- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miomana Ny Hanohitra Ny Fandraràna Azy Tsy Hamily Ireo vehivavy Saodiana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
Dozens of women have shared videos of themselves driving on major roads and highways across Saudi Arabia ahead of October 26, a day they plan on defying the ban. The videos are available here

Vehivavy am-polony mahery no nandefa ny lahatsariny mitondra fiara eny an'arabe sy ireo lalambe migodana ao Arabia Saodita nialohan'ny 26 Oktobra, andro iray nomanin'izy ireo hanoherana ny fandraràna. Afaka jerena eto [1] ireo lahatsary.

 Hatramin'ny nifidianana ny 26 Oktobra [2] ho andro iray hiadiana amin'ny fandraràn'ny governemanta ireo vehivavy tsy hamily fiara, nandefa lahatsary mampiseho ny fiomanan'izy ireo ho amin'ilay andro ireo vehivavy Saodiana. Ireo tsy mpankasitraka, etsy an-daniny, nitady mafy ny hanamafisan'ny governemanta ilay fandraràna izay niantszo azy io hoe “fanoherana miafina” sy namaritra azy ho “fihetsiketsehana” ao anaty firenena iray izay tsy azo anaovana fihetsiketsehana mihitsy.

Fenon'ireo lahatsary sy sarin'ireo vehivavy mitondra fiara eny an-dalam-be sy ireo hafa lasa mianatra mamily fiara ny fantsona YouTube [1] sy Instagram [3]an'ilay fanentanana.

Nasser al-Omar, iray amin'ireo Islamista mpitondra fivavahana, mpifikitra amin'ny nentin-drazana ao an-tanàna, dia nitsikera hoe: 

Azon'ireo miantso ny vehivavy hamily fiara ve fa miasa ho an'ireo fahavalom-pirenena izy ireo amin'ny alalan'ny fitondrana azy ho any amin'ny fahapotehana tanteraka sy kolikoly raha fandriam-pahalemana, fahatokisana sy fahatoniana no tena ilainy fatratra?! 

al-Omar, sy ireo mpitondra fivavahana sasany, dia nanandrana nitsidika ny “Royal Court” ny 22 Oktobra, kanefa tsy nomena fotoana izy ireo. Ao anatin'ny lahatsary iray nalaina tany ivelan'ny “royal court” [5], niteny i al-Omar fa ireo miantso ny vehivavy hamily fiara “dia tsy mandeha amin'ny fomba ara-drariny” (amin'ny fanondroana ilay fandraràna, raha tikony hangataka amin'ny mpanjaka hanafoana azy io)

(Androany) ny 23 Oktobra, ny Minisitry ny Atitany dia nanao fanambarana [6] milaza hoe: 

وعطفاً على ما يثار في شبكات التواصل الاجتماعي وبعض من وسائل الإعلام من دعوات لتجمعات ومسيرات محظورة بدعوى قيادة المرأة للسيارة، وحيث إن الأنظمة المعمول بها في المملكة تمنع كل ما يخل بالسلم الاجتماعي ويفتح باب الفتنة ويستجيب لأوهام ذوي الأحلام المريضة من المغرضين والدخلاء والمتربصين، لذا فإن وزارة الداخلية لتؤكد للجميع بأن الجهات المختصة سوف تباشر تطبيق الأنظمة بحق المخالفين كافة بكل حزم وقوة

Raha jerena  ny zavtra mivezivezy any amin'ireo tranonkalan'ny media sosialy sy ireo fantsona media hafa mikasika ny fandrarana fivoriana sy fihetsiketsehana ho an'ny fitondran'ireo vehivavy fiara, mandràra izay rehetra manohitohina ny filaminam-bahoaka ireo lalàna ato amin'ny fanjakana ary miantso fakam-panahy ho an'ireo mitady hanao ratsy sy ireo manana nofinofy adala. Noho izany antony izany, manome toky ny olon-drehetra ny Minisitry ny Atitany fa hampihatra ny fanarahamaso amin'ny fomba hentitra sy henjana amin'ireo izay manitsakitsaka azy ireny ireo manam-pahefana voatokana ho amin'izany.

Ireo mpikarakara ilay fanentanana dia nanamafy foana fa tsy miantso ny olona hihetsiketsika izy ireo: 

Ho an'ireo izay manohana ny hoe antso ho amin'ny fihetsiketsehana ny anay ny 26 Oktobra, dia te-hampahafantatra anareo izahy fa tsy sasatra ny mamerina izahay hoe tsy hisy ny fihetsiketsehana, ary tsy hampihena ny fahazotoanay izany.

48 ora alohan'ny nanonganana ny Filoha Mohamed Morsi [8] ny bilaogera Saodianina Fouad al-Farhan dia nampitaha ny fanambaran'ny Ministeran'ny Atitany sy ny fanambaran'ny Jeneralin'ny foloalindahy Ejipsianina Abdel Fattah el-Sisi: 

Ny fanambaran'ny Ministeran'ny Atitany mikasika ny fitondran'ny vehivavy fiara dia mitovy amin'ny an'i el-Sisi izay nanome vintana ho an'ny rehetra. Ny antoko tsirairay dia samy nandray ilay fanambarana ho amin'ny tombotsoany avy.

Ny Amnesty International koa dia niantso fanasoniavana ilay fanentanana fanangonan-tsonia:

 Asehoy ny firaisankinanareo miaraka amin'ireo  #vehivavy [12] #Saodianina [11] mpamily fiara ho any amin'ny fahafahana amin'ny alalan'ny fanasoniavana ny fanangonan-tsonia @oct26hamily [13] ho an'ireo “#women2drive [14]“: http://t.co/TDoKIiKLhW [15]

Amnesty West Gulf @amnestygulf [16] 23 Oktobra 2013 [17]