Zambia: Ny Filoha Mampitombo Ny Karamany, Ireo Depiote Mpanohitra Manameloka

Talohan'ny tsy nahenoana intsony ny akon'ny feon'ny Minisitry ny Vola Zambiana, Alexander Chikwanda, taorian'ny famelabelarany ny tetibola tao amin'ny parlemanta izay nanambaràny ny tsy hanetsehana ny karaman'ny mpiasa-panjakana mandritra ny roa taona, nofongarin'ny tranonkalan'ny mediam-bahoaka “Zambian Watchdog” ny Didy Fampiharana iray tamin'ny 8 Oktobra 2013 izay nampiakatra ny karaman'ny Floha Michael Sata niaraka tamin'ny an'ireo mpiasa hafa mitàna andraikitra mpanao lalàna.

President Michael Sata addressing parliament. Picture used with permission from Lusaka Times.

Filoha Michael Sata miresaka amin'ny parlemanta. Fampiasana sary nahazoana alàlana avy amin'ny Lusaka Times  

Io dia Didy Fampiharana iray io izay nirian'ny governemanta halevina tany anatin'ireo antotan-taratasy samihafa tsy tiany ho fantatry ny sarambabem-bahoaka, satria ny tsy hafaliana ny naterany dia nanosika ny Filoha Sata hiverin-dàlana tsy hàka ilay fisondrotana 10 isan-jaton'ny karama raha toa ka mihemotra amin'ny azy ireo ihany koa ny mpikamban'ny parlemanta mpanohitra. 

Nanapoaka ireo vaovaon'ny fanondrotan-karaman'ny filoha, ny “Zambian Watchdog”, izay noraran'ny governemanta Zambianina, dia nilaza hoe:

Telo andro taorian'ny nampiakaran'i Sata sy ireo Ministerany ny karamany, niteny tamin'ny Parlemanta ny Minisitry ny Vola, Alexander Chikwanda, rehefa namelabelatra ny tetibolan'ny taona 2014 izy hoe hisy tsy fikitihana karama ho an'ireo mpiasam-panjakana tsotra mandritra ny roa taona manaraka ary mety tsy hisy fandraisana mpiasam-bahoaka […] natao teo anelanelan'ny fitokonana nataon'ireo mpitsabo mpanampy sy ireo mpampiteraka ho fangatahana fanondrotana karama ny fampiakarana ny karaman'i Sata farany. 

Ny fisondrotan-karaman'i Sata farany teo no nanamarika ny fanintelony tamin'ny fiakaran'ny vola azony hatramin'izay nandraisany ny birao tamin'ny volana Septambra 2011.

Fackson Shamenda, Minisitry ny Asa, mpitantana taloha ny Kongresin'ireo Sendikàn'ny Varotra ao Zambia, dia nanamarina ny fiakaran'ny karaman'ny filoha tamin'ny filazàna hoe ny Filoha Sata no kely karama indrindra amin'ny fanjakana ao anatin'ny faritry ny “Southern African Development Community” (SADC):  

Tokony ho faly ny vahoaka rehefa manatsara ny fari-piainan'ny hafa isika. Raha ny tena marina, amin'izao fotoana izao tokony hirehareha isika amin'ny hoe ny filohantsika no kely karama indrindra eto amin'ny faritra.  

Namoaka fanambaràna iray mitovy amin'ny ny an'i Shamenda i George Chellah, mpitondra tenin'ny filoha Sata, izay nanazavany ny dingana natao:

Vantany vao nampahafantarin'ny Kaomity Mpandrindra hoe fanondrotana toy inona no hatolotra, dia efa Didy Fampiharana no navoakan'ny Minisitry ny Vola […] Raha ny marina, tamin'ity taona ity, ny Kaomity, izay nahitàna ireo mpanohitra mpikambana ao amin'ny parlemanta dia nivory sy nanolotra ny fanondrotana 10 isan-jato tamin'ny fandraisany ho anaty kajikajy ny harenam-pirenena, ary na teo aza ny fanondrotana efa azon'ny mpiasam-panjakana izay mahatratra 0 isan-jato ka hatramin'ny maherin'ny 150 isan-jato .

Nilaza ny fanirian'ny Filoha ny tsy hanaiky ny fisondrotana ny minisitra iray hafa, i Edgar Lungu, miandraikitra ny fandaminan-draharaha anatiny:

Mahafinaritra izany hoy ny Filoha, saingy efa nifampiresaka tamin'ny mpanohitra UPND sy ny MMD izahay ary nilaza izy ireo fa miaraka amintsika ary rahay ny marina dia milaza hoe tsy ampy izany, noho izany mandehana ary anontanio an'ireo mpanohitra mpikambana ao amin'ny parlemanta ny antony anamelohan'izy ireo ilay fanondrotana raha nanome azy ny vola tamin'ny alalan'ny Kaomity Mpandrindra izy ireo.

Mifanohitra amin'izany, ny tranonkala Mywage dia naneho fa raha ny marina ny Filoha Sata dia anisan'ireo mpitondra fanjakana be karama indrindra amin'izao, miaraka amin'ny tatitry ny Zambian Watchdog : 

Araky ny fanangonana avy amin'ny ‘Ny Karamako’, hatramin'ny faran'ny herinandro teo i Sata [alohan'ny fisondrotan'ny karamany] dia mandray isam-bolana ny mitovy sanda amin'ny 845.436,00 Rands Afrikana Tatsimo na 3.382,00 Rands Afrika Tatsimo isanandro.


Manoratra ao amin'ny tranonkalan'ny Zambian Watchdog,  Michelo Hansungule, Zambianina iray mpampianatra lalàna monina ao Afrika Atsimo, dia niantso ny Filoha Sata hanafoana ilay fisondrota-karama

Tokony milaza sy manafoana ilay fisondrotana ny filoha ary mandray ny andraikiny araka izay tokony hataon'ny mpitondra fa tsy hanao sain-jaza hanipy ny baolina any amin'ny kaomitin'ny Parlemanta. Tokony ho mora aminy ny manatanteraka izany satria efa nanadio ny tenany sy ireo mpiasa manodidina azy izy ka naleony manameloka ny kaomitin'ny Parlemanta sy indrindra ireo mpanohitra mpikambana ao amin'ny parlemanta ao anatin'ilay kaomity, izay midika fa raha izy no inoana dia tsy azy ilay fanapahan-kevitra ary misy olona hafa mitady hampibaby azy ny volan'ireo mpandoa hetra nefa tsy naka alalana avy aminy akory.

Misy fahatsapàna ankapobeny hoe ho an'ireo lehilahy izay tao anatin'ny fanoherana nandritra ny 10 taona ary nandoa vola be ho fikarakarana ny  “Patriotic Front (PF)”, antoko iray izay natsangany samy irery sy notantanany irery toy ny tobim-pamaharana azy manokana, dia handany ny androny ao anaty birao izy mba hitsakotsakoany izay nolaniany  nandritra ny taona maro hanodinana io raharaha io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.