Navoaka Ilay Mpitarika Ny Mpianatra Iraniana, Majid Tavakoli, Rehefa Nandoa Onitra

 Majid Tavakoli hugging his mother after being released from jail has circulated on Iranian social media.

Sarin'i Majid Tavakoli mamihina ny reniny taorian'ny namoahana azy, miparitaka ao anatin'ny media sosialy Iraniana.

Navoaka ny Alatsinainy teo i Majid Tavakoli, mpitarika ny mpianatra Iraniana mpanohitra, rehefa avy nandoa onitra, voalohany indrindra tao anatin'ny efa-taona. Milaza ny fianakaviany fa mety hiverina an-tranomaizina i Majid anatin'ny andro vitsivitsy.

Niteraka hetsi-panoherana mafy tao anaty aterineto ny fisamborana an'i Tavakoli ny Desambra 2009, taorian'ny nitsikerany ny governemanta Iraniana raha tao amin'ny anjerimanontolon'i Amir Kabir izy, hetsika izay hanoherana ny ezaky ny governemanta hanala baraka azy noho ny filazana fa nitsoaka ireo manam-pahefana tanaty akanjom-behivavy izy taorian'ny nanaovany fanambaràna tamin'ny Andron'ny Mpianatra.

Lehilahy Iraniana an-jatony no nanao fitafiam-behivavy tao amin'ny rindrina Facebook-ndry zareo ho fanohanan'izy ireo an'i Tavakoli sy hanehoany ny firaisankinany amin'ny vehivavy.

Famoretan'ny vahoaka niteraka famotsorana?

Miresaka momba ny mety ho karazana endriky ny famoretana mety nisy akony teo amin'ny famoahana vonjimaika an'i Tavakoli ny mpitoraka bilaogy Kemeki. Ny tale am-perinasan'ny Advancing Human Rights, David Keyes, dia nanontany ampahibemaso ny minisitra Iraniana misahana ny raharaham-bahiny, Javad Zarif, hoe rahoviana i Majid Tavakoli no havoaka ary namaly izy fa tsy mbola naheno izany anarana izany mihitsy. Mino i Kermeki fa ity, miaraka amin'ireo hetsi-panoherana ao amin'ny media sosialy, dia nitàna toerana lehibe teo amin'ny famoahana azy. Hita ao anaty Facebook i Zarif (izay voarara any Iran) ary namoha ny sain'ny maro momba an'i Tavakoli ihany koa ireo mpampiasa aterineto tao.

Fankalazana ny Fanoherana

Ny lahatsary iray nozaraina ao amin'ny YouTube, mampiseho ireo mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Amir Kabri nankalaza haingana ny famoahana azy tanatinà fidinana an-dàlambe an-kira sy niaraka tamin'ny sorabaventy:

Milaza [fa] ny mpitoraka bilaogy Harf Rishe hoe:

Majid Tavakoli dia midika fa velona ny Hetsika Maitso.
Majid Tavakoli dia midika fa efa-taona no lasa, ho an'olona iray ao amin'ny lapam-panjakana [dia ny filoha teo aloha Mahmoud Ahmadinejad izany]
(…)
Majid Tavakoli dia midika ny Hetsika Maitso dia antoko politika tsy mila ny famelan'i Khamenei vao hisy.

Manampy ilay mpitoraka bilaogy fa raha tena mino isika, dia mety ho ivon'ny Hetsika Maitso ihany koa. Mbola eo ambany fanaraha-maso any an-tranony ireo mpitarika ny Hetsika Maitso manoloana ireo hetsi-panoherana marobe nisy taorian'ilay resabe momba ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 2009.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.