba Fuji acabo con l barbarie q ingratitud!!
— MARIA JULIA (@maryju333) October 18, 2013 [30]
Ireo mpanohitra mankahala sy manadino ny fotoana nisian'ny fiara nisy baomba. Fuji no nampitsahatra ireny habibiana ireny. Tsy mba mahay mankasitraka!
Fotoam-pitsarana faha-enina an'i Fujimori ity, ary mety hiatrika sazy 8 hatramin'ny 15 taona an-tranomaizina izy raha fantatra fa meloka.
Tamin'ireo fotoam-pitsarana dimy teo aloha, [31] voampanga ho nanao kolikoly, fanodinkodinana sy fakàna volam-panjakana ary fanararaota-pahefana izy. Tamin'ny fotoam-pitsarana iray, [32] nahazo sazy 25 taona an-tranomaizina noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona izy.