Morontsiraka Katalana Niharan'ny Fihovitry Ny Tany In-300

Sary avy amin'ny tranonkalam-pampiroboroboana ny Tetikasa Castor.
Horohorontany madinika maherin'ny 300 no namely ny faritra avaratr'i Valence sy tao atsimon'i Catalogne tamin'ny herinandro lasa. Mety hisy ifandraisany amin'ny fanindronana etona fandrehitra voajanahary hotehirizina ambanin'ny tany nataon'ilay tetikasa Castor [en], orinasan'etona fandrehitra voajanahary miorina manamorontsiraka an'i Mediteranea ao amin'ireo faritra ireo no anton'izany.
Naaton'ny governemanta [es] ny fanindronana etona efa natao herinandro vitsy lasa izay, mandra-pisian'ny tatitra ara-teknika manazava tsara ny fandehan-draharaha. Nolavin'ny orinasa misahana ny tetikasa ho tsy avy amin'ny fanindronana no iavian'ny horohorontany, kanefa nilaza ireo tompon'andraikitra eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana sy ny politika fa misy ifandraisany mivantana izany ka nahatonga ireo fikambanana sy mponina mpifanolo-bodirindrina hanao fanentanana hanohitra ny tetikasa amin'ny alalan'ny fampiasana teny ifankafantarana #projectecastor ao amin'ny Twitter. Hetsika mifandray [ca] amin'ny fahazarana manindrona izay teknikam-pamotsorana (“fracking”) izay miteraka adihevitra manerantany.
Mahazo tombony noho ny fisian'ilay fatson-tsolitany efa ritra ny tetikasa, izay mirefy 1750 m ny halaliny, mba hitehirizana etona betsaka hahafahana manome fahafaham-po ny iray ampahatelon'ny filàn'ny espaniola. Nomena hotrandrahan'ny orinasa Unión Temporal de Empresasity tamin'ny alalan'ny fifanekena ara-panjakana ny fisahanana ity tetikasa mitentina 1300 tapitrisa Euro ity, izay notsinjarainy tamin'ny orinasa kanadiana CLP (30%) sy espaniola ACS (70 %), orinasam-pananganana fotodrafitrasa tantanin'i Florentino Pérez, filohan'ny ekipa baolina kitra Real Madrid.
Raha miha-mahery vaika ny hasosorana manoloana ilay tetikasa taorian'ny horohorontany izay mety misy ifandraisany amin'ny tetikasa, efa ela ny hetsika ara-tontolo iainana sy ara-politika sasany no nampahafantatra izay loza mety aterak'ity orinasa ity. Nanamarika [ca] tao amin'ny bilaoginy ny solombavambahoaka eoropeana mpiaro ny tontolo iainana Raúl Romeva, nampatsiahy fa tsy vao omaly ny nisian'ny ahiahy mikasika ity orinasan'etona fandrehitra ity:
Potser hi ha qui s’ha sorprès amb les recents notícies relacionades amb els moviments sísmics que han tingut lloc a la costa, davant de Vinaròs, relacionats amb la planta d'emmagatzematge de gas, més coneguda com a Projecte Castor. No obstant, cal recordar que fa molt de temps que molta gent ens ve advertint dels riscos vinculats a aquesta mena d’explotacions, i que han fet arribar a les diferents institucions les seves preocupacions.
Mety marina fa misy ireo gaga tamin'ny vaovao vao haingana momba ireo horohorontany manamorona ny ranomasina, akaikin'i Vinaròs, izay misy ifandraisany aminà tobi-pitahirizana etona fandrehitra, fantatra amin'ny anarana hoe tetikasa Castor. Tsara ihany indraindray ny mampahatsiahy fa efa maro ireo nilaza hatry ny ela mikasika ny loza mety aterak'ity tetikasa ity ary efa nanambara ny ahiahiny tamin'ireo andrim-panjakana isan-karazany izy ireo.
Tao amin'ny Twitter, Juan López de Uralde, mpikambana ao amin'ny hetsika politika sy sosialy EQUO [es], nampitandrina momba ity karazana tetikasa ity ary nitsikera ny politikan'ny angovo espaniola:
@juralde
Atentos a #Castor en la costa mediterránea. Pone de manifiesto la absurda política energética española: apoyo al gas y castigo a renovables.
Mitandrema amin'ilay tetikasa #Castor ao amoron-dranomasina mediteraneana. Mampiseho ny hadalàn'ny politikan'ny angovo espaniola izany: fanohanana ny etona fandrehitra sy fanasaziana melohana ny angovo azo havaozina.
Nitarika ireo ben'ny tanàna sasany handray fanapaha-kevitra hanohitra ny tetikasa ny zava-misy ao amin'ireo tanàna voakasiky ny horohorontany, araka ny filazan'ny Plataforma pel Sénia [ca/es]:
Marcelino Domingo, alcalde del PP de Benicarló, anuncia al seu perfil de FB q demanarà la paralització i desmantellament del #ProjecteCastor
Nanambara tao amin'ny Facebook i Marcelino Domingo, ben'ny tanànan'i Benicarló ao amin'ny antokom-bahoaka fa andeha hitaky ny fampitsaharana sy ny fanafoanana ny tetikasa izy. #ProjecteCastor
Taminà resadresaka [ca] tao amin'ny vavahadin-tserasera Vilaweb, Lluc Ulldemolins, mpikambana ao amin'ny vondrona mpiaro ny tany ao Sènia, nizara ny tahony manoloana ny ahiahy mikasika ny antony mahatonga ny horohorontany, izay mbola mitohy na dia nanome antoka aza ny governemanta fa efa naato ny fanindronana etona:
—Sí, l'empresa diu que ja no injecta gas, però els terratrèmols han agafat més intensitat. I això encara és més preocupant. Si sabéssim que hi ha terratrèmols perquè s'injecta gas, tindríem la causa controlada. Però si és cert que l'empresa ho ha aturat, i amb tot i això els terratrèmols continuen, és que la situació és més complicada que no ens podíem imaginar. A qui ens hem de creure? Realment preferiríem que fos l'empresa que mentís, no per donar-li la culpa, sinó perquè almenys sabríem la raó dels moviments sísmics.
Eny, nilaza ny orinasa fa efa najanona ny fanindronana etona, saingy mihamahery vaika ny hovitrovitry ny tany. Ary mbola mampiahiahy. Raha tena resy lahatra isika fa avy amin'ny fanindronana etona no niavian'ireo hovitrovitra, efa haraha-maso ny antony. Saingy raha tena marina tokoa fa najanon'ny orinasa ny asany kanefa mbola mitohy ny hovitrovitry ny tany, midika izany fa sarotsarotra kokoa tsy araka ny heverintsika ny zava-misy. Iza no tokony hinoantsika? Aleontsika ilay orinasa no mandainga, tsy hoe mba hanomezan-tsiny azy, fa farafaharatsiny mba fantatsika ny antony mahatonga ny hovitrovitry ny tany.
Satria mitombo eo amin'ireo vahoaka ny fahatezerana sy ny tahotra, araka ireo vaovao [es] nivoaka an-gazety, fantatra fa toa efa nandray fepetra ny orinasa amin'ny fialana an-daharana amin'ny fitrandrahana ary nangataka onitra. Manan-jo hisintaka amin'ny fifanekena amin'ny Fanjakana izy ary mahazo ny sandam-bidy amin'ny alalan'ny onitra satria ny minisiteran'ny Indostria no niavian'ny tetikasa.
Atombohy ny resaka
Sokajy
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...